1Mojžíšovi pak řekl: Vstup k Hospodinu ty a Aron, Nádab a Abiu, a sedmdesáte z starších Izraelských, a klaněti se budete zdaleka.
1[Ny namonoana fanatitra hanamafiana ny fanekena, sy ny nahitan'i Mosesy mbamin'ny loholon'ny Isiraely an'Andriamanitra] Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
2Sám pak toliko Mojžíš vstoupí k Hospodinu, ale oni se nepřiblíží; aniž lid vstoupí s ním.
2nefa Mosesy ihany no hanakaiky an'i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
3Tedy přišel Mojžíš, a vypravoval lidu všecka slova Hospodinova a všecky soudy. I odpověděl všecken lid jedním hlasem, a řekli: Všecka slova, kteráž mluvil Hospodin, učiníme.
3Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehovah dia hataonay.
4Napsal pak Mojžíš všecka slova Hospodinova, a vstav ráno, vzdělal oltář pod horou, a dvanácte sloupů podlé počtu dvanáctera pokolení Izraelského.
4Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo.
5A poslal mládence z synů Izraelských, kteříž obětovali zápaly; a obětovali oběti pokojné Hospodinu, totiž voly.
5Ary ny zatovo amin'ny Zanak'Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr'ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah.
6I vzav Mojžíš polovici krve, vlil do medenic, a polovici druhou vylil na oltář.
6Ary nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin'ny alitara.
7Vzav také knihu smlouvy, četl v uších lidu. Kteříž řekli: Cožkoli mluvil Hospodin, činiti a poslouchati budeme.
7Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
8Vzal také Mojžíš krev a pokropil lidu a řekl: Aj, krev smlouvy, kterouž učinil s vámi Hospodin při všech těchto věcech.
8Ary nalain'i Mosesy ny rà ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.
9Potom vstoupili Mojžíš a Aron, Nádab a Abiu a sedmdesáte z starších Izraelských,
9Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny Isiraely.
10A viděli Boha Izraelského. A pod nohami jeho bylo jako dílo z kamene zafirového, a jako nebe, když jest jasné.
10Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany.
11Na knížata pak synů Izraelských nevztáhl ruky své, ačkoli viděli Boha, a potom jedli i pili.
11Ary tsy naninjitra ny tànany tamin'ireo lehiben'ny Zanak'Isiraely Izy; dia nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
12I řekl Hospodin Mojžíšovi: Vstup ke mně na horu a buď tam; a dám tobě tabule kamenné, zákon i přikázaní, kteráž jsem napsal, abys je učil.
12Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
13Tedy vstal Mojžíš a Jozue služebník jeho; i vstoupil Mojžíš na horu Boží.
13Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr'Andriamanitra.
14Starším pak řekl: Zůstaňte tuto, dokudž se nenavrátíme k vám. A teď Aron a Hur jsou s vámi, kdož by měl rozepři, k nim ať jde.
14Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy.
15Tedy vstoupil Mojžíš na horu, a přikryl oblak horu.
15Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
16I přebývala sláva Hospodinova na hoře Sinai, a přikryl ji oblak za šest dní; a dne sedmého zavolal na Mojžíše z prostřed oblaku.
16Ary ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito teo afovoan'ny rahona Izy.
17A tvárnost slávy Hospodinovy byla jako spalující oheň na vrchu hory, před očima synů Izraelských.
17Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
18I všel Mojžíš do prostřed oblaku a vstoupil na horu. A byl Mojžíš na hoře čtyřidceti dní a čtyřidceti nocí.
18Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.