1Had pak byl nejchytřejší ze všech živočichů polních, kteréž byl učinil Hospodin Bůh. A ten řekl ženě: Tak-liž jest, že vám Bůh řekl: Nebudete jísti z každého stromu rajského?
1[Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy izay nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
2I řekla žena hadu: Ovoce stromů rajských jíme;
2Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;
3Ale o ovoci stromu, kterýž jest u prostřed ráje, řekl Bůh: Nebudete ho jísti, aniž se ho dotknete, abyste nezemřeli.
3fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
4I řekl had ženě: Nikoli nezemřete smrtí!
4Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
5Ale ví Bůh, že v kterýkoli den z něho jísti budete, otevrou se oči vaše; a budete jako bohové, vědouce dobré i zlé.
5fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
6Viduci tedy žena, že dobrý jest strom k jídlu i příjemný očima, a k nabytí rozumnosti strom žádostivý, vzala z ovoce jeho a jedla; dala také i muži svému s sebou, a on jedl.
6Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
7Tedy otevříny jsou oči obou dvou, a poznali, že jsou nazí; i navázali lístí fíkového a nadělali sobě věníků.
7Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
8A v tom uslyšeli hlas Hospodina Boha chodícího po ráji k větru dennímu; i skryl se Adam a žena jeho před tváří Hospodina Boha, u prostřed stromoví rajského.
8Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha.
9I povolal Hospodin Bůh Adama, a řekl jemu: Kdež jsi?
9Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
10Kterýžto řekl: Hlas tvůj slyšel jsem v ráji a bál jsem se, že jsem nahý; protož skryl jsem se.
10Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
11I řekl Bůh: Kdožť oznámil, že jsi nahý? Nejedl-lis ale z toho stromu, z něhožť jsem jísti zapověděl?
11Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
12I řekl Adam: Žena, kterouž jsi mi dal, aby byla se mnou, ona mi dala z stromu toho, a jedl jsem.
12Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
13I řekl Hospodin Bůh ženě: Což jsi to učinila? I řekla žena: Had mne podvedl, i jedla jsem.
13Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
14Tedy řekl Hospodin Bůh hadu: Že jsi to učinil, zlořečený budeš nade všecka hovada a nade všecky živočichy polní; po břiše svém plaziti se budeš, a prach žráti budeš po všecky dny života svého.
14Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
15Nad to, nepřátelství položím mezi tebou a mezi ženou, i mezi semenem tvým a semenem jejím; ono potře tobě hlavu, a ty potřeš jemu patu.
15Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
16Ženě pak řekl: Velice rozmnožím bolesti tvé a počínání tvá, s bolestí roditi budeš děti, a pod mocí muže tvého bude žádost tvá, a on panovati bude nad tebou.
16Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
17Adamovi také řekl: Že jsi uposlechl hlasu ženy své, a jedl jsi z stromu toho, kterýžť jsem zapověděl, řka: Nebudeš jísti z něho; zlořečená země pro tebe, s bolestí jísti budeš z ní po všecky dny života svého.
17Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao.
18Trní a bodláčí tobě ploditi bude, i budeš jísti byliny polní.
18Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
19V potu tváři své chléb jísti budeš, dokavadž se nenavrátíš do země, poněvadž jsi z ní vzat. Nebo prach jsi a v prach se navrátíš.
19Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.
20Dal pak byl Adam jméno ženě své Eva, proto že ona byla mátě všech živých.
20Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
21I zdělal Hospodin Bůh Adamovi a ženě jeho oděv kožený, a přioděl je.
21Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
22Tedy řekl Hospodin Bůh: Aj, člověk učiněn jest jako jeden z nás, věda dobré i zlé; pročež nyní, aby nevztáhl ruky své, a nevzal také z stromu života, a jedl by, i byl by živ na věky, vyžeňme jej.
22Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
23I vypustil jej Hospodin Bůh z zahrady Eden, aby dělal zemi, z níž vzat byl.
23ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
24A tak vyhnal člověka a osadil zahradu Eden cherubíny k východní straně s mečem plamenným blýskajícím se, aby ostříhali cesty k stromu života.
24Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.