1Odpověděv pak Job, řekl:
1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2V pravdě, že jste vy lidé, a že s vámi umře moudrost.
2Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3I jáť mám srdce jako vy, aniž jsem zpozdilejší než vy, anobrž při komž toho není?
3Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
4Za posměch příteli svému jsem, kteréhož, když volá, vyslýchá Bůh; v posměchuť jest spravedlivý a upřímý.
4Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
5Pochodně zavržená jest (podlé smýšlení člověka pokoje užívajícího) ten, kterýž jest blízký pádu.
5Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]
6Pokojné a bezpečné příbytky mají loupežníci ti, kteříž popouzejí Boha silného, jimž on uvodí dobré věci v ruku jejich.
6Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny
7Ano zeptej se třebas hovad, a naučí tě, aneb ptactva nebeského, a oznámí tobě.
7Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
8Aneb rozmluv s zemí, a poučí tě, ano i ryby mořské vypravovati budou tobě.
8Ary makà saina amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]
9Kdo nezná ze všeho toho, že ruka Hospodinova to učinila?
9Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]
10V jehož ruce jest duše všelikého živočicha, a duch každého těla lidského.
10Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?
11Zdaliž ucho slov rozeznávati nebude, tak jako dásně pokrmu okoušejí?
11Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12Při starcích jest moudrost, a při dlouhověkých rozumnost.
12Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13Nadto pak u Boha moudrost a síla, jehoť jest rada a rozumnost.
13Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
14Jestliže on boří, nemůže zase stavíno býti; zavírá-li člověka, nemůže býti otevříno.
14Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
15Hle, tak zastavuje vody, až i vysychají, a tak je vypouští, že podvracejí zemi.
15Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
16U něho jest síla a bytnost, jeho jest ten, kterýž bloudí, i kterýž v blud uvodí.
16Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
17On uvodí rádce v nemoudrost, a z soudců blázny činí.
17Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.
18Svazek králů rozvazuje, a pasem přepasuje bedra jejich.
18Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
19On uvodí knížata v nemoudrost, a mocné vyvrací.
19Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
20On odjímá řeč výmluvným, a soud starcům béře.
20Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.
21On vylévá potupu na urozené, a sílu mocných zemdlívá.
21Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.
22On zjevuje hluboké věci z temností, a vyvodí na světlo stín smrti.
22Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.
23On rozmnožuje národy i hubí je, rozšiřuje národy i zavodí je.
23Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
24On odjímá srdce předním z lidu země, a v blud je uvodí na poušti bezcestné,
24Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
25Aby šámali ve tmě bez světla. Summou, činí, aby bloudili jako opilý.
25Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.