1Břímě Egyptských. Aj, Hospodin béře se na oblaku lehkém, a přitáhne na Egypt. I pohnou se modly Egyptské před tváří jeho, a srdce Egyptských rozplyne se u prostřed něho.
1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
2Nebo spustím Egyptské s Egyptskými, tak že bojovati budou jeden každý proti bratru svému, a přítel proti příteli svému, město proti městu, království proti království.
2Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.
3A na nic přijde duch Egyptských u prostřed něho, a radu jeho sehltím. I raditi se budou modl a kouzedlníků a zaklinačů a hadačů.
3Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
4Dám zajisté Egypt v ruku pánů ukrutných, a král přísný panovati bude nad nimi, praví Pán, Hospodin zástupů.
4Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
5A vymizejí vody z moře, i řeka osákne a vyschne.
5Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
6I vzdálí se řeky, opadnou a vyschnou potokové Egyptští, třtí i rákosí usvadne.
6Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]
7Tráva okolo potoka a při pramenu potoka, i vše, což se seje při potoku, uschne, zmizí a ztratí se.
7Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
8I budou žalostiti rybáři, a kvíliti všickni, kteříž mecí do potoka udici; a kteříž rozstírají síti na vody, na nouzi přijdou.
8Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin'ny rano.[Heb; mpamelatra]
9Zahanbeni budou i ti, kteříž dělají věci lněné a hedbávné, a kteříž tkají kment.
9Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.
10Nebo síti jeho budou zkaženy, i všickni dělající rybníky pro ryby.
10Ny andrin'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan']
11Jistě žeť jsou blázni knížata Soan, moudrých rádců Faraonových rada zhlupěla. Jakž říkati můžete Faraonovi: Syn moudrých já jsem, syn králů starožitných?
11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
12Kdež jsou, kde ti moudří tvoji? Nechať oznámí nyní tobě, vědí-li, co uložil Hospodin zástupů o Egyptu.
12Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.
13Zbláznila se knížata Soan, podvedena jsou knížata Nof, svedli Egypt přednější v pokolení jeho.
13Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. [Heb. Nofa]
14Hospodin pustil mezi ně ducha závrativého, i spraví to, že zbloudí Egypt při všelikém předsevzetí svém, tak jako bloudí ožralec při vývratku svém.
14Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]
15Aniž bude dílo v Egyptě, kteréž by učinila hlava neb ocas, ratolest aneb sítí.
15Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro. [palma]
16V ten den bude Egypt podobný ženám; nebo strašiti se a děsiti bude před zdvižením ruky Hospodina zástupů, kterouž on zdvihne proti němu.
16Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
17A budeť země Judská Egyptu k hrůzi; každý, kdož zpomene na ni, strašiti se bude, pro radu Hospodina zástupů, kterouž zavřel o něm.
17Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
18V ten den bude pět měst v zemi Egyptské, mluvících jazykem Kananejským, a přisahajících skrze Hospodina zástupů, jedno pak nazváno bude město zpuštění.
18Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]
19V ten den bude oltář Hospodinův u prostřed země Egyptské, a sloup při pomezí jejím Hospodinu;
19Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
20Bude, pravím, na znamení a na svědectví Hospodinu zástupů v zemi Egyptské. A když volati budou k Hospodinu příčinou těch, kteříž by je ssužovali, tedy pošle jim spasitele a kníže, i vysvobodí je.
20Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
21I bude známý Hospodin Egyptským; nebo poznají Egyptští Hospodina v ten den, a ctíti jej budou obětmi a dary, a činiti budou sliby Hospodinu, i plniti.
21Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
22A tak bíti bude Hospodin Egypt, aby zbije, uzdravil jej; nebo obrátí se k Hospodinu, a on je vyslyší a uzdraví.
22Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
23V ten den bude silnice z Egypta do Assyrie, i budou choditi Assyrští do Egypta, a Egyptští do Assyrie, a sloužiti budou Egyptští s Assyrskými Hospodinu.
23Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. [Heb. hiara-manompo]
24V ten den bude Izrael Egyptským a Assyrským jako třetí z nich, i budou požehnaní u prostřed země.
24Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
25Nebo požehná jim Hospodin zástupů, řka: Požehnaný lid můj Egyptský, a dílo rukou mých Assur, i dědictví mé Izrael.
25Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.