1Takto praví Hospodin: Aj, já vzbudím proti Babylonu a proti těm, kteříž bydlejí u prostřed povstávajících proti mně, vítr hubící.
1Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.[Leba-kamay = Kaldea]
2A pošli na Babylon ty, jenž vějí, kteřížto převívati budou jej, a vyprázdní zemi jeho, když budou proti němu vůkol v den bídy.
2Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.
3Natahujícímu, kterýž silně natahuje lučiště své, a kráčí v pancíři svém, dím: Neslitovávejtež se nad mládenci jeho, zahlaďte jako proklaté všecko vojsko jeho.
3Izay manenjana tsipìka mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian'izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,[Heb. Ataovy herema]
4Ať padnou zbití v zemi Kaldejské, a probodnutí na ulicích jeho.
4Mba hiampatrampatra any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.
5Nebo není opuštěn Izrael a Juda od Boha svého, od Hospodina zástupů, ačkoli země jejich plná jest provinění proti Svatému Izraelskému.
5Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny taniny.
6Utecte z prostředku Babylona, a zachovejte jeden každý život svůj, abyste nebyli vypléněni v nepravosti jeho. Nebo čas bude pomsty Hospodinovy, sám odplatu dá jemu.
6Mandosira hiala an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.
7Byltě koflíkem zlatým Babylon v ruce Hospodinově, opojujícím všecku zemi; víno jeho pili národové, protož se zbláznili národové.
7Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
8Ale v náhle padne Babylon, a potřín bude. Kvělte nad ním, nabeřte masti pro bolesti jeho, snad bude moci zhojen býti.
8Tampoka no naharavan'i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin'ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
9Hojili jsme Babylon, ale není zhojen, opusťme jej, a poďme jeden každý do země své; nebo až k nebi dosahá soud jeho, a vznesen jest až k nejvyšším oblakům.
9Nitady hanasitrana an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin'ny rahona.
10Vyvedl Hospodin při naši; poďte, a vypravujme na Sionu dílo Hospodina Boha našeho.
10Nasehon'i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah Andriamanitsika.
11Vytřete střely, shledejte, což nejvíc můžete, pavéz, Hospodin vzbudil ducha králů Médských, proto že proti Babylonu usouzení jeho jest, aby jej zkazil; pomsta zajisté jest Hospodinova, pomštění chrámu jeho.
11Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
12Na zdech Babylonských zdvihněte korouhev, osaďte stráž, postavte strážné, připravte zálohy; nebo i myslil Hospodin, i učiní, což řekl proti obyvatelům Babylonským.
12Manangàna faneva eo akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona.
13Ó ty, kterýž bydlíš při vodách velikých, ó kterýž máš množství pokladů, přišloť skončení tvé, cíl lakomství tvého.
13Hianao izay monina eny amoron'ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
14Přisáhlť jest Hospodin zástupů skrze samého sebe: Jistotně naplním tě lidmi jako brouky, kteříž by prokřikovali nad tebou radostně:
14Jehovah, Tompon'ny maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao, [Na: na dia hofenoiko olona maro toy ny valala aza ianao, dia ireny no]
15Ten, kterýž učinil zemi mocí svou, kterýž utvrdil okršlek světa moudrostí svou, a opatrností svou roztáhl nebesa,
15Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
16Kterýžto, když vydává hlas, ječí vody na nebi, a kterýž působí to, aby vystupovaly páry od kraje země, blýskání s deštěm přivodí, a vyvodí vítr z pokladů svých.
16Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
17Tak zhlupěl každý člověk, že nezná toho, že zahanben bývá každý zlatník od rytiny; nebo faleš jest slitina jeho, a není ducha v nich.
17Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
18Marnost jsou a dílo podvodů; v čas, v němž navštíveni budou, zahynou.
18Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
19Neníť jim podobný díl Jákobův; nebo on jest stvořitelem všeho, a částka dědictví jeho, Hospodin zástupů jest jméno jeho.
19Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
20Ty jsi mým kladivem rozrážejícím, nástroji válečnými, abych rozrážel skrze tebe národy, a kazil skrze tebe království,
20Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
21Abych rozrážel skrze tebe koně s jezdcem jeho, abych rozrážel skrze tebe vůz s tím, kdož jezdí na něm.
21Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
22Abych rozrážel skrze tebe muže i ženu, abych rozrážel skrze tebe starého i dítě, abych rozrážel skrze tebe mládence i pannu,
22Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
23Abych rozrážel skrze tebe pastýře s stádem jeho, abych rozrážel skrze tebe oráče s spřežením jeho, abych rozrážel skrze tebe vývody a knížata.
23Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
24Ale jižť odplatím Babylonu i všechněm obyvatelům Kaldejským za všecko bezpráví jejich, kteréž činili Sionu před očima vašima, dí Hospodin.
24Ary hampanodiaviko an'i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
25Aj, já jsem proti tobě, ó horo, kteráž hubíš, dí Hospodin, kteráž hubíš všecku zemi; a vztáhna ruku svou na tebe, svalím tě z těch skal, a obrátím tě v horu spálenou.
25Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin'ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
26A nevezmou z tebe kamene k úhlu, ani kamene k základům; nebo pustinou věčnou budeš, praví Hospodin.
26Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.
27Vyzdvihněte korouhev v zemi, trubte trubou mezi národy, připravte proti němu národy, svolejte proti němu království Ararat, Minni, Ascenez, ustanovte hejtmana proti němu, přiveďte koní jako brouků počet nesčíslný.
27Manangana faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina. [Heb. Manamasina][Na: mahatsiravina]
28Připravte proti Babylonu národy, krále země Médské, vývody její a všecka knížata její, i všecku zemi panování jejich.
28Manendre firenena sy ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.
29I bude se třásti země a bolestiti, když vykonáváno bude usouzení Hospodinovo proti Babylonu, aby obrátil zemi Babylonskou v pustinu, v níž by se žádný neosazoval.
29Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
30Přestanou silní Babylonští bojovati, seděti budou v ohradách, zhyne síla jejich, budou jako ženy, zapálí příbytky jejich, polámány budou závory jejich.
30Nitsahatra tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
31Pošta jedna druhou potká, a posel posla, aby oznámeno bylo králi Babylonskému, že vzato jest město jeho na kraji,
31Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
32A že brodové vzati, i jezera vypálena ohněm, a muži bojovní předěšeni.
32Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
33Nebo takto praví Hospodin zástupů, Bůh Izraelský: Dcera Babylonská jest jako humno, jehož nabíjení čas; ještě maličko, a přijde čas žně její.
33Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
34Vyjídá mne, potírá mne Nabuchodonozor král Babylonský, vystavuje mne nádobu prázdnou, požírá mne jako drak, naplňuje břich svůj rozkošemi mými, vyhání mne.
34Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
35Násilé, kteréž se mně a mému tělu děje, přijdiž na Babylon, praví obyvatelkyně Sionská, a krev má na obyvatele země Kaldejské, praví Jeruzalém.
35Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
36Protož takto praví Hospodin: Aj, já vyvedu při tvou, a pomstím tě; nebo vysuším moře jeho, vysuším i vrchoviště jeho.
36Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
37I bude Babylon v hromady, v příbytek draků, v užasnutí a ckání, tak že nebude v něm žádného obyvatele.
37Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan'ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
38Jako lvové spolu řváti budou, skučeti budou jako lvíčata.
38Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
39Když se rozpálí, učiním jim hody, a tak je opojím, že zkřiknouti a snem věčným zesnouti musejí, tak aby neprocítili, dí Hospodin.
39Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
40Povedu je jako berany k zabití, jako skopce s kozly.
40Hampidiniko ho any amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy.
41Jakž by dobyt býti mohl Sesák? Jakž by vzata býti mohla chvála vší země? Jakž by přijíti mohl na spuštění Babylon mezi národy?
41Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.[Sesaka = Babela]
42Vystoupí proti Babylonu moře, množstvím vlnobití jeho přikryt bude.
42Ny ranomasina nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy.
43Města jeho budou pustinou, zemí vyprahlou a pustou, zemí, v jejíchž městech neosadí se žádný, aniž projde skrze ně syn člověka.
43Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy zanak'olombelona mamaky eo.
44Navštívím také Béle v Babyloně, a vytrhnu, což sehltil, z úst jeho, i nepohrnou se k němu více národové; také i zdi Babylonské padnou.
44Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana.
45Vyjděte z prostředku jeho, lide můj, a vysvoboďte jeden každý duši svou od prchlivosti hněvu Hospodinova.
45Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
46A nebuďtež choulostivého srdce, aniž se bojte pověsti, kteráž slyšána bude v té zemi, když přijde tohoto roku pověst, a potom druhého roku pověst, i ukrutenství v zemi, a pán na pána.
46Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
47Protož aj, dnové přijdou, že navštívím rytiny Babylonské, a všecka země jeho zahanbena bude, i všickni zbití jeho padnou u prostřed něho.
47koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr'i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
48I budou prozpěvovati nad Babylonem nebesa i země, a cožkoli v nich jest, když na něj od půlnoci přitáhnou ti zhoubcové, dí Hospodin.
48Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
49Ano i Babylon padnouti musí, ó zbití Izraelovi, i s Babylonem padnou zbití vší země jeho.
49Toy ny nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
50Ó kdož jste znikli meče, jděte, nezastavujte se; zpomínejte, daleko jsouce, na Hospodina, a Jeruzalém nechť vstupuje na srdce vaše.
50Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
51Rcete: Stydímeť se, že slýcháme útržku, hanbí se tváře naše, že cizozemci chodí do svatyní domu Hospodinova.
51Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
52Protož aj, dnové přijdou, dí Hospodin, že navštívím rytiny jeho, a po vší zemi jeho stonati bude zraněný.
52Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka.
53Byť pak vstoupil Babylon na nebe, a byť pak ohradil velmi vysokou pevnost svou, přitáhnou ode mne na něj zhoubcové, praví Hospodin.
53Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
54Zvuk křiku z Babylona, a potření veliké z země Kaldejské.
54Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny Kaldeana!
55Nebo Hospodin popléní Babylon, a vyhladí z něho hřmot veliký, byť pak zvučela vlnobití jejich jako vody mnohé, vydáván byl hluk hlasu jejich,
55Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony.
56Když přitáhne na něj, na Babylon zhoubce. I budou jati silní jeho, potříno bude lučiště jejich; nebo Bůh silný odplatí, Hospodin vrchovatě odplatí.
56Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
57Opojím knížata jeho i moudré jeho, vývody jeho i znamenitější jeho i silné jeho, aby zesnuli snem věčným, a neprocítili, dí král, jehož jméno jest Hospodin zástupů.
57Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
58Takto praví Hospodin zástupů: Oboje zed Babylonská velmi široká do gruntu zbořena bude, a brány jeho vysoké ohněm spáleny budou, a tak nadarmo pracovati budou lidé a národové při ohni, až ustanou.
58Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
59Slovo, kteréž přikázal Jeremiáš prorok Saraiášovi synu Neriášovu, synu Maaseiášovu, když se vypravil od Sedechiáše krále Judského do Babylona, léta čtvtého kralování jeho, (byl pak Saraiáš kníže Menuchské),
59Ny teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.
60Když sepsal Jeremiáš všecko zlé, kteréž přijíti mělo na Babylon, do knihy jedné, všecka ta slova, kteráž jsou psána proti Babylonu.
60Ary nosoratan'i Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona.
61I řekl Jeremiáš Saraiášovi: Když přijdeš do Babylona, a uzříš jej, tedy čti všecka ta slova.
61Ary hoy Jeremia tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
62A rci: Ó Hospodine, ty jsi mluvil o místě tomto, že je zkazíš, tak že nebude v něm obyvatele, od člověka až do hovada, ale že hrozně zpuštěno na věky bude.
62ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
63Když pak do konce přečteš knihu tuto, přivaž k ní kámen, a hoď ji do prostřed Eufrates,
63Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.
64A rci: Tak potopen bude Babylon, a nepovstane z toho zlého, kteréž já uvedu na něj, ačkoli ustávati budou. Až potud slova Jeremiášova.
64ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.