1Povolal pak Jákob synů svých, a řekl: Sejděte se, a oznámím vám, co se s vámi díti bude potomních dnů.
1[Ny tso-dranon'Isiraely nanambarany izay ho toetry ny zanany mirahalahy avy] Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
2Shromažďte se a slyšte synové Jákobovi, poslyšte Izraele otce svého.
2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
3Ruben, prvorozený můj jsi ty, síla má, a počátek moci mé, vyvýšenost důstojenství a vyvýšenost síly.
3Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
4Prudce sběhneš jako voda. Nebudeš vyvýšen, proto že jsi vstoupil na lůže otce svého; a jakž jsi poškvrnil postele mé, zmizelo vyvýšení tvé.
4Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
5Simeon a Léví bratří, nástrojové nepravosti jsou v příbytcích jejich.
5SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
6Do tajné rady jejich nevcházej duše má, k shromáždění jejich nepřipojuj se slávo má; nebo v prchlivosti své zbili muže, a svévolně vyvrátili zed.
6Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
7Zlořečená prchlivost jejich, nebo neustupná; i hněv jejich, nebo zatvrdilý jest. Rozdělím je v Jákobovi, a rozptýlím je v Izraeli.
7Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin'i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
8Judo, ty jsi, tebe chváliti budou bratří tvoji; ruka tvá bude na šíji nepřátel tvých; klaněti se budou tobě synové otce tvého.
8Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
9Lvíče Juda, z loupeže, synu můj, vrátil jsi se; schýliv se, ležel jako lev a jako lvice; kdo zbudí ho?
9Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
10Nebude odjata berla od Judy, ani vydavatel zákona od noh jeho, dokudž nepřijde Sílo; a k němu se shromáždí národové.
10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
11Uváže k vinnému kmenu osle své, a k výbornému kmenu oslátko oslice své. Práti bude u víně roucho své, a v červeném víně oděv svůj.
11Mamatotra ny borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka.
12Červenějších očí bude nad víno, a zubů bělejších nad mléko.
12Mangamanga ny masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.
13Zabulon bydliti bude na břehu mořském, a na přístavu lodí, a pomezí jeho až k Sidonu.
13ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona.
14Izachar osel silný, ležící mezi dvěma břemeny.
14ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan'ny vala;
15A vida odpočinutí, že jest dobré, a zemi, že jest rozkošná, sehne rameno své k nošení, a dávati bude daně.
15Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
16Dan souditi bude lid svůj, jako jedno z pokolení Izraelských.
16DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely.
17Budeť Dan jako had podlé cesty, jako had rohatý podlé stezky, štípaje kopyta koně, aby spadl jezdec jeho zpět.
17Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
18Spasení tvého očekávám, ó Hospodine!
18Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
19Gád, vojsko přemůže jej, však on svítězí potom.
19GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
20Asser, tučný bude pokrm jeho, a onť vydávati bude rozkoše královské.
20ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
21Neftalím jako laň vypuštěná, vydávaje výmluvnosti krásné.
21NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
22Ratolest rostoucí Jozef, ratolest rostoucí podlé studnice; ratolesti vycházely nad zed.
22JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
23Ačkoli hořkostí naplnili jej, a stříleli na něj, a v tajné nenávisti měli ho střelci:
23Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
24Však zůstalo v síle lučiště jeho, a zsilila se ramena rukou jeho z rukou mocného Jákobova; odkudž byl pastýř a kámen Izraelův;
24Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,
25Od silného Boha, jemuž sloužil otec tvůj, kterýž spomáhá tobě, a od všemohoucího, kterýž požehná tobě požehnáními nebeskými s hůry, požehnáními propasti ležící hluboko, požehnáním prsů a života.
25Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
26Požehnání otce tvého silnější budou nad požehnání předků mých, až k končinám pahrbků věčných; budou nad hlavou Jozefovou, a na vrchu hlavy Nazarejského mezi bratřími jeho.
26Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
27Beniamin, vlk dravý, ráno bude jísti loupež, a večer rozdělí kořisti.
27BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
28Všech těchto pokolení Izraelských jest dvanácte; a to jest, což mluvil jim otec jejich; požehnal jim také, jednomu každému vedlé požehnání jeho požehnal.
28Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
29A poroučeje jim, řekl: Já připojen budu k lidu svému; pochovejte mne s otci mými v jeskyni té, kteráž jest na poli Efrona Hetejského,
29Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita,
30V jeskyni, kteráž jest na poli Machpelah, jenž jest naproti Mamre v zemi Kananejské, kterouž koupil Abraham spolu s polem tím od Efrona Hetejského k dědičnému pohřbu.
30ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
31Tam pochovali Abrahama a Sáru ženu jeho; tam pochovali Izáka a Rebeku ženu jeho; tam také pochovali Líu.
31Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,
32Koupeno pak bylo pole a jeskyně, kteráž na něm, od synů Het.
32ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta.[Ny nahafatesan'i Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
33A když přestal Jákob přikazovati synům svým, složil nohy své na ložci a umřel; a připojen jest k lidu svému.
33[Ny nahafatesan'i Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.