1Potom mluvil Hospodin k Mojžíšovi, řka:
1[Ny nananganana ny tabernakely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2V den měsíce prvního, prvního dne téhož měsíce vyzdvihneš příbytek, stánek úmluvy.
2Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
3A postavíš tam truhlu svědectví a zastřeš ji oponou.
3Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
4Vneseš i stůl a zřídíš řád jeho, vneseš také svícen a rozsvítíš lampy jeho.
4Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
5Postavíš též oltář zlatý pro kadění naproti truhle svědectví, a zavěsíš zastření ve dveřích příbytku.
5Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
6Potom postavíš oltář k zápalům přede dveřmi příbytku stánku úmluvy.
6Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
7Postavíš také umyvadlo mezi stánkem úmluvy a mezi oltářem, do něhož naleješ vody.
7Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
8Naposledy vyzdvihneš síň vůkol a zavěsíš zastření brány síně.
8Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.
9Tedy vezmeš olej pomazání a pomažeš příbytku a všech věcí, kteréž v něm jsou, a posvětíš ho i všech nádob jeho, a bude svatý.
9Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.
10Pomažeš i oltáře zápalu a všech nádob jeho a posvětíš oltáře, a budeť oltář svatý.
10Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.
11Pomažeš také umyvadla a podstavku jeho, a posvětíš ho.
11Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
12A přistoupiti kážeš Aronovi i synům jeho ke dveřím stánku svědectví, a umyješ je vodou.
12Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.
13A oblečeš Arona v roucha svatá a pomažeš ho a posvětíš ho, aby úřad kněžský konal přede mnou.
13Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
14Synům také jeho přistoupiti kážeš, a zobláčíš je v sukně.
14Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
15A pomažeš jich, tak jako jsi pomazal otce jejich, aby úřad kněžský konali přede mnou, aby jim bylo pomazání jejich toto k kněžství věčnému po rodech jejich.
15Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
16I učinil Mojžíš tak. Všecko, jakž mu rozkázal Hospodin, tak učinil.
16Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
17I stalo se měsíce prvního léta druhého, prvního dne měsíce, že vyzdvižen jest příbytek.
17Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
18Mojžíš tedy vyzdvihl příbytek a podložil podstavky jeho a postavil dsky jeho, a provlékl svlaky jeho, a vyzdvihl sloupy jeho.
18Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
19Potom postavil stánek v příbytku a dal přikrytí stánku svrchu na něj, jakož mu byl přikázal Hospodin.
19Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
20A vzav svědectví, vložil je do truhly, uvlékl také sochory k truhle a dal slitovnici svrchu na truhlu.
20Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.
21I vnesl truhlu do příbytku a zavěsil oponu zastření, a zastřel truhlu svědectví, jakož byl přikázal Hospodin Mojžíšovi.
21Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22Postavil i stůl v stánku úmluvy k straně příbytku půlnoční, vně před oponou.
22Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.
23A zřídil na něm zpořádaní chlebů před Hospodinem, jakž přikázal Hospodin Mojžíšovi.
23Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
24A postavil svícen v stánku úmluvy naproti stolu, v straně příbytku ku poledni.
24Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.
25A rozsvítil lampy před Hospodinem, jakož přikázal Hospodin Mojžíšovi.
25Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
26Postavil také oltář zlatý v stánku úmluvy před oponou,
26Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;
27A kadil na něm kadidlem vonným, jakž přikázal Hospodin Mojžíšovi.
27ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
28Zavěsil také zastření dveří příbytku.
28Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;
29A oltář zápalu postavil ke dveřům příbytku stánku úmluvy, a obětoval na něm oběti zápalné a suché, jakož přikázal Hospodin Mojžíšovi.
29ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
30A postavil umyvadlo mezi stánkem úmluvy a mezi oltářem, do něhož nalil vody k umývání.
30Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
31A umýval z něho Mojžíš, Aron a synové jeho ruce své i nohy své.
31Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
32Když vcházeli do stánku úmluvy, a když přistupovali k oltáři, umývali se, jakož přikázal Hospodin Mojžíšovi.
32Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33Naposledy vyzdvihl síň vůkol příbytku a oltáře, a zavěsil zastření brány síně. A tak dokonal Mojžíš dílo to.
33Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.
34Tedy přikryl oblak stánek úmluvy, a sláva Hospodinova naplnila příbytek.
34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
35A nemohl Mojžíš vjíti do stánku úmluvy; nebo byl nad ním oblak, a sláva Hospodinova naplnila příbytek.
35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
36Když pak odnášel se oblak s příbytku, brali se synové Izraelští po všech taženích svých.
36Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;
37Pakli se neodnášel oblak, nehýbali se až do dne, v němž se zdvihl.
37fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.
38A byl oblak Hospodinův nad příbytkem ve dne, a oheň býval v noci na něm, před očima všeho domu Izraelského ve všech taženích jejich.
38Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.