1Když se pak Ezdráš, padna před domem Božím, tak modlil a vyznával s pláčem, sešel se k němu z lidu Izraelského zástup velmi veliký mužů i žen i dětí. A když plakal lid pláčem velikým,
1Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
2Tedy mluvil Sechaniáš syn Jechielův z synů Elamových, a řekl Ezdrášovi: Myť jsme zhřešili proti Bohu svému, že jsme pojímali ženy cizozemky z národů zemí, a však vždy Izrael může míti naději při té věci.
2Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany.
3Nyní tedy vejděme v smlouvu s Bohem svým, zapudíce všecky ženy i syny jejich podlé rady Páně a těch, jenž se třesou před přikázaním Boha našeho, a tak podlé zákona ať se stane.
3Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4Vstaň, nebo na tobě jest ta věc, a my budeme při tobě. Posilň se a učiň tak.
4Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
5I vstal Ezdráš a zavázal přísahou přednější kněží a Levíty a všecken lid Izraelský, aby tak učinili. I přisáhli.
5Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
6A vstav Ezdráš od domu Božího, odšel do pokojíka Jochananova, syna Eliasibova, i všel tam, a nejedl chleba, ani vody nepil; nebo zámutek měl pro přestoupení těch, jenž se přestěhovali.
6Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.
7Zatím dali provolati v Judstvu a v Jeruzalémě všechněm přestěhovaným, aby se shromáždili do Jeruzaléma,
7Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
8Kdo by pak koli nepřišel ve třech dnech, podlé rady knížat a starších, aby všecken statek svůj propadl, a sám odloučen byl od shromáždění přestěhovaných.
8ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.[Heb. hatao herema]
9A protož shromáždili se všickni muži Judští i Beniamin do Jeruzaléma ke dni třetímu, dvadcátého dne měsíce, (a ten měsíc byl devátý). I seděl všecken lid na ulici domu Božího, třesouce se pro tu věc i pro déšť.
9Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10Tedy vyvstal Ezdráš kněz a řekl k nim: Vy jste zhřešili, že jste pojímali ženy cizozemky, abyste přidali k provinění lidu Izraelského.
10Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny Isiraely.
11Protož již vyznejte se Hospodinu Bohu otců svých, a čiňte vůli jeho, a oddělte se od národů cizích, i od žen cizozemek.
11Koa mitsora amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin'ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
12I odpovědělo všecko to shromáždění, a řekli hlasem velikým: Podlé slova tvého povinni jsme tak učiniti.
12Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
13Ale lidu mnoho jest, a prška, a nemůžeme vně státi. K tomu není ta práce jednoho dne ani dvou, nebo mnoho jest nás, kteříž jsme v tom přestoupili.
13nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany;
14Nechť jsou postavena, prosíme, knížata naše ze všeho shromáždění, a kdož koli jest v městech našich, kterýž pojal ženy cizozemky, ať přijde v čas uložený, a s nimi starší z jednoho každého města i soudcové jejich, až bychom tak odvrátili hněv prchlivosti Boha našeho od sebe pro tu věc.
14koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.
15Takž Jonatan syn Azahelův, a Jachziáš syn Tekue, postaveni byli nad tím, Mesullam pak a Sabbetai, Levítové, pomáhali jim.
15Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
16Tedy učinili tak při těch, jenž přestěhováni byli. I odděleni jsou Ezdráš kněz a muži přední čeledí otcovských po domích otců svých, všickni ti ze jména, a zasedli prvního dne měsíce desátého, aby to vyhledali.
16Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.
17Což i konali při všech mužích, kteříž byli pojali ženy cizozemky, až do prvního dne prvního měsíce.
17Ary nony tonga ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18Našli se pak z synů kněžských, jenž zpojímali ženy cizozemky tito: Z synů Jesua syna Jozadakova, a z bratří jeho: Maaseiáš, Eliezer, Jarib a Gedaliáš.
18Ary ny hita teo amin'ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
19Ale povolili, aby zapudili ženy své. A ti, kteříž provinili, obětovali skopce z stáda za vinu svou.
19dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
20A z synů Immer: Chanani a Zebadiáš.
20Ary ny avy tamin'ny taranak'Imera dia Hanany sy Zebedia;
21Z synů Charim: Maaseiáš, Eliah, Semaiáš, Jechiel a Uziáš.
21ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
22Z synů Paschur: Elioenai, Maaseiáš, Izmael, Natanael, Jozabad a Elasa.
22ary ny avy tamin'ny taranak'i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
23A z Levítů: Jozabad, Simei, Kelaiáš, (jenž jest Kelita), Petachiáš, Juda a Eliezer.
23Ary ny avy tamin'ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
24Z zpěváků pak Eliasib, a z vrátných Sallum, Telem a Uri.
24ary ny avy tamin'ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
25A z lidu Izraelského, z synů Faresových: Ramiáš, Jeziáš, Malkiáš, Miamin, Eleazar, Malkiáš a Benaiáš.
25Ary ny avy tamin'ny Isiraely koa: ny avy tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
26Z synů Elamových: Mataniáš, Zachariáš, Jechiel, Abdi, Jeremot a Eliah.
26ary ny avy tamin'ny taranak'i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
27Z synů Zattu: Elioenai, Eliasib, Mataniáš, Jeremot, Zabad, a Aziza.
27ary ny avy tamin'ny taranak'i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
28Též z synů Bebai: Jochanan, Chananiáš, Zabbai, Atlai.
28ary ny avy tamin'ny taranak'i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
29Z synů Báni: Mesullam, Malluch, Adaiáš, Jasub, Seal, Jeramot.
29ary ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
30Z synů Pachat Moábových: Adna a Chélal, Benaiáš, Maaseiáš, Mataniáš, Bezaleel, Binnui a Manasse.
30ary ny avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
31Z synů Charimových: Eliezer, Isiáš, Malkiáš, Semaiáš, Simeon,
31ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
32Beniamin, Malluch, Semariáš.
32sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
33Z synů Chasumových: Mattenai, Mattata, Zabad, Elifelet, Jeremai, Manasses, Simei.
33ny avy tamin'ny taranak'i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
34Z synů Báni: Maadai, Amram, Uel,
34ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
35Benaiáš, Bediáš, Keluhu,
35sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
36Vaniáš, Meremot, Eliasib,
36sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
37Mattaniáš, Mattenai, Jaasav,
37sy Matania sy Matenay sy Jasao
38Báni, Binnui, Simei,
38sy Bany sy Binoy sy Simey
39Selemiáš, Nátan a Adaiáš,
39sy Selemia sy Natana sy Adaia
40Machnadbai, Sasai, Sarai,
40sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
41Azarel, Selemiáš, Semariáš,
41sy Azarela sy Selemia sy Semaria
42Sallum, Amariáš a Jozef.
42sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
43Z synů Nébových: Jehiel, Mattitiáš, Zabad, Zebina, Jaddav, Joel a Benaiáš.
43ny avy tamin'ny taranak'i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny
44Ti všickni pojali byli ženy cizozemky, a byly z těch žen některé, že i děti zplodily.
44Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny