1Navštívil pak Hospodin Sáru, tak jakž byl řekl; a učinil Hospodin Sáře, jakož byl mluvil.
1[Ny nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny.
2Nebo počala a porodila Sára Abrahamovi syna v starosti jeho, v ten čas, kterýž předpověděl Bůh.
2Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
3A nazval Abraham jméno syna svého, kterýž se mu narodil, jehož porodila Sára, Izák.
3Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.
4A obřezal Abraham syna svého Izáka, když byl v osmi dnech, tak jakž mu byl přikázal Bůh.
4Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.
5Byl pak Abraham ve stu letech, když se mu narodil Izák syn jeho.
5Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
6I řekla Sára: Radost mi učinil Bůh; kdokoli uslyší, radovati se bude spolu se mnou.
6Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7A přidala: Kdo by byl řekl Abrahamovi, že bude Sára děti kojiti? A však jsem porodila syna v starosti jeho.
7Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
8I rostlo dítě a ostaveno jest. Tedy učinil Abraham veliké hody v ten den, v němž ostaven byl Izák.
8Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.
9Viděla pak Sára, že syn Agar Egyptské, kteréhož porodila Abrahamovi, jest posměvač.
9Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
10I řekla Abrahamovi: Vyvrz děvku tuto i syna jejího; neboť nebude dědicem syn děvky té s synem mým Izákem.
10Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
11Ale Abraham velmi těžce nesl tu řeč, pro syna svého.
11Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
12I řekl Bůh Abrahamovi: Nestěžuj sobě o dítěti a o děvce své; cožkoli řekla tobě Sára, povol řeči její, nebo v Izákovi nazváno bude tobě símě.
12Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
13A však i syna děvky učiním v národ; nebo tvé símě jest.
13Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14Vstal tedy Abraham velmi ráno, a vzav chléb a láhvici vody, dal Agar a vložil na rameno její, a pustil ji od sebe i s dítětem. Kterážto odešla a chodila po poušti Bersabé.
14Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.
15A když nebylo vody v láhvici, povrhla dítě pod jedním stromem.
15Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
16A odšedši, sedla naproti tak daleko, jako by mohl z lučiště dostřeliti; nebo pravila: Nebudu se dívati na smrt dítěte. Seděla tedy naproti, a pozdvihši hlasu svého, plakala.
16Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
17I uslyšel Bůh hlas dítěte; a anděl Boží s nebe zavolal na Agar, a řekl jí: Coť jest, Agar? Neboj se; nebo Bůh uslyšel hlas dítěte z místa, na kterémž jest.
17Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
18Vstaň, vezmi dítě, a ujmi je rukou svou; nebo v národ veliký učiním je.
18Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19A otevřel Bůh oči její, aby uzřela studnici vody. I šla a naplnila láhvici vodou, a napojila dítě.
19Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20A Bůh byl s dítětem, kteréžto zrostlo a bydlilo na poušti, a byl z něho střelec.
20Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21Bydlil pak na poušti Fáran; i vzala mu matka jeho ženu z země Egyptské.
21Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
22Stalo se pak toho času, že mluvil Abimelech a Fikol, kníže vojska jeho, k Abrahamovi těmito slovy: Bůh s tebou jest ve všech věcech, kteréž ty činíš.
22[Ny fanekena nataon'i Abrahama sy Abimeleka] Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay rehetra ataonao;
23Protož nyní, přisáhni mi teď skrze Boha: Toto ať se stane, jestliže mi sklamáš, neb synu mému, aneb vnuku mému; vedlé milosrdenství, kteréž jsem já učinil s tebou, i ty že učiníš se mnou a s zemí, v níž jsi byl pohostinu.
23koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.
24I řekl Abraham: A já přisáhnu.
24Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
25(A přitom domlouval se Abraham na Abimelecha o studnici vody, kterouž mu mocí odjali služebníci Abimelechovi.
25Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny
26I řekl Abimelech: Nevím, kdo by učinil takovou věc; a aniž jsi ty mi oznámil, aniž jsem já také co slyšel, až dnes.)
26Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
27Vzav tedy Abraham ovce i voly dal Abimelechovi; a vešli oba dva v smlouvu.
27Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
28A postavil Abraham sedm jehnic stáda obzvlášť.
28Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
29I řekl Abimelech Abrahamovi: K čemu jest těchto sedm jehnic, kteréž jsi postavil obzvlášť?
29Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
30Odpověděl: Že sedm těch jehnic vezmeš z ruky mé, aby mi to bylo na svědectví, že jsem kopal studnici tuto.
30Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
31Pročež nazváno jest to místo Bersabé, že tu oba dva přisáhli.
31Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
32A tak učinili smlouvu v Bersabé. Vstav pak Abimelech a Fikol, kníže vojska jeho, navrátili se do země Filistinské.
32Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
33I nasázel stromoví v Bersabé, a vzýval tam jméno Hospodina, Boha silného, věčného.
33Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
34A bydlil Abraham v zemi Filistinské za mnoho dní.
34Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.