Czech BKR

Malagasy

Genesis

1

1Na počátku stvořil Bůh nebe a zemi.
1[Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2Země pak byla nesličná a pustá, a tma byla nad propastí, a Duch Boží vznášel se nad vodami.
2Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
3I řekl Bůh: Buď světlo! I bylo světlo.
3Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4A viděl Bůh světlo, že bylo dobré; i oddělil Bůh světlo od tmy.
4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5A nazval Bůh světlo dnem, a tmu nazval nocí. I byl večer a bylo jitro, den první.
5Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
6Řekl také Bůh: Buď obloha u prostřed vod, a děl vody od vod!
6Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy.
7I učinil Bůh tu oblohu, a oddělil vody, kteréž jsou pod oblohou, od vod, kteréž jsou nad oblohou. A stalo se tak.
7Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
8I nazval Bůh oblohu nebem. I byl večer a bylo jitro, den druhý.
8Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
9Řekl také Bůh: Shromažďte se vody, kteréž jsou pod nebem, v místo jedno, a ukaž se místo suché! A stalo se tak.
9Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
10I nazval Bůh místo suché zemí, shromáždění pak vod nazval mořem. A viděl Bůh, že to bylo dobré.
10Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
11Potom řekl Bůh: Zploď země trávu, a bylinu vydávající símě, a strom plodný, nesoucí ovoce podlé pokolení svého, v němž by bylo símě jeho na zemi. A stalo se tak.
11Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
12Nebo země vydala trávu, a bylinu nesoucí semeno podlé pokolení svého, i strom přinášející ovoce, v němž bylo símě jeho, podlé pokolení jeho. A viděl Bůh, že to bylo dobré.
12Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
13I byl večer a bylo jitro, den třetí.
13Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
14Opět řekl Bůh: Buďte světla na obloze nebeské, aby oddělovala den od noci, a byla na znamení a rozměření časů, dnů a let.
14Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
15A aby svítila na obloze nebeské, a osvěcovala zemi. A stalo se tak.
15Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
16I učinil Bůh dvě světla veliká, světlo větší, aby správu drželo nade dnem, a světlo menší, aby správu drželo nad nocí; též i hvězdy.
16Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
17A postavil je Bůh na obloze nebeské, aby osvěcovala zemi;
17Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,
18A aby správu držela nade dnem a nocí, a oddělovala světlo od tmy. A viděl Bůh, že to bylo dobré.
18sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
19I byl večer a bylo jitro, den čtvrtý.
19Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
20Řekl ještě Bůh: Vydejte vody hmyz duše živé v hojnosti, a
20Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.
21I stvořil Bůh velryby veliké a všelijakou duši živou, hýbající se, kteroužto v hojnosti vydaly vody podlé pokolení jejich, a všeliké ptactvo křídla mající, podlé pokolení jeho. A viděl Bůh, že to bylo dobré.
21Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
22I požehnal jim Bůh, řka: Ploďtež se a množte se, a naplňte vody mořské; též ptactvo ať se rozmnožuje na zemi!
22Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
23I byl večer a bylo jitro, den pátý.
23Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
24Řekl též Bůh: Vydej země duši živou, jednu každou podlé pokolení jejího, hovada a zeměplazy, i zvěř zemskou, podlé pokolení jejího. A stalo se tak.
24Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
25I učinil Bůh zvěř zemskou podlé pokolení jejího, též hovada vedlé pokolení jejich, i všeliký zeměplaz podlé pokolení jeho. A viděl Bůh, že bylo dobré.
25Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
26Řekl opět Bůh: Učiňme člověka k obrazu našemu, podlé podobenství našeho, a ať panují nad rybami mořskými, a nad ptactvem nebeským, i nad hovady, a nade vší zemí, i nad všelikým zeměplazem hýbajícím se na zemi.
26Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
27I stvořil Bůh člověka k obrazu svému, k obrazu Božímu stvořil jej, muže a ženu stvořil je.
27Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
28A požehnal jim Bůh, a řekl jim Bůh: Ploďtež se a rozmnožujte se, a naplňte zemi, a podmaňte ji, a panujte nad rybami mořskými, a nad ptactvem nebeským, i nad všelikým živočichem hýbajícím se na zemi.
28Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
29Řekl ještě Bůh: Aj, dal jsem vám všelikou bylinu, vydávající símě, kteráž jest na tváři vší země, a všeliké stromoví, (na němž jest ovoce stromu), nesoucí símě; to bude vám za pokrm.
29Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
30Všechněm pak živočichům zemským, i všemu ptactvu nebeskému, a všemu tomu, což se hýbe na zemi, v čemž jest duše živá, všelikou bylinu zelenou dal jsem ku pokrmu. I stalo se tak.
30Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
31A viděl Bůh vše, což učinil, a aj, bylo velmi dobré. I byl večer a bylo jitro, den šestý.
31Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.