Czech BKR

Malagasy

John

10

1Amen, amen pravím vám: Kdož nevchází dveřmi do ovčince ovcí, ale vchází jinudy, ten zloděj jest a lotr.
1Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
2Ale kdož vchází dveřmi, pastýř jest ovcí.
2Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3Tomuť vrátný otvírá, a ovce hlas jeho slyší, a on svých vlastních ovec ze jména povolává, a vyvodí je.
3Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.
4A jakž ovce své vlastní ven vypustí, před nimi jde, a ovce jdou za ním; nebo znají hlas jeho.
4Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
5Ale cizího nikoli následovati nebudou, ale utekou od něho; nebo neznají hlasů cizích.
5Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.
6To přísloví pověděl jim Ježíš, ale oni nevěděli, co by to bylo, což jim mluvil.
6Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
7Tedy opět řekl jim Ježíš: Amen, amen pravím vám: Že já jsem dveře ovcí.
7Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.
8Všickni, kolikož jich koli přede mnou přišlo, zloději jsou a lotři, ale neslyšely jich ovce.
8Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
9Já jsem dveře. Skrze mne všel-li by kdo, spasen bude, a vejde i vyjde, a pastvu nalezne.
9Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
10Zloděj nepřichází, jediné aby kradl a mordoval a hubil; já jsem přišel, aby život měly, a hojně aby měly.
10Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
11Já jsem ten pastýř dobrý. Dobrý pastýř duši svou pokládá za ovce.
11Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
12Ale nájemník a ten, kterýž není pastýř, jehož nejsou ovce vlastní, vida vlka, an jde, i opouští ovce i utíká, a vlk lapá a rozhání ovce.
12Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; [lopa]
13Nájemník pak utíká; nebo nájemník jest, a nemá péče o ovce.
13mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
14Já jsem ten dobrý pastýř, a známť ovce své, a znajíť mne mé.
14Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
15Jakož mne zná Otec, tak i já znám Otce, a duši svou pokládám za ovce.
15dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
16A mámť i jiné ovce, kteréž nejsou z tohoto ovčince. I tyť musím přivésti, a hlas můj slyšeti budou. A budeť jeden ovčinec a jeden pastýř.
16Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
17Protož mne Otec miluje, že já pokládám duši svou, abych ji zase vzal.
17Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
18Nižádnýť jí nebéře ode mne, ale já pokládám ji sám od sebe. Mám moc položiti ji, a mám moc zase vzíti ji. To přikázání vzal jsem od Otce svého.
18Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
19Tedy stala se opět různice mezi Židy pro ty řeči.
19Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
20A pravili mnozí z nich: Ďábelství má a blázní. Co ho posloucháte?
20Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
21Jiní pravili: Tato slova nejsou ďábelství majícího. Zdaliž ďábelství může slepých oči otvírati?
21Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
22I bylo posvícení v Jeruzalémě, a zima byla.
22Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
23I procházel se Ježíš v chrámě po síňci Šalomounově.
23Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
24Tedy obstoupili jej Židé, a řekli jemu: Dokudž duši naši držíš? Jestliže jsi ty Kristus, pověz nám zjevně.
24Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
25Odpověděl jim Ježíš: Pověděl jsem vám, a nevěříte. Skutkové, kteréž já činím ve jménu Otce svého, tiť svědectví vydávají o mně.
25Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.
26Ale vy nevěříte, nebo nejste z ovcí mých, jakož jsem vám pověděl.
26Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
27Nebo ovce mé hlas můj slyší, a já je znám, a následujíť mne.
27Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
28A jáť život věčný dávám jim, a nezahynouť na věky, aniž jich kdo vytrhne z ruky mé.
28ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.
29Otec můj, kterýž mi je dal, většíť jest nade všecky, a žádnýť jich nemůže vytrhnouti z ruky Otce mého.
29Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray.
30Já a Otec jedno jsme.
30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
31Tedy zchápali opět kamení Židé, aby jej kamenovali.
31Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
32Odpověděl jim Ježíš: Mnohé dobré skutky ukázal jsem vám od Otce svého. Pro který z těch skutků kamenujete mne?
32Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
33Odpověděli jemu Židé, řkouce: Pro dobrý skutek tebe nekamenujeme, ale pro rouhání, totiž že ty, člověk jsa, děláš se Bohem.
33Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3]
34Odpověděl jim Ježíš: Však psáno jest v Zákoně vašem: Já jsem řekl: Bohové jste.
34Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).
35Poněvadž ty nazval bohy, k nimžto řeč Boží stala se, a nemůžeť zrušeno býti Písmo,
35Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),
36Kterakž tedy o mně, kteréhož posvětil Otec a poslal na svět, vy pravíte, že se rouhám, že jsem řekl: Syn Boží jsem?
36moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
37Nečiním-liť skutků Otce svého, nevěřte mi.
37Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
38Pakliť činím, tedy byste pak mně nevěřili, aspoň skutkům věřte, abyste poznali a věřili, že Otec ve mně jest, a já v něm.
38Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.
39Tedy opět hledali ho jíti, ale on vyšel z rukou jejich.
39Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy. [Gr. Ny tànany]
40I odšel opět za Jordán na to místo, kdež nejprv Jan křtil, a pozůstal tam.
40Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
41I přišli k němu mnozí, a pravili: Jan zajisté žádného divu neučinil, ale všecko, cožkoli mluvil Jan o tomto, pravé bylo.
41Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.Ary maro no nino Azy teo.
42A mnozí tam uvěřili v něho.
42Ary maro no nino Azy teo.