1Abraham pak opět pojal ženu jménem Ceturu.
1[Ny nanambadian'i Abrahama an'i Ketora, sy ny taranany avy taminy; ary ny nahafatesan'i Abrahama, sy ny nandevenan'ny zanany azy] Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
2Kterážto porodila jemu Zamrana, a Jeksana, a Madana, a Madiana, Jezbocha a Suecha.
2Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.
3Jeksan potom zplodil Sábu a Dedana. Synové pak Dedanovi byli: Assurim, a Latuzim, a Laomim.
3Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
4Ale synové Madianovi: Efa, a Efer, a Enoch, a Abida, a Helda; všickni ti synové byli Cetury.
4Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora.
5I dal Abraham Izákovi všecko, což měl.
5Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.
6Synům pak ženin svých dal Abraham dary, a odeslal je od Izáka syna svého, ještě živ jsa, k východu do země východní.
6Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.
7Tito pak jsou dnové let života Abrahamova, v nichž byl živ: Sto sedmdesáte a pět let.
7Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
8I skonal a umřel Abraham v starosti dobré, stár jsa a plný dnů; a připojen jest k lidu svému.
8Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.
9Tedy pochovali ho Izák a Izmael synové jeho v jeskyni Machpelah, na poli Efrona, syna Sohar Hetejského, naproti Mamre,
9Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,
10Na tom poli, kteréž byl koupil Abraham od synů Het; tu pochován jest Abraham i Sára manželka jeho.
10dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.
11Po smrti pak Abrahamově požehnal Bůh Izákovi synu jeho, a bydlil Izák u studnice Živého vidoucího mne.
11Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy.
12Tito jsou pak rodové Izmaele syna Abrahamova, jehož porodila Agar Egyptská, děvka Sářina, Abrahamovi.
12[Ny taranak'Isimaela] Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :
13A tato jsou jména synů Izmaelových, jimiž se jmenují po rodech svých: Prvorozený Izmaelův Nabajot, po něm Cedar, a Adbeel a Mabsan,
13Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
14A Masma, a Dumah a Massa,
14sy Misma sy Doma sy Masa
15Hadar a Tema, Jetur, Nafis a Cedma.
15sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
16Ti jsou synové Izmaelovi, a ta jména jejich, po vsech jejich, a po městech jejich, dvanáctero knížat po čeledech jejich.
16Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.
17(Bylo pak života Izmaelova sto třidceti a sedm let, i skonal; a umřev, připojen jest k lidu svému.)
17Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany .
18A bydlili od Hevilah až do Sur, jenž jest proti Egyptu, když jdeš do Assyrie; před tváří všech bratří svých položil se.
18Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
19Tito jsou také rodové Izáka syna Abrahamova: Abraham zplodil Izáka.
19[Ny amin'i Esao sy Jakoba] Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
20Byl pak Izák ve čtyřidcíti letech, když sobě vzal za manželku Rebeku, dceru Bathuele Syrského, z Pádan Syrské, sestru Lábana Syrského.
20Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
21I modlil se Izák pokorně Hospodinu za manželku svou; nebo byla neplodná. A uslyšel jej Hospodin; a tak počala Rebeka manželka jeho.
21Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.
22A když se děti potiskali v životě jejím, řekla: Má-liť tak býti, proč jsem já počala? Šla tedy, aby se otázala Hospodina.
22Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
23I řekl jí Hospodin: Dva národové jsou v životě tvém, a dvůj lid z života tvého se rozdělí; lid pak jeden nad druhý bude silnější, a větší sloužiti bude menšímu.
23Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
24A když se naplnili dnové její, aby porodila, a aj, blíženci byli v životě jejím.
24Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
25I vyšel první ryšavý všecken, a jako oděv chlupatý; i nazvali jméno jeho Ezau.
25Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
26Potom pak vyšel bratr jeho, a rukou svou držel Ezau za patu; pročež nazváno jest jméno jeho Jákob. A byl Izák v šedesáti letech, když ona je porodila.
26Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
27A když dorostli ti děti, byl Ezau lovec umělý, chodě po polích; Jákob pak byl muž prostý a v staních bydlil.
27Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
28I byl Izák laskav na Ezau, proto že z lovu jeho míval pokrm; ale Rebeka laskava byla na Jákoba.
28Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
29Uvařil pak Jákob krmičku. Tedy Ezau přišel z pole zemdlený,
29Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
30A řekl Jákobovi: Dej mi, prosím, jísti krmě té červené, nebo jsem umdlel. (Protož nazváno jest jméno jeho Edom.)
30Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
31Odpověděl Jákob: Prodej mi dnes hned prvorozenství své.
31Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
32I řekl Ezau: Aj, já k smrti se blížím, k čemuž mi tedy to prvorozenství?
32Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
33Dí Jákob: Přisáhni mi dnes hned. I přisáhl mu, a prodal prvorozenství své Jákobovi.
33Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
34Tedy Jákob dal Ezauchovi chleba a té krmě z šocovice. Kterýžto jedl a pil, a vstav, odšel; a tak pohrdl Ezau prvorozenstvím.
34Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.