1To když uslyšel Jabín, král Azor, poslal k Jobábovi, králi Mádon, a k králi Simron, a k králi Achzaf,
1[Ny nandresena ny mpanjaka rehetra any Kanana Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany Kanana rehetra] Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
2I k králům, kteříž bydlili k straně půlnoční na horách i na rovinách ku polední Ceneret, i na rovinách a v krajinách Dor na západ,
2ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana, [Heb. Arabà][Heb. Sefela]
3K Kananejskému na východ i na západ, a k Amorejskému, Hetejskému, Ferezejskému a Jebuzejskému na horách, a k Hevejskému pod horou Hermon v zemi Masfa.
3dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.
4I vytáhli všickni ti a všecka vojska jejich s nimi, lid mnohý jako písek, kterýž jest na břehu mořském nesčíslný, i koňů i vozů velmi mnoho.
4Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
5A smluvivše se všickni králové ti, přitáhli a položili se spolu při vodách Merom, aby bojovali proti Izraelovi.
5Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma.
6Řekl pak Hospodin k Jozue: Neboj se jich, nebo zítra o této chvíli vydám všecky tyto k zabití Izraelovi; koňům jejich žily podřežeš, a vozy jejich ohněm spálíš.
6Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7Tedy vytáhl Jozue a s ním všecken lid válečný proti nim k vodám Merom rychle, a udeřili na ně.
7Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy.
8I dal je Hospodin v ruku Izraelovi, a porazili je. I honili je až k Sidonu velikému, a až k vodám Maserefot, a k údolí Masfe na východ, a pobili je, tak že nepozůstavili žádného živého.
8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
9A učinil jim Jozue, jakož byl rozkázal jemu Hospodin, koňům jejich žily zpodřezoval, a vozy jejich ohněm popálil.
9Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo.
10Potom navrátiv se Jozue téhož času, dobyl Azor, a krále jeho zabil mečem. Azor pak bylo prvé nejznamenitější mezi všemi království těmi.
10Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
11Pobili také všecko, cožkoli v něm živo bylo, mordujíce je mečem, tak že nezůstalo žádného živého; Azor pak spálil ohněm.
11Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
12Takž podobně učinil všechněm městům králů těch, a všecky krále jejich zjímal Jozue, a zbiv je mečem, vyhladil je, jakož přikázal Mojžíš, služebník Hospodinův.
12Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
13A však žádného města z těch, kteráž ještě zůstala v ohradě své, nespálil Izrael, kromě samého Azor, kteréž spálil Jozue.
13Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa.
14A všecky loupeže měst těch i hovada rozdělili mezi sebou synové Izraelští; toliko všecky lidi zbili mečem, dokudž nevyhladili jich, nenechavše žádného živého.
14Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
15Jakož byl přikázal Hospodin Mojžíšovi, služebníku svému, tak přikázal Mojžíš Jozue, a Jozue tak činil; nepominul ničeho toho, což byl přikázal Hospodin Mojžíšovi.
15Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
16A tak vzal Jozue všecku tu zemi, hory i všecku stranu polední, i všecku zemi Gosen, i roviny, i pole, totiž hory Izraelské i roviny jejich,
16Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, [Heb. Sefela][Heb. Arabà]
17Od hory Halak, kteráž se táhne do Seir, až k Balgad na rovině Libánské, pod horou Hermon; všecky také krále jejich zjímal, a zbil je i zmordoval.
17hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
18Po mnohé dny Jozue vedl válku se všechněmi těmi králi.
18Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny.
19A nebylo města, ješto by v pokoj vešlo s syny Izraelskými, kromě Hevejských obyvatelů v Gabaon; jiná všecka válkou vzali.
19Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.
20Nebo od Hospodina to bylo, že jsou zatvrdili byli srdce své, tak aby vyšli válečně proti Izraelovi, a aby je v prokletí vydal, a neučinil jim milosti, ale aby je zahubil, jakož přikázal Hospodin Mojžíšovi.
20Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Heb. herema]
21Toho pak času přitáhl Jozue a vyplénil Enaky z těch hor, totiž z Hebronu, z Dabir a z Anab, i ze všeliké hory Judské, a ze všeliké hory Izraelské; spolu s městy jejich vyhladil je Jozue.
21Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
22Nezůstal žádný z Enaků v zemi synů Izraelských; toliko v Gáze, v Gát a v Azotu zůstali.
22Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
23Tak tedy vzal Jozue všecku tu zemi, jakž byl rozkázal Hospodin Mojžíšovi, a dal ji Jozue v dědictví Izraelovi vedlé dílů jejich, po pokoleních jejich. I odpočinula země od válek.
23Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.