1Tehdy zpíval Mojžíš a synové Izraelští píseň tuto Hospodinu, a řekli takto: Zpívati budu Hospodinu, neboť jest slavně zveleben; koně i s jezdcem uvrhl do moře.
1[Ny fihirana nataon'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa tafita ny Ranomasina Mena izy] Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.
2Síla má a píseň jest Hospodin, nebo vysvobodil mne. Onť jest Bůh můj silný, protož stánek vzdělám jemu; onť jest Bůh otce mého, protož vyvyšovati ho budu.
2Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
3Hospodin jest udatný bojovník, Hospodin jméno jeho.
3Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.
4Vozy Faraonovy i vojsko jeho uvrhl do moře; a nejpřednější hejtmané jeho ztopeni jsou v moři Rudém.
4Ny kalesin'i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin'ny Ranomasina Mena.
5Propasti přikryly je; vpadli do hlubiny jako kámen.
5Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.
6Pravice tvá, Hospodine, zvelebena jest v síle, pravice tvá, ó Hospodine, potřela nepřítele.
6Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin'ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
7A ve mnohé vyvýšenosti své podvrátil jsi povstávající proti tobě; pustils hněv svůj, kterýžto sežral je jako strniště.
7Amin'ny halehiben'ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.
8A duchem chřípí tvých shromážděny jsou vody, stály tekuté vody jako hromada, ssedly se propasti u prostřed moře.
8Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina.
9Řekl nepřítel: Honiti budu, dohoním se, budu děliti loupeže, nasytí se jimi duše má, vytrhnu meč svůj, zahladí je ruka má.
9Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
10Povanul jsi větrem svým, i přikrylo je moře; pohlceni jsou jako olovo v prudkých vodách.
10Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin'ny rano mahery izy.
11Kdo podobný tobě mezi silnými, ó Hospodine? Kdo jest tak, jako ty, velebný v svatosti, hrozný v chvalách, činící divy?
11Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
12Vztáhls pravici svou, i požřela je země.
12Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.
13Zprovodíš v milosrdenství svém lid tento, kterýž jsi vykoupil; laskavě povedeš jej v síle své k příbytku svatosti své.
13Tarihinao amin'ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao masina izy.
14Uslyší lidé, bouřiti se budou; bolest zachvátí obyvatele Filistinské.
14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
15Tedy zkormoucena budou knížata Idumejská, silné Moábské podejme strach, rozplynou se všickni obyvatelé Kananejští.
15Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana.
16Připadne na ně strach a lekání, pro velikost ramene tvého; mlčeti budou jako kámen, dokudž nepřejde lid tvůj, ó Hospodine, dokudž nepřejde lid ten, kteréhožs sobě dobyl.
16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao.
17Uvedeš je, a štípíš je na hoře dědictví svého, na místě, kteréž jsi k příbytku svému připravil, Hospodine, v svatyni, kterouž utvrdí ruce tvé, Pane.
17Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana masina naorin'ny tananao, Tompo ô.
18Hospodin kralovati bude na věky věků.
18Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
19Nebo vešli koni Faraonovi s vozy jeho i s jezdci jeho do moře, a obrátil na ně Hospodin vody mořské, synové pak Izraelští šli po suše u prostřed moře.
19Fa niditra teo amin'ny ranomasina ny soavalin'i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina.
20I vzala Maria prorokyně, sestra Aronova, buben v ruku svou, a vyšly za ní všecky ženy s bubny a s píšťalami.
20Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin'i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
21I odpovídala jim Maria: Zpívejte Hospodinu, poněvadž slavně zveleben jest; koně i s jezdcem uvrhl do moře.
21Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina.
22Hnul pak Mojžíš lidem Izraelským od moře Rudého, a táhli na poušť Sur. I šli tři dni po poušti, a nenalezli vod.
22[Ny nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny efitra Sara, sy ny nitobiany tao Mara] Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
23A přišedše do Marah, nemohli píti vod z Marah, nebo byly hořké; protož nazváno jest jméno jeho Marah.
23Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara
24Z té příčiny reptal lid na Mojžíše, řka: Co budeme píti?
24Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?
25I volal k Hospodinu, a ukázal mu Hospodin dřevo, kteréž jakž uvrhl do vod, učiněny jsou sladké vody. Tu vydal jemu práva a soudy, a tu ho zkusil.
25Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
26A řekl: Jestliže skutečně poslouchati budeš hlasu Hospodina Boha svého, a činiti budeš, což spravedlivého jest před očima jeho, a nakloníš uší k přikázaním jeho, a ostříhati budeš všech ustavení jeho: žádné nemoci, kterouž jsem dopustil na Egypt, nedopustím na tebe; nebo já jsem Hospodin, kterýž tě uzdravuji.
26ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.[Ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely tao Elima, sy ny nimonomononany tany an-efitr'i Sinay noho ny tsi-fisian-kanina, ary ny nanomezan'Andriamanitra azy mana sy papelika hohaniny. Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan'ny rano izy.
27I přišli do Elim, kdež bylo dvanácte studnic vod a sedmdesáte palm; i rozbili tu stany při vodách.
27[Ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely tao Elima, sy ny nimonomononany tany an-efitr'i Sinay noho ny tsi-fisian-kanina, ary ny nanomezan'Andriamanitra azy mana sy papelika hohaniny. Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan'ny rano izy.