1I mluvil Bůh všecka slova tato, řka:
1[Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
2Já jsem Hospodin Bůh tvůj, kterýž jsem tě vyvedl z země Egyptské, z domu služby.
2Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
3Nebudeš míti bohů jiných přede mnou.
3Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4Neučiníš sobě rytiny, ani jakého podobenství těch věcí, kteréž jsou na nebi svrchu, ani těch, kteréž na zemi dole, ani těch, kteréž u vodách pod zemí.
4Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5Nebudeš se jim klaněti, ani jich ctíti. Nebo já jsem Hospodin Bůh tvůj, Bůh silný, horlivý, navštěvující nepravost otců na synech do třetího i čtvrtého pokolení těch, kteříž nenávidí mne,
5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6A činící milosrdenství nad tisíci těmi, kteříž mne milují, a ostříhají přikázaní mých.
6nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
7Nevezmeš jména Hospodina Boha svého nadarmo; neboť nenechá bez pomsty Hospodin toho, kdož by bral jméno jeho nadarmo.
7Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
8Pomni na den sobotní, abys jej světil.
8Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
9Šest dní pracovati budeš, a dělati všeliké dílo své;
9Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
10Ale dne sedmého odpočinutí jest Hospodina Boha tvého. Nebudeš dělati žádného díla, ty i syn tvůj i dcera tvá, služebník tvůj i děvka tvá, hovado tvé i příchozí, kterýž jest v branách tvých.
10Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
11Nebo v šesti dnech učinil Hospodin nebe a zemi, moře a všecko, což v nich jest, a odpočinul dne sedmého; protož požehnal Hospodin dne sobotního, a posvětil ho.
11Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
12Cti otce svého i matku svou, ať se prodlejí dnové tvoji na zemi, kterouž Hospodin Bůh tvůj dá tobě.
12Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
13Nezabiješ.
13Aza mamono olona.
14Nesesmilníš.
14Aza mijangajanga.
15Nepokradeš.
15Aza mangalatra.
16Nepromluvíš proti bližnímu svému křivého svědectví.
16Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
17Nepožádáš domu bližního svého, aniž požádáš manželky bližního svého, ani služebníka jeho, ani děvky jeho, ani vola jeho, ani osla jeho, ani cožkoli jest bližního tvého.
17Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
18Veškeren pak lid viděl hřímání to a blýskání, a zvuk trouby, a horu kouřící se. To když viděl lid, pohnuli se a stáli zdaleka.
18Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
19A řekli Mojžíšovi: Mluv ty s námi, a poslouchati budeme; a nechť nemluví s námi Bůh, abychom nezemřeli.
19Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
20Odpověděl Mojžíš lidu: Nebojte se; nebo pro zkušení vás sám Bůh přišel, aby bázeň jeho byla mezi vámi, abyste nehřešili.
20Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
21Tedy stál lid zdaleka; Mojžíš pak přistoupil k mrákotě, kdež byl Bůh.
21Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra.
22I řekl Hospodin Mojžíšovi: Tak povíš synům Izraelským: Vy jste sami viděli, že s nebe mluvil jsem s vámi.
22Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
23Protož nevyzdvihujte ničehož ku poctě se mnou; bohů stříbrných a bohů zlatých neučiníte sobě.
23Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
24Oltář z země uděláš mi a obětovati budeš na něm zápaly své, a pokojné oběti své, ovce své a voly své. Na kterémkoli místě rozkáži slaviti památku jména svého, přijdu k tobě a požehnám tobě.
24Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
25Jestliže mi pak vzděláš oltář kamenný, nedělej ho z kamene tesaného; nebo jestliže pozdvihneš železa na něj, poškvrníš ho.
25Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
26Aniž po stupních vstupovati budeš k oltáři mému, aby hanba tvá u něho odkryta nebyla.
26Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.