1Před svátkem pak velikonočním, věda Ježíš, že přišla hodina jeho, aby šel z tohoto světa k Otci, milovav své, kteříž byli na světě, až do konce je miloval.
1Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.
2A když večeřeli, (a ďábel již byl vnukl v srdce Jidáše Šimona Iškariotského, aby jej zradil,)
2Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
3Věda Ježíš, že jemu Otec všecko v ruce dal a že od Boha vyšel a k Bohu jde,
3sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
4Vstal od večeře, a složil roucho své, a vzav rouchu, přepásal se.
4dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
5Potom nalil vody do medenice, i počal umývati nohy učedlníků a vytírati rouchou, kterouž byl přepásán.
5ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.
6Tedy přišel k Šimonovi Petrovi. A on řekl jemu: Pane, ty mi chceš nohy mýti?
6Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
7Odpověděl Ježíš a řekl jemu: Co já činím, ty nevíš nyní, ale potom zvíš.
7Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
8Dí jemu Petr: Nebudeš ty mýti noh mých na věky. Odpověděl jemu Ježíš: Neumyji-liť tebe, nebudeš míti dílu se mnou.
8Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.
9Dí jemu Šimon Petr: Pane, netoliko nohy mé, ale i ruce i hlavu.
9Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
10Řekl jemu Ježíš: Kdož jest umyt, nepotřebuje, než aby nohy umyl; nebo čist jest všecken. I vy čistí jste, ale ne všickni.
10Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11Nebo věděl o zrádci svém; protož řekl: Ne všickni čistí jste.
11Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12Když pak umyl nohy jejich a vzal na sebe roucho své, posadiv se za stůl zase, řekl jim: Víte-liž, co jsem učinil vám?
12Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
13Vy nazýváte mne Mistrem a Pánem, a dobře pravíte, jsemť zajisté.
13Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
14Poněvadž tedy já umyl jsem nohy vaše, Pán a Mistr, i vy máte jeden druhému nohy umývati.
14Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
15Příklad zajisté dal jsem vám, abyste, jakož jsem já učinil vám, i vy též činili.
15Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
16Amen, amen pravím vám: Není služebník větší pána svého, ani posel větší nežli ten, kdož jej poslal.
16Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
17Znáte-li tyto věci, blahoslavení jste, budete-li je činiti.
17Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
18Ne o všechť vás pravím. Já vím, které jsem vyvolil, ale musí to býti, aby se naplnilo písmo: Ten, jenž jí chléb se mnou, pozdvihl proti mně paty své.
18Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9). [Na: miara-komana amiko]
19Nyní pravím vám, prve než by se to stalo, abyste, když se stane, uvěřili, že já jsem.
19Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
20Amen, amen pravím vám: Kdo přijímá toho, kohož bych já poslal, mneť přijímá; a kdož mne přijímá, přijímá toho, kterýž mne poslal.
20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
21A to pověděv Ježíš, zkormoutil se v duchu, a osvědčil, řka: Amen, amen pravím vám, že jeden z vás mne zradí.
21Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
22Tedy učedlníci vzhlédali na sebe vespolek, pochybujíce, o kom by to pravil.
22Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
23Byl pak jeden z učedlníků Ježíšových, kterýž zpolehl na klíně jeho, jehož miloval Ježíš.
23Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.
24Protož tomu návěští dal Šimon Petr, aby se zeptal, kdo by to byl, o němž praví?
24Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
25A on odpočívaje na prsech Ježíšových, řekl jemu: Pane, kdo jest?
25Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
26Odpověděl Ježíš: Ten jest, komuž já omočené skyvy chleba podám. A omočiv skyvu chleba, podal Jidášovi, synu Šimona Iškariotského.
26Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.
27A hned po vzetí toho chleba vstoupil do něho satan. I řekl jemu Ježíš: Co činíš, čiň spěšně.
27Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
28Tomu pak žádný z přísedících nerozuměl, k čemu by jemu to řekl.
28Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy.
29Nebo někteří se domnívali, poněvadž Jidáš měšec měl, že by jemu řekl Ježíš: Nakup těch věcí, kterýchž jest nám potřebí k svátku, anebo aby něco chudým dal.
29Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.
30A on vzav skyvu chleba, hned vyšel. A byla již noc.
30Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.
31Když pak on vyšel, dí Ježíš: Nyníť oslaven jest Syn člověka, a Bůh oslaven jest v něm.
31Ary tamin'izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
32A poněvadž Bůh oslaven jest v něm, i Bůh oslaví jej sám v sobě, a to hned oslaví jej.
32Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy.
33Synáčkové, ještě maličko s vámi jsem. Hledati mne budete, a jakož jsem řekl Židům: Kam já jdu, vy nemůžete přijíti, tak i vám pravím nyní.
33Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
34Přikázání nové dávám vám, abyste se milovali vespolek; jakož já miloval jsem vás, tak abyste i vy milovali jeden druhého.
34Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
35Po tomť poznají všickni, že jste moji učedlníci, budete-li míti lásku jedni k druhým.
35Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
36Dí jemu Šimon Petr: Pane, kam jdeš? Odpověděl mu Ježíš: Kam já jdu, nemůžeš ty nyní jíti za mnou, ale půjdeš potom.
36Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
37Dí jemu Petr: Pane, proč bych nemohl nyní jíti za tebou? A já duši svou za tebe položím.
37Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.
38Odpověděl jemu Ježíš: Duši svou za mne položíš? Amen pravím tobě: Nezazpíváť kohout, až mne třikrát zapříš.
38Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.