1Dal jsem se najíti těm, kteříž se na mne neptávali, nalezen jsem od těch, kteříž mne nehledali, a národu, kterýž se nenazýval jménem mým, řekl jsem: Teď jsem, teď jsem.
1[Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka] Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
2Rozprostíral jsem ruce své na každý den k lidu zpurnému, kteříž chodí cestou nedobrou za myšlénkami svými,
2Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
3K lidu, kteříž zjevně popouzejí mne ustavičně, obětujíce v zahradách, a kadíce na cihlách,
3Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,
4Kteříž sedají při hrobích, a při svých modlách nocují, kteříž jedí maso sviňské, a polívku nečistého z nádob svých,
4Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
5Říkajíce: Táhni preč, nepřistupuj ke mně, nebo světější jsem nežli ty. Tiť jsou dymem v chřípích mých a ohněm hořícím přes celý den.
5Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
6Aj, zapsáno jest to přede mnou: Nebuduť mlčeti, nýbrž nahradím a odplatím do lůna jejich,
6Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo [Heb. azy][Heb. tratrany]
7Za nepravosti vaše, a spolu za nepravosti otců vašich, praví Hospodin, kteříž kadívali na horách, a na pahrbcích v lehkost uvodili mne; pročež odměřím za dílo jejich předešlé do lůna jejich.
7Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
8Takto praví Hospodin: Jako někdo nalezna víno v hroznu, i řekl by: Nekaz ho, proto že požehnání jest v něm, tak i já učiním pro služebníky své, že nevyhladím všech těchto.
8Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9Nebo vyvedu z Jákoba símě, a z Judy toho, kterýž by dědičně obdržel hory mé, i budou ji dědičně držeti vyvolení moji, a služebníci moji bydliti budou tam.
9Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
10Lid pak můj, kteříž by mne hledali,budou míti Sáron za pastviště ovcím, a údolí Achor za odpočivadlo skotům.
10Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.
11Ale vás, kteříž opouštíte Hospodina, kteříž se zapomínáte na horu svatosti mé, kteříž strojíte vojsku tomu stůl, a kteříž vykonáváte tomu počtu oběti,
11Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny, [Gada = Zara, ary Meny = Vintana; samy anaran'andriamani-tsi-izy ireo][Heb. mameno]
12Vás, pravím, sečtu pod meč, tak že všickni vy k zabití na kolena padati budete, proto že, když jsem volal, neohlásili jste se, mluvil jsem, a neslyšeli jste, ale činili jste to, což zlého jest před očima mýma, a to, čehož neoblibuji, vyvolili jste.
12Dia hotendreko ho voan'ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13A protož takto dí Panovník Hospodin: Aj, služebníci moji jísti budou, vy pak hlad trpěti budete: aj, služebníci moji píti budou, vy pak žízniti budete; aj, služebníci moji veseliti se budou, vy pak zahanbeni budete.
13Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
14Aj, služebníci moji prozpěvovati budou pro radost srdce, vy pak křičeti budete pro bolest srdce, a pro setření ducha kvíliti budete,
14Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.[Heb. fanaintanam-po][Heb. fahatorotoroam-panahy]
15A zanecháte jména svého k proklínání vyvoleným mým, když vás pomorduje Panovník Hospodin, služebníky pak své nazůve jménem jiným.
15Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin'ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
16Ten, kterýž bude sobě požehnání dávati na zemi, požehnání dávati sobě bude v Bohu pravém, a kdož přisahati bude na zemi, přisahati bude skrze Boha pravého; v zapomenutí zajisté dána budou ta ssoužení první, a budou skryta od očí mých.
16Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]
17Nebo aj, já stvořím nebesa nová a zemi novou, a nebudou připomínány první věci, aniž vstoupí na srdce.
17Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18Anobrž radujte se a veselte se na věky věků z toho, což já stvořím; nebo aj, já stvořím Jeruzalém k plésání, a lid jeho k radosti.
18Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
19I já plésati budu v Jeruzalémě, a radovati se v lidu svém, aniž se více bude slýchati v něm hlasu pláče, aneb hlasu křiku.
19Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
20Nebude tam více žádného v věku dětinském, ani starce, kterýž by dnů svých nevyplnil; nebo dítě ve stu letech umře, hříšníku pak, by došel i sta let, zlořečeno bude.
20Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona]
21Nastavějí též domů, a bydliti budou v nich, i vinice štěpovati budou, a jísti budou ovoce jejich.
21Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
22Nebudou stavěti tak, aby jiný bydlil, nebudou štěpovati, aby jiný jedl; nebo jako dnové dřeva budou dnové lidu mého, a díla rukou svých do zvetšení užívati budou vyvolení moji.
22Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.
23Nebudouť pracovati nadarmo, aniž ploditi budou k strachu; nebo budou símě požehnaných od Hospodina, i potomkové jejich s nimi.
23Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.[Na: Mbamin'ny terany koa]
24Nadto stane se, že prvé než volati budou, já se ohlásím; ještě mluviti budou, a já vyslyším.
24Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]
25Vlk s beránkem budou se pásti spolu, a lev jako vůl bude jísti plevy, hadu pak za pokrm bude prach. Neuškodíť, aniž zahubí na vší mé hoře svaté, praví Hospodin.
25Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]