Czech BKR

Malagasy

Exodus

28

1Ty pak přijmi k sobě Arona bratra svého s syny jeho z prostředku synů Izraelských, aby úřad kněžský konali přede mnou: Aron, Nádab, Abiu, Eleazar a Itamar, synové Aronovi.
1[Ny amin'ny hanendrena ny mpisorona, sy izay ho fomban'ny fitafiany] Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
2A uděláš roucha svatá Aronovi bratru svému k slávě a k ozdobě.
2Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
3Ty také mluviti budeš se všechněmi umělými řemeslníky, kteréž jsem naplnil duchem moudrosti, aby dělali roucha Aronovi ku posvěcení jeho, v nichž by úřad kněžský konal přede mnou.
3Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
4Tato pak jsou roucha, kteráž udělají, náprsník, náramenník, plášť a sukni s oky, čepici a pás. Takové šaty svaté udělají Aronovi bratru tvému a synům jeho, aby úřad kněžský konali přede mnou.
4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
5A vezmou řemeslníci zlato a modrý postavec, a šarlat a červec dvakrát barvený a kment.
5Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
6Udělají pak náramenník z zlata, z postavce modrého a šarlatu, z červce dvakrát barveného a hedbáví bílého, přesukovaného dílem řemeslným.
6Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.
7Dva vrchní kraje spojená míti bude na dvou koncích svých, a tak se spolu držeti bude.
7Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.
8Přepásaní pak přes ten náramenník, kteréž na něm bude, podobné bude dílu jeho; z týchž věcí bude, totiž z zlata, z postavce modrého a z šarlatu, a z červce dvakrát barveného, a z hedbáví bílého přesukovaného.
8Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9Vezmeš také dva kameny onychinové, a vyryješ na nich jména synů Izraelských.
9Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'Isiraely:
10Šest jmen jejich na kameni jednom, a jmen šest ostatních na kameni druhém, podlé pořádku narození jejich.
10ny anarany enina amin'ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny fizokiany;
11Dílem řemeslníka, kterýž řeže na kameni, a kterýž vyrývá pečeti, vyryješ na těch dvou kameních jména synů Izraelských; do zlata je vsadíš.
11amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
12A položíš dva kameny ty na vrchních krajích náramenníku, kameny pro pamět na syny Izraelské; a nositi bude Aron jména jejich před Hospodinem na obou ramenách svých na památku.
12Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
13Uděláš i haklíky zlaté.
13Ary manaova randram-bolamena
14A dva řetízky z zlata čistého jednostejně uděláš dílem točeným, a zavěsíš řetízky ty stočené na ty haklíky.
14sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
15Uděláš také náprsník soudu dílem řemeslným, takovým dílem, jako náramenník uděláš jej z zlata, z postavce modrého, z šarlatu, z červce dvakrát barveného, a z bílého hedbáví přesukovaného.
15Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
16Čtverhraný bude a dvojnásobní; pídi dlouhost, a pídi širokost jeho bude.
16Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
17A vysadíš jej všudy kamením drahým. Čtyřmi řady ať jest kamení, pořádkem tímto: Sardius, topazius a smaragdus v prvním řadu;
17Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
18V druhém pak zpořádaní karbunkulus, zafir a jaspis;
18ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
19A v řadu třetím linkurius, achates a ametyst;
19ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
20V čtvrtém řadu chryzolit, onychin a beryl. Vsazeni budou do zlata v svém pořádku.
20ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
21Těch pak kamenů s jmény synů Izraelských bude dvanácte, podlé jmen jejich, dílem řežících pečeti; jeden každý podlé jména svého, pro dvanáctero pokolení budou.
21Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
22Uděláš i k náprsníku řetízky jednostejné dílem točeným z zlata čistého.
22Ary eo amin'ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
23Uděláš také k náprsníku dva kroužky zlaté, a dáš je na dva kraje náprsníka.
23Ary manaova vava volamena roa ho eo amin'ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
24A prostrčíš dva řetízky zlaté skrze dva kroužky po krajích náprsníka.
24Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
25A druhé konce těch dvou řetízků připneš k haklíkům, a dáš na vrchní kraje náramenníka po předu.
25Ary ny lanin'ny tady roa dia ataovy eo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
26Uděláš i dva kroužky zlaté, kteréž dáš na dva kraje náprsníka, na tu obrubu jeho, kteráž jest po té straně k náramenníku do vnitřku.
26Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
27Uděláš ještě dva jiné kroužky zlaté, kteréž dáš na dvě strany náramenníka zespod po předu naproti spojení jeho, svrchu nad přepásaním náramenníka.
27Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
28Tak svíží náprsník ten, kroužky jeho s kroužky náramenníka, tkanicí z postavce modrého, aby byl nad přepásaním náramenníka, a neodevstával náprsník od náramenníka.
28Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
29I bude nositi Aron jména synů Izraelských na náprsníku soudu na srdci svém, když vcházeti bude do svatyně, na památku před Hospodinem ustavičně.
29Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
30Položíš pak do náprsníku soudu urim a thumim, aby bylo na srdci Aronově, když vcházeti bude před Hospodina; a nositi bude Aron soud synů Izraelských na srdci svém před Hospodinem vždycky.
30Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
31Uděláš také plášť pod náramenník, všecken z postavce modrého.
31Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
32A bude na vrchu v prostřed něho díra; okolek její všudy vůkol dílem tkaným, jako obojek u pancíře bude, aby se neroztrhl.
32Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
33Uděláš i na podolku jeho jablka zrnatá z hedbáví modrého, z šarlatu a z červce dvakrát barveného, na podolku jeho vůkol, a zvonečky zlaté mezi nimi vůkol.
33Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
34Zvonček zlatý a jablko zrnaté, opět za tím zvonček zlatý a jablko zrnaté na podolku pláště vůkol.
34dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
35A bude to míti na sobě Aron při službách, aby slyšán byl zvuk jeho, když vcházeti bude do svatyně před Hospodina, i když vycházeti bude, aby neumřel.
35Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
36Uděláš také plech z zlata čistého, a vyryješ na něm dílem vyrývajících pečeti: Svatost Hospodinu.
36Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
37Kterýž dáš na tkanici z modrého postavce, a bude na čepici; napřed na čepici bude.
37Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.
38I bude nad čelem Aronovým, aby nesl Aron nepravosti posvěcených věcí, kterýchž by posvětili synové Izraelští při všech dařích posvěcených věcí svých; a bude nad čelem jeho vždycky, aby příjemné je činil před Hospodinem.
38Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
39Uděláš také sukni z hedbáví bílého vázanou s oky; uděláš i čepici z hedbáví bílého; pás také uděláš dílem krumpéřským.
39Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
40Synům také Aronovým zděláš sukně; pasy také jim uděláš a klobouky k slávě a k ozdobě.
40Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
41A oblečeš v ně Arona bratra svého a syny jeho s ním, a pomažeš jich, a naplníš ruce jejich, a posvětíš mi jich, aby úřad kněžský konali přede mnou.
41Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
42Nadělej jim i košilek lněných k zakrytí nahoty těla; od bedr až do stehen budou.
42Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.
43A ať je na sobě mají Aron i synové, když vcházeti budou do stánku úmluvy, aneb když přistupovati budou k oltáři, aby sloužili v svatyni; a neponesou nepravosti, aniž zemrou. Řád tento bude věčný jemu i potomkům jeho po něm.
43Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.