Czech BKR

Malagasy

Genesis

28

1Povolal pak Izák Jákoba, a požehnal jemu, a přikázal mu, řka: Nepojímej ženy ze dcer Kananejských.
1Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao.
2Ale vstana, jdi do Pádan Syrské do domu Bathuele, otce matky své, a pojmi sobě odtud manželku ze dcer Lábana ujce svého.
2Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
3A Bůh silný všemohoucí požehnejž tobě, a dejžť zrůst, a rozmnožiž tě, abys byl v zástup mnohého lidu.
3Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
4A dejž tobě požehnání Abrahamovo, tobě i semeni tvému s tebou, abys dědičně obdržel zemi, v níž pohostinu jsi, kterouž dal Bůh Abrahamovi.
4ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
5I odeslal Izák Jákoba, kterýžto šel do Pádan Syrské k Lábanovi synu Bathuele Syrského, bratru Rebeky matky Jákobovy a Ezau.
5Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
6Vida pak Ezau, že požehnání dal Izák Jákobovi, a že ho odeslal do Pádan Syrské, aby sobě odtud vzal manželku, a že, když mu požehnání dával, přikázal mu, řka: Nepojmeš ženy ze dcer Kananejských;
6Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao;
7A že by uposlechl Jákob otce svého a matky své a odšel do Pádan Syrské;
7koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
8Vida také Ezau, že dcery Kananejské těžké byly v očích Izákovi otci jeho:
8ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
9Tedy odšel Ezau k Izmaelovi, a mimo prvnější ženy své, pojal sobě za ženu Mahalat, dceru Izmaele, syna Abrahamova, sestru Nabajotovu.
9dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.
10Vyšed pak Jákob z Bersabé, šel do Cháran.
10[Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Jakoba tao Betela] Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
11I trefil na jedno místo, na kterémžto zůstal přes noc, (nebo slunce již bylo zapadlo,) a nabrav kamení na místě tom, položil pod hlavu svou, a spal na témž místě.
11Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
12I viděl ve snách, a aj, žebřík stál na zemi, jehožto vrch dosahal nebe; a aj, andělé Boží vstupovali a sstupovali po něm.
12Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13A aj, Hospodin stál nad ním, a řekl: Já jsem Hospodin, Bůh Abrahama otce tvého, a Bůh Izákův; zemi tu, na kteréž ty spíš, tobě dám a semeni tvému.
13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
14A bude símě tvé jako prach země; nebo rozmůžeš se k západu, i k východu, na půlnoci, i ku poledni; nad to požehnány budou v tobě všecky čeledi země, a v semeni tvém.
14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
15A aj, já jsem s tebou, a ostříhati tě budu, kamžkoli půjdeš, a přivedu tě zase do země této; nebo neopustím tebe, až i učiním, což jsem mluvil tobě.
15Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
16Procítiv pak Jákob ze sna svého, řekl: V pravdě Hospodin jest na místě tomto, a já jsem nevěděl.
16Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
17(Nebo zhroziv se, řekl: Jak hrozné jest místo toto! Není jiného,jediné dům Boží, a tu jest brána nebeská.)
17Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
18Vstav pak Jákob ráno, vzal kámen, kterýž byl podložil pod hlavu svou, a postavil jej na znamení pamětné, a polil jej svrchu olejem.
18Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
19Protož nazval jméno místa toho Bethel, ješto prvé to město sloulo Lůza.
19Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.
20Zavázal se také Jákob slibem, řka: Jestliže Bůh bude se mnou, a ostříhati mne bude na cestě této, kterouž já jdu; a dá-li mi chléb ku pokrmu a roucho k oděvu,
20Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
21A navrátím-li se v pokoji do domu otce svého, a bude mi Hospodin za Boha:
21ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
22Kámen tento, kterýž jsem postavil na památku, bude domem Božím; a ze všech věcí, kteréž mi dáš, desátky spravedlivě tobě dám.
22ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.