1Opět stalo se slovo Hospodinovo ke mně, řkoucí:
1[Ny famalian'Andriamanitra ny olona araka ny asany avy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Což jest vám, že užíváte přísloví tohoto o zemi Izraelské, říkajíce: Otcové jedli hrozen trpký, a zubové synů laskominy mají?
2Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin'ny tanin'ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo?
3Živť jsem já, praví Panovník Hospodin, že nebudete moci více užívati přísloví tohoto v Izraeli.
3Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin'ny Isiraely intsony.
4Aj, všecky duše mé jsou, jakož duše otcova, tak i duše synova mé jsou. Duše, kteráž hřeší, ta umře.
4Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
5Nebo byl-li by někdo spravedlivý, a činil by soud a spravedlnost;
5Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
6Na horách by nejídal, a očí svých nepozdvihoval k ukydaným bohům domu Izraelského, a manželky bližního svého by nepoškvrnil, a k ženě pro nečistotu oddělené nepřistoupil;
6fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolana,
7Kterýž by žádného neutiskal, základ dlužníku svému by navracoval, cizího mocí nebral, chleba svého by lačnému udílel, a nahého přiodíval rouchem;
7na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
8Na lichvu by nedával, a úroku nebral, od nepravosti ruku svou by odvracoval, soud pravý mezi jedním i druhým by činil;
8tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin'ny miady,
9V ustanoveních mých by chodil, a soudů mých ostříhal, čině, což pravého jest: spravedlivý ten jistě žeť živ bude, praví Panovník Hospodin.
9ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
10Zplodil-li by pak syna lotra, prolevače krve, kterýž by čímkoli z těch věcí škodil bratru,
10Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin'ireo zavatra ireo aza iny
11Onoho pak všeho nečinil by, anobrž i na horách by jídal, a ženy bližního svého by poškvrnil;
11(nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin'ny namany,
12Chudého a nuzného by utiskl, cizí věci mocí vzal, základu by nenavrátil, a k ukydaným bohům očí svých by pozdvihoval, ohavnost provodil,
12na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
13Na lichvu by dával, a úrok bral: zdaž bude živ? Nebude živ. Poněvadž všecky ohavnosti tyto činil, jistotně umře, krev jeho přijde na něj.
13na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
14A aj, zplodil-li by syna, kterýž by spatřil všecky hříchy otce svého, kteréž činil, a vida, nečinil by tak;
14Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
15Na horách by nejídal, a očí svých nepozdvihoval k ukydaným bohům domu Izraelského, manželky bližního svého by nepoškvrnil,
15ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
16A aniž by koho utiskal, základu by nezadržoval, cizího mocí nebral, chleba svého lačnému by udílel, a nahého rouchem by přiodíl;
16na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
17Od chudého by zdržel ruku svou, lichvy a úroku by nebral, soudy mé činil, v ustanoveních mých by chodil: tenť neumře pro nepravost otce svého, jistě živ bude.
17miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
18Otec pak jeho, proto že se bezpráví dopouštěl, cizí věci bratru mocí bral, a to, což není dobré, činil u prostřed lidu svého: protož aj, umře pro nepravost svou.
18Ny amin'ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin'ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
19Ale říkáte: Jak by to bylo? Zdaž nenese syn nepravosti otcovy? Když syn činí soud a spravedlnost, všech ustanovení mých ostříhá a činí je, jistě žeť živ bude.
19Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
20Duše, kteráž hřeší, ta umře. Syn neponese nepravosti otcovy, aniž otec ponese nepravosti synovy; spravedlnost spravedlivého při něm zůstane, též bezbožnost bezbožného na něj připadne.
20Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
21Pakli byse bezbožný odvrátil ode všech hříchu svých, kteréž činil, a ostříhal by všech ustanovení mých, a činil by soud a spravedlnost, jistě živ bude a neumře.
21Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
22Žádná přestoupení jeho, jichž se dopustil, nebudou jemu připomínána; v spravedlnosti své, kterouž by činil, živ bude.
22Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
23Zdaliž jakou líbost mám, když umírá bezbožný? dí Panovník Hospodin. Zdali ne raději když se odvrací od cest svých, aby živ byl?
23Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ?
24Pakli by se odvrátil spravedlivý od spravedlnosti své, a činil by nepravost, čině podlé všech ohavností, kteréž činí bezbožný, takový-liž by živ byl? Na žádné spravedlnosti jeho, kteréž činil, nebude pamatováno. Pro přestoupení své, jehož se dopouštěl, a pro hřích svůj, kterýž páchal, pro tyť věci umře.
24Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
25Že pak říkáte: Není pravá cesta Páně, poslyštež nyní, ó dome Izraelský: Zdali má cesta není pravá? Zdali nejsou cesty vaše nepravé?
25Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?[Heb. lalana]
26Když by se odvrátil spravedlivý od spravedlnosti své, a čině nepravost, v tom by umřel, pro nepravost svou, kterouž činil, umře.
26Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27A když by se odvrátil bezbožný od bezbožnosti své, kterouž činil, a činil by soud a spravedlnost, tenť duši svou zachová při životu.
27Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
28Nebo prohlédl, a odvrátil, se ode všech přestoupení svých, jichž se dopouštěl; jistě žeť živ bude a neumře.
28Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
29A však vždy říká dům Izraelský: Není pravá cesta Páně. Zdali mé cesty nepravé jsou, ó dome Izraelský? Zdaliž nejsou cesty vaše nepravé?
29Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?[Heb. lalana]
30A protož každého z vás podlé cest jeho souditi budu, ó dome Izraelský, dí Panovník Hospodin. Navraťtež se a odvraťte ode všech přestoupení svých, aby vám nebyla k úrazu nepravost.
30Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
31Odvrzte od sebe všecka přestoupení vaše, jichž jste se dopouštěli, a učiňte sobě srdce nové a ducha nového. I pročež mřete, ó dome Izraelský?
31Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.
32Však nemám líbosti v smrti toho, jenž umírá, dí Panovník Hospodin. Obraťte se tedy, a živi buďte.
32Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.