Czech BKR

Malagasy

Hebrews

5

1Všeliký zajisté nejvyšší kněz z lidu vzatý za lidi bývá postaven v těch věcech, kteréž u Boha mají jednány býti, totiž aby obětoval i dary i oběti za hříchy,
1Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
2Kterýž by mohl, jakž sluší, lítost míti nad neznajícími a bloudícími, jsa i sám obklíčen nemocí.
2dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;
3A pro ni povinen jest, jakož za lid, tak i za sebe samého obětovati oběti za hříchy.
3ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.
4A aniž kdo sobě sám té cti osobuje, ale ten, kterýž by byl povolán od Boha, jako i Aron.
4Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
5Tak i Kristus ne sám sobě té cti osobil, aby byl nejvyšším knězem, ale ten, kterýž řekl jemu: Syn můj jsi ty, já dnes zplodil jsem tebe.
5Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
6Jakž i jinde praví: Ty jsi kněz na věky podle řádu Melchisedechova.
6ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
7Kterýž za dnů těla svého modlitby a ponížené prosby k tomu, kterýž ho mohl zachovati od smrti, s křikem velikým a slzami obětoval, a uslyšán jest i vysvobozen z toho, čehož se strašil.
7Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, [ Gr. nanatitra] [ Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany]
8A ačkoli byl Syn Boží, z toho však, což strpěl, naučil se poslušenství.
8dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
9A tak dokonalý jsa, učiněn jest všechněm sebe poslušným původem spasení věčného,
9ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,
10Nazván jsa od Boha nejvyšším knězem podlé řádu Melchisedechova.
10fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka."
11O kterémž mnoho by se mělo mluviti, a to nesnadných věci k vypravení, ale vy jste nezpůsobných uší.
11[Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
12Nebo měvše býti v tak dlouhém času mistři, opět potřebujete učeni býti prvním počátkům výmluvností Božích, a učiněni jste mléka potřebující, a ne pokrmu hrubšího.
12Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
13Kdožkoli zajisté mléka se drží, nechápá slova spravedlnosti; (nebo nemluvně jest).
13Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [ Na: tanteraka]
14Ale dokonalých jest hrubý pokrm, totiž těch, kteříž pro zvyklost mají smysly způsobné k rozeznání dobrého i zlého.
14Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [ Na: tanteraka]