Czech BKR

Malagasy

Exodus

7

1I řekl Hospodin Mojžíšovi: Aj, ustanovil jsem tě za Boha Faraonovi; Aron pak bratr tvůj bude prorokem tvým.
1Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
2Ty mluviti budeš všecko, což tobě přikáži; Aron pak bratr tvůj mluviti bude k Faraonovi, aby propustil syny Izraelské z země své.
2Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao, mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,
3Ale jáť zatvrdím srdce Faraonovo, a množiti budu znamení svá a zázraky své v zemi Egyptské.
3Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
4Aniž poslechne vás Farao. I vzložím ruku svou na Egypt, a vyvedu vojska svá, lid svůj, syny Izraelské, z země Egyptské skrze soudy veliké.
4Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
5I zvědíť Egyptští, že já jsem Hospodin, když vztáhnu ruku svou na Egypt; a vyvedu syny Izraelské z prostředku jich.
5Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin'i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any.
6Tedy učinil Mojžíš a Aron tak; jakž přikázal jim Hospodin, tak učinili.
6Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no natao­ny.
7A byl Mojžíš v osmdesáti, Aron pak v osmdesáti a třech letech, když mluvili s Faraonem.
7Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin'i Farao izy mirahalahy.
8I řekl Hospodin Mojžíšovi a Aronovi takto:
8Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
9Když mluviti k vám bude Farao, řka: Ukažte od sebe zázrak, tedy díš Aronovi: Vezmi hůl svou, a povrz před Faraonem, i obrátí se v hada.
9Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho tonga menarana iny.
10Tedy všel Mojžíš s Aronem k Faraonovi, a učinili tak, jakž přikázal Hospodin; a povrhl Aron hůl svou před Faraonem i před služebníky jeho, a obrácena jest v hada.
10Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.
11Povolal pak také Farao mudrců a čarodějníků; a učinili i ti čarodějníci Egyptští skrze čáry své tolikéž.
11Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.
12Nebo povrhl každý z nich hůl svou, a obráceny jsou v hady; ale požřela hůl Aronova hole jejich.
12Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.
13I posililo se srdce Faraonovo, a neuposlechl jich, tak jakž byl mluvil Hospodin.
13Dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
14Protož řekl Hospodin Mojžíšovi: Obtížilo se srdce Faraonovo; nechce propustiti lidu toho.
14[Ny loza folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano tonga rà] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
15Jdi k Faraonovi ráno, aj, půjde ven k vodě, a stůj naproti němu při břehu řeky; a hůl, kteráž obrácena byla v hada, vezmeš do ruky své.
15Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao),
16A díš mu: Hospodin Bůh Hebrejský poslal mne k tobě, aťbych řekl: Propusť lid můj, aby sloužili mi na poušti; a aj, neuposlechls až dosavad.
16dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.
17Protož takto praví Hospodin: Po tomto poznáš, že já jsem Hospodin: Aj, já udeřím holí, kteráž jest v ruce mé, na vody, kteréž jsou v řece, a obráceny budou v krev.
17Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.
18A ryby, kteréž jsou v řece, pomrou; i nasmradí se řeka, a ustávati budou Egyptští, hledajíce vody, kterouž by pili z řeky.
18Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao.
19Protož řekl Hospodin Mojžíšovi: Rci Aronovi: Vezmi hůl svou, a vztáhni ruku svou na vody Egyptské, na řeky jejich, na potoky jejich, i na jezera jejich, a na všecka shromáždění vod jejich, aby se obrátily v krev; i bude krev po vší zemi Egyptské, tak v nádobách dřevěných, jako kamenných.
19Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato.
20Tedy učinili tak Mojžíš a Aron, jakž byl přikázal Hospodin; a zdvihna hůl, udeřil v vodu, kteráž byla v řece, před očima Faraonovýma a před očima služebníků jeho; i obráceny jsou všecky vody, kteréž byly v řece, v krev.
20Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;
21Ryby pak, kteréž byly v řece, pomřely, a nasmradila se řeka, tak že nemohli Egyptští píti vody z řeky; a byla krev po vší zemi Egyptské.
21koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.
22To též učinili i čarodějníci Egyptští skrze čáry své. I zsililo se srdce Faraonovo, aby neuposlechl jich, tak jakž byl mluvil Hospodin.
22Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
23A odvrátiv se Farao, přišel do domu svého; a ani k tomu nepřiložil srdce svého.
23Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
24Kopali pak všickni Egyptští vůkol řeky, hledajíce vody ku pití; nebo nemohli píti vody z řeky.
24Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.
25A vyplnilo se dní sedm, jakž ranil Hospodin řeku.
25Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.
26[Faharoa: ny sahona] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
27Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny sahona;
28dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia fanaova-mofonao.Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.
29Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.