Czech BKR

Malagasy

Joshua

22

1Toho času povolav Jozue Rubenitských, Gáditských a polovice pokolení Manassesova,
1[Ny nampodiana ny firenena roa sy sasany any an-dafy atsinanan'i Jordana, sy nanorenany ilay alitara teo amoron'i Jordana, ary ny nataon'ny firenena sasany tamin'izany. ] Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase,
2Řekl jim: Vy jste ostříhali všeho, což přikázal vám Mojžíš, služebník Hospodinův, a poslouchali jste hlasu mého ve všem, což jsem přikázal vám.
2ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
3Neopustili jste bratří svých již za dlouhý čas až do dne tohoto, ale bedlivě jste ostříhali přikázaní Hospodina Boha vašeho.
3tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
4Nyní pak již odpočinutí dal Hospodin Bůh váš bratřím vašim, jakož mluvil jim; již tedy navraťte se a beřte se do stanů svých, do země vládařství svého, kteréž vám dal Mojžíš, služebník Hospodinův, před Jordánem.
4Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana.
5Toliko hleďte pilně zachovávati a plniti přikázaní a zákon, kterýž přikázal vám Mojžíš, služebník Hospodinův, a milovati Hospodina Boha svého a choditi po všech cestách jeho, a zachovávajíce přikázaní jeho, přídržeti se ho, a sloužiti jemu celým srdcem svým a celou duší svou.
5Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
6A požehnav jim Jozue, propustil je; i odešli do stanů svých.
6Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
7(Polovici pak pokolení Manassesova dal byl Mojžíš dědictví v Bázan, a druhé polovici jeho dal Jozue s bratřími jejich za Jordánem k západu.) A když je propouštěl Jozue do stanů jejich, požehnal jim,
7Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
8A mluvil k nim, řka: S bohatstvím velikým navracujete se do stanů svých a s dobytky velmi mnohými, s stříbrem a zlatem, s mědí a železem a rouchem velmi mnohým; rozděltež se loupeží nepřátel svých s bratřími svými.
8ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.
9Tedy navracujíce se, odešli synové Rubenovi a synové Gádovi a polovice pokolení Manassesova od synů Izraelských z Sílo, jenž jest v zemi Kananejské, aby šli do země Galád, do země vládařství svého, v kteréž dědictví obdrželi, vedlé řeči Hospodinovy skrze Mojžíše.
9Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.
10A přišedše ku pomezí při Jordánu, kteréž jest v zemi Kananejské, i vzdělali tu synové Rubenovi, a synové Gádovi, a polovice pokolení Manassesova oltář nad Jordánem, oltář veliký ku podivení.
10Ary raha tonga teo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.
11Uslyšeli pak synové Izraelští, že praveno bylo: Aj, vystavěli synové Rubenovi a synové Gádovi, a polovice pokolení Manassesova oltář naproti zemi Kananejské, při pomezi u Jordánu, kdež přešli synové Izraelští.
11Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.
12Uslyševše, pravím, synové Izraelští, sešlo se všecko množství jejich do Sílo, aby táhli proti nim k boji.
12Ary nony ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
13I poslali synové Izraelští k synům Rubenovým a k synům Gádovým a ku polovici pokolení Manassesova do země Galád Fínesa, syna Eleazara kněze,
13Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada,
14A deset knížat s ním, po jednom knížeti z každého domu otcovského, ze všech pokolení Izraelských. (Každý pak z nich byl přední v domě otců svých v tisících Izraele.)
14sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
15Ti přišli k synům Rubenovým a k synům Gádovým a ku polovici pokolení Manassesova do země Galád, a mluvili s nimi, řkouce:
15Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
16Toto praví všecko shromáždění Hospodinovo: Jaké jest to přestoupení, jímž jste přestoupili proti Bohu Izraelskému, odvrátivše se dnes, abyste nešli za Hospodinem, vzdělavše sobě oltář, abyste se protivili dnes Hospodinu?
16Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
17Ještě-liž se nám malá zdá nepravost modly Fegor, od níž nejsme očištěni až do dnes, pročež byla rána v shromáždění Hospodinovu,
17Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah,
18Že vy přes to odvracujete se dnes, abyste nešli za Hospodinem? I stane se, poněvadž vy dnes odporujete Hospodinu, že on zítra na všecko shromáždění Izraelské rozhěvá se.
18no dia mihodina miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
19Jestližeť jest nečistá země vládařství vašeho, přejděte do země vládařství Hospodinova, v níž přebývá stánek Hospodinův, a dědictví vezměte mezi námi; toliko proti Hospodinu se nepostavujte, a nebuďte odporní nám, stavějíce sobě oltář mimo oltář Hospodina Boha našeho.
19Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.
20Zdali Achan syn Záre nedopustil se přestoupení při věci proklaté? A přišlo rozhněvání na všecko shromáždění Izraelské, a on sám jeden zhřešiv, nezahynul pro svou nepravost sám.
20Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.[Heb. herema; izahao Lev. xxii. 28]
21I odpověděli synové Rubenovi a synové Gádovi a polovice pokolení Manassesova, a mluvili s knížaty tisíců Izraelských:
21Dia namaly ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nanao tamin'ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely hoe:
22Silný Bůh Hospodin, silný Bůh Hospodin, onť ví, ano sám Izrael pozná, žeť jsme ne z zpoury a všetečnosti proti Hospodinu to učinili, jináč nezachovávejž nás ani dne tohoto.
22Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin'i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
23Jistě žeť jsme nestavěli sobě oltáře k tomu, abychom se odvrátiti měli a nejíti za Hospodinem, ani k obětování na něm zápalů a obětí suchých, a k obětování na něm obětí pokojných, sic jináč Hospodin sám ať to vyhledává.
23raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
24Anobrž raději obávajíce se té věci, učinili jsme to, myslíce: Potom mluviti budou synové vaši synům našim, řkouce: Co vám do Hospodina Boha Izraelského?
24fa tahotra tokoa no anton'ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
25Poněvadž meze položil Hospodin mezi námi a vámi, ó synové Rubenovi a synové Gádovi, Jordán tento, nemáte vy dílu v Hospodinu. I odvrátí synové vaši syny naše od bázně Hospodinovy.
25fa Jordana no nataon'i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan'ny taranakareo tsy hatahotra an'i Jehovah ny taranakay,
26Protož jsme řekli: Přičiňme se a vzdělejme oltář, ne pro zápaly a oběti,
26Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,
27Ale aby byl svědkem mezi námi a vámi, a mezi potomky našimi po nás, k vykonávání služby Hospodinu před ním zápaly našimi, a obětmi našimi a pokojnými obětmi našimi, a aby neřekli potom synové vaši synům našim: Nemáte dílu v Hospodinu.
27fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.
28Protož jsme řekli: Jestliže by potom mluvili nám neb potomkům našim, tedy odpovíme: Vizte podobenství oltáře Hospodinova, kterýž učinili otcové naši, ne pro zápaly ani oběti, ale aby byl na svědectví mezi námi a vámi.
28Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
29Odstup to od nás, abychom odporovati měli Hospodinu, a odvraceti se dnes a nejíti za Hospodinem, stavějíce oltář k zápalům, k obětem suchým a jiným obětem, mimo oltář Hospodina Boha našeho, kterýž jest před stánkem jeho.
29Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny.
30Uslyšev pak Fínes kněz a knížata shromáždění a přední z tisíců Izraelských, kteříž s ním byli, slova, kteráž mluvili synové Rubenovi a synové Gádovi a synové Manassesovi, líbilo se jim.
30Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.
31I řekl Fínes, syn Eleazara kněze, synům Rubenovým a synům Gádovým, i synům Manassesovým: Nyní jsme poznali, že u prostřed nás jest Hospodin, a že jste se nedopustili proti Hospodinu přestoupení toho, a tak vysvobodili jste syny Izraelské z ruky Hospodinovy.
31Ary hoy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin'i Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny Zanak'Isiraely tamin'ny tànan'i Jehovah ianareo.
32Tedy navrátil se Fínes, syn Eleazara kněze, i ta knížata od synů Rubenových a od synů Gádových z země Galád do země Kananejské k synům Izraelským a oznámili jim tu věc.
32Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
33I líbilo se to synům Izraelským, a dobrořečili Boha synové Izraelští, a již více nemluvili o to, aby táhli proti nim k boji a zkazili zemi, v kteréž synové Rubenovi a synové Gádovi bydlili.
33Ary sitraky ny zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
34Nazvali pak synové Rubenovi a synové Gádovi oltář ten Ed, řkouce: Nebo svědkem bude mezi námi, že Hospodin jest Bůh.
34Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.