Czech BKR

Malagasy

Job

31

1Smlouvu jsem učinil s očima svýma, a proč bych hleděl na pannu?
1Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? [Heb. virijina]
2Nebo jaký jest díl od Boha s hůry, aneb dědictví od Všemohoucího s výsosti?
2Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?
3Zdaliž zahynutí nešlechetnému a pomsta zázračná činitelům nepravosti připravena není?
3Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
4Zdaliž on nevidí cest mých, a všech kroků mých nepočítá?
4Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]
5Obíral-li jsem se s neupřímostí, a chvátala-li ke lsti noha má:
5Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
6Nechť mne zváží na váze spravedlnosti, a přezví Bůh upřímost mou.
6(Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
7Uchýlil-li se krok můj s cesty, a za očima mýma odešlo-li srdce mé, a rukou mých chytila-li se jaká poškvrna:
7Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
8Tedy co naseji, nechť jiný sní, a výstřelkové moji ať jsou vykořeněni.
8Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
9Jestliže se dalo přivábiti srdce mé k ženě, a u dveří bližního svého činil-li jsem úklady:
9Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
10Nechť mele jinému žena má, a nad ní ať se schylují jiní.
10Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an']
11Neboť jest to nešlechetnost, a nepravost odsudku hodná.
11Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;
12Oheň ten zajisté by až do zahynutí žral, a všecku úrodu mou vykořenil.
12Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13Nechtěl-li jsem státi k soudu s služebníkem svým aneb děvkou svou v rozepři jejich se mnou?
13Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
14Nebo co bych činil, kdyby povstal Bůh silný? A kdyby vyhledával, co bych odpověděl jemu?
14Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
15Zdali ten, kterýž mne v břiše učinil, neučinil i jeho? A nesformoval nás hned v životě jeden a týž?
15Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
16Odepřel-li jsem žádosti nuzných, a oči vdovy jestliže jsem kormoutil?
16Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,
17A jedl-li jsem skyvu svou sám, a nejedl-li i sirotek z ní?
17Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty
18Poněvadž od mladosti mé rostl se mnou jako u otce, a od života matky své býval jsem vdově za vůdce.
18(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
19Díval-li jsem se na koho, že by hynul, nemaje šatů, a nuzný že by neměl oděvu?
19Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
20Nedobrořečila-li mi bedra jeho, že rounem beranů mých se zahřel?
20Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;[Heb. valahany]
21Opřáhl-li jsem na sirotka rukou svou, když jsem v bráně viděl pomoc svou:
21Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
22Lopatka má od svých plecí nechť odpadne, a ruka má z kloubu svého ať se vylomí.
22Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.
23Nebo jsem se bál, aby mne Bůh nesetřel, jehož bych velebnosti nikoli neznikl.
23Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
24Skládal-li jsem v zlatě naději svou, aneb hrudě zlata říkal-li jsem: Doufání mé?
24Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
25Veselil-li jsem se z toho, že bylo rozmnoženo zboží mé, a že ho množství nabyla ruka má?
25Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;
26Hleděl-li jsem na světlost slunce svítícího, a na měsíc spanile chodící,
26Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,
27Tak že by se tajně dalo svésti srdce mé, a že by líbala ústa má ruku mou?
27Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
28I toť by byla nepravost odsudku hodná; neboť bych tím zapíral Boha silného nejvyššího.
28(Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);
29Radoval-li jsem se z neštěstí toho, kterýž mne nenáviděl, a plésal-li jsem, když se mu zle vedlo?
29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
30Nedopustilť jsem zajisté hřešiti ani ústům svým, abych zlořečení žádal duši jeho.
30(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
31Jestliže neříkala čeládka má: Ó by nám dal někdo masa toho; nemůžeme se ani najísti?
31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany? [Na: Iza moa no tsy voky tamin'ny fianakaviany?]
32Nebo vně nenocoval host, dvéře své pocestnému otvíral jsem.
32Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
33Přikrýval-li jsem jako jiní lidé přestoupení svá, skrývaje v skrýši své nepravost svou?
33Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
34A ač bych byl mohl škoditi množství velikému, ale pohanění rodů děsilo mne; protož jsem mlčel, nevycházeje ani ze dveří.
34Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
35Ó bych měl toho, kterýž by mne vyslyšel. Ale aj, totoť jest znamení mé: Všemohoucí sám bude odpovídati za mne, a kniha, kterouž sepsal odpůrce můj.
35Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!
36Víť Bůh, nenosil-li bych ji na rameni svém, neotočil-li bych ji sobě místo koruny.
36Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
37Počet kroků svých oznámil bych jemu, jako kníže přiblížil bych se k němu.
37Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.
38Jestliže proti mně země má volala, tolikéž i záhonové její plakali,
38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
39Jídal-li jsem úrody její bez peněz, a duši držitelů jejich přivodil-li jsem k vzdychání:
39Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
40Místo pšenice nechť vzejde trní, a místo ječmene koukol. [ (Job 31:41) Skonávají se slova Jobova. ]
40Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.