Czech BKR

Malagasy

Joshua

19

1Potom padl los druhý Simeonovi, pokolení synů Simeonových, po čeledech jejich, a bylo dědictví jejich u prostřed dědictví synů Juda.
1Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda.
2A přišlo jim v dědictví jejich Bersabé, Seba a Molada;
2Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
3Azarsual a Bala, též Esem;
3sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
4Eltolad a Betul, a Horma;
4sy Eltolada sy Betola sy Horma
5Sicelech a Betmarchabot, a Azarsusa;
5sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
6Betlebaot a Sarohem, měst třinácte i vsi jejich;
6sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
7Ain, Remmon, též Eter a Asan, města čtyři i vsi jejich;
7sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
8I všecky vsi, kteréž byly vůkolí měst těch, až do Balatber a Rámat poledního. To jest dědictví pokolení synů Simeonových po čeledech jejich.
8ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony.
9Z podílu synů Judových bylo dědictví synů Simeonových; nebo díl synů Judových byl jim příliš veliký, protož u prostřed dědictví jejich vzali dědictví synové Simeonovi.
9Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.
10Potom přišel třetí los synům Zabulon po čeledech jejich, a jest meze dědictví jejich až do Sarid.
10Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida,
11Odkudž vstupuje meze jejich podlé moře k Merala, a přichází až do Debaset, a běží až ku potoku, kterýž jest proti Jekonam.
11dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama,
12Obrací se pak od Sarid nazpátek k východu slunce, ku pomezí Chazelet Tábor, a odtud táhne se k Daberet, a vstupuje do Jafie.
12dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
13Odtud přechází zase k východu, do Gethefer a do Itakasin, odkudž vychází do Remmon, a točí se k Nea.
13dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an'i Nea,
14Točí se také táž meze od půlnoci do Anaton, a dochází až k údolí Jeftael;
14dia niolaka eo avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela.
15A Katet, Naalol, Simron, Idala a Betlém, měst dvanácte i vsi jejich.
15Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
16To jest dědictví synů Zabulonových po čeledech jejich, ta města i vsi jejich.
16Izany no lovan'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
17Izacharovi také padl los čtvrtý, totiž synům Izacharovým po čeledech jejich.
17Ary ny loka fahefatra dia azon'Isakara, dia ny taranak'Isakara isam-pokony.
18A meze jejich: Jezreel, Kasalat a Sunem;
18Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
19Hafaraim, Sion, též Anaharat;
19sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
20Rabbot, Kesion a Abez,
20sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
21Ramet, Engannim a Enhada, i Betfeses.
21sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
22Odkudž přibíhá meze k Táboru a k Sehesima a k Betsemes, a dochází až k Jordánu, měst šestnácte i vsi jejich.
22Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
23To jest dědictví pokolení synů Izacharových po čeledech jejich, ta města i vsi jejich.
23Izany no lovan'ny firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
24Padl také los pátý pokolení synů Asser po čeledech jejich.
24Ary ny loka fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony.
25A byla meze jejich: Helkat a Chali, a Beten, a Achzaf;
25Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
26Elmelech, též Amaad a Mesal, a přibíhá až na Karmel k moři, a do Sichor Libnat;
26sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
27A obrací se k východu slunce do Betdagon, a dosahá k losu Zabulonovu, a do údolí Jeftael k půlnoci, a do Betemek a Nehiel, a táhne se do Kábul na levou stranu,
27dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
28A do Ebron a Rohob, a Hamon a Kána až do Sidonu velikého.
28ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
29Odtud se navrací ta meze do Ráma až k městu hrazenému Zor; tu se obrací do Chosa, a skonává se při moři podlé vyměření v Achziba.
29dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba
30K tomu přísluší Afek a Rohob, měst dvamecítma i vsi jejich.
30ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
31To jest dědictví pokolení synů Asser po čeledech jejich, ta města i vsi jejich.
31Izany no lovan'ny firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
32Synům Neftalímovým padl los šestý, po čeledech jejich.
32Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony.
33A byla meze jejich od Helef a od Elon do Sananim, a Adami, Nekeb a Jebnael, až do Lekum, a skonává se u Jordánu.
33Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana,
34Potom navracuje se meze na západ k Azanot Tábor, a odtud jde do Hukuka, a vpadá k Zabulonovu od poledne, a k Asserovu přibíhá od západu, a k Judovu při Jordánu na východ slunce.
34dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana.
35Města pak hrazená jsou: Assedim, Ser a Emat, Rechat a Ceneret;
35Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
36Adama, Ráma a Azor;
36sy Adama sy Rama sy Hazora
37Kedes, Edrei a Enazor;
37sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
38Jeron, Magdalel, Horem, Betanat a Betsemes, měst devatenácte i vsi jejich.
38sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
39To jest dědictví pokolení synů Neftalím po čeledech jejich, ta města s vesnicemi svými.
39Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
40Na pokolení synů Dan po čeledech jejich padl los sedmý.
40Ary ny loka fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony.
41A byla meze dědictví jejich: Zaraha a Estaol, a Hirsemes;
41Ary ny fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
42Salbin, Aialon a Jetela;
42sy Salabima sy Aialona sy Jitla
43Elon, Tamna a Ekron;
43sy Elona sy Timna sy Ekrona
44Elteke, Gebbeton a Baalat;
44sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
45Jehud, Beneberak a Getremmon;
45sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
46Mehaiarkon a Rakon s pomezím, kteréž jest naproti Joppe.
46sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
47Přišlo pak pomezí synům Dan příliš malé. Protož vstoupili synové Dan, a bojovali proti Lesen, a dobyvše ho, pobili obyvatele ostrostí meče, a vzavše je v dědictví, bydlili tam, a přezděli Lesenu Dan, vedlé jména Dan otce svého.
47Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
48To jest dědictví pokolení synů Dan po čeledech jejich, ta města i vsi jejich.
48Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
49Když pak přestali děliti se zemí po mezech jejích, dali synové Izraelští dědictví Jozue, synu Nun, mezi sebou.
49Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona.
50Podlé rozkázaní Hospodinova dali jemu město, kteréhož žádal, Tamnatsára, na hoře Efraim. I vystavěl město, a přebýval v něm.
50Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
51Ta jsou dědictví, kteráž dali k vládařství Eleazar kněz a Jozue syn Nun, i přední z otců pokolení synů Izraelských, losem v Sílo před Hospodinem, u dveří stánku úmluvy, a tak dokonali rozdělování země.
51Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.