1Když pak ujmete zemi v dědictví, obětovati budete obět Hospodinu, díl svatý té země, zdélí pětmecítma tisíc loket, zšíří pak deset tisíc, a budeť svatý po všem pomezí svém vůkol.
1[Ny amin'ny tany homena ho an'ny tempoly sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpanjaka, ary ny amin'ny zavatra haloa ho an'ny mpanjaka hanaovany fanatitra] Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
2Z něhož bude místo svaté pět set zdélí, a pět set zšíří, čtyřhrané vůkol, a ať má padesáte loket prostranství vůkol.
2Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
3Z toho pak odměření odměříš dýlku pětmecítma tisíc loket, a šířku deset tisíc, aby na něm byla svatyně, i svatyně svatých.
3Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao amin'io ny fitoerana masina, dia ny masina indrindra.[Na: Ary amin'izany voarefy izany dia mbola hisy horefesinao koa, dia]
4Díl ten země svatý jest. Kněží služebníků při svatyni býti má, těch, kteříž přistupují, aby přisluhovali Hospodinu, aby měli místo pro domy i místo svaté pro svatyni.
4Ho anjara masina amin'ny tany izany ka ho an'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
5Těch pak pětmecítma tisíc loket dýlka a deset tisíc šířka ať jest také Levítům, služebníkům domu, jim k držení dvadceti komůrek.
5Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an'ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
6Místo pak k vystavení na něm města oddělíte pět tisíc loket na šíř, a na dýl pětmecítma tisíc, naproti oběti místa svatého; bude pro všecken dům Izraelský.
6Ary homenareo koa ny zara-tany ho an'ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana; ho an'ny taranak'Isiraely rehetra izany.
7Knížeti pak s obou stran té oběti místa svatého, i položení města před oběti místa svatého, a před položením města od strany západní díl k západu, a po straně východní díl k východu, dlouhost pak naproti každému z těch dílů od pomezí západního ku pomezí východnímu.
7Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany ho an'ny tanàna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanàna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na amin'ny atsinanana.[Heb. lavany]
8To bude míti za vládařství v Izraeli, a nebudou více utiskati knížata má lidu mého, ale rozdadí zemi domu Izraelskému po pokoleních jejich.
8Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin'ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an'ny taranak'Isiraely isam-pireneny.[Heb. mpanjakako]
9Takto praví Panovník Hospodin: Dostitě již, ó knížata Izraelská, nátisk a zhoubu odložte, a soud a spravedlnost konejte, sejměte těžké roboty vaše s lidu mého, praví Panovník Hospodin.
9Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
10Váhu spravedlivou a efi spravedlivou i bát spravedlivý míti budete.
10Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
11Efi i bát v jednu míru ať jest, aby chomer bral v se deset bátů, efi pak desátý díl chomeru; podlé chomeru ať jest míra.
11Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
12Lot dvadceti peněz; dvadceti lotů, pětmecítma lotů, a patnácte lotů libra bude vám.
12Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no ho manenareo.
13Tato pak obět pozdvižení bude, kterouž obětovati budete: Šestý díl efi z chomeru pšenice, též šestý díl efi dáte z chomeru ječmene.
13Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary hordea;
14Nařízení pak o oleji (bát jest míra oleje): Desátý díl bátu z míry chomeru, desíti bátů; nebo deset bátů jest chomer.
14ary ny didy ny amin'ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon'ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
15A dobytče jedno ze dvou set bravů z dobrých pastvišť Izraelských, k oběti suché a zápalné a k obětem pokojným, k očištění vás, praví Panovník Hospodin.
15Ary ondry iray isan-droanjato amin'ny tanin'ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
16Všecken lid té země, i s knížetem Izraelským zavázán bude k té oběti zhůru pozdvižení.
16Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely.
17Nebo kníže povinen bude zápaly, a suché i mokré oběti, v svátky a na novměsíce, i v soboty, na všecky slavnosti domu Izraelského; on obětovati bude za hřích, i obět suchou i zápalnou, i oběti pokojné, aby se očištění dálo za dům Izraelský.
17Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny taranak'Isiraeb.
18Takto praví Panovník Hospodin: Prvního měsíce, prvního dne vezmeš volka mladého bez poškvrny, kterýmž očistíš svatyni.
18[Ny amin'ny andro firavoravoana sy ny fanatitra isan'andro] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masina.[Heb. hanafaka ota]
19I nabéře kněz krve té oběti za hřích, a pomaže veřejí domu, a čtyř rohů toho přepásání na oltáři, i veřeje brány síně vnitřní.
19Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.
20Takž také učiní sedmého dne téhož měsíce, za každého pobloudilého i za hloupého. Tak očistíte dům.
20Ary toy izany koa no hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.
21Prvního měsíce, čtrnáctého dne, budete míti Fáze, svátek sedmi dnů, chlebové přesní jísti se budou.
21Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
22A bude obětovati kníže v ten den za sebe i za všecken lid té země volka za hřích.
22Ary amin'izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
23A po sedm dní svátku obětovati bude zápal Hospodinu, sedm volků a sedm skopců bez poškvrny na den, po těch sedm dní, a za hřích kozla na den.
23Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.
24A obět suchou, efi na volka a efi na skopce, připraví též oleje hin na efi.
24Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny hina isan-efaha.Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
25Sedmého měsíce, patnáctého dne, v svátek tolikéž obětovati bude po sedm dní, jakož za hřích, tak zápal, tak obět suchou i olej.
25Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.