1Jefte pak Galádský byl muž udatný a byl syn ženy nevěstky, z níž zplodil Galád řečeného Jefte.
1Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
2Ale i manželka Galádova naplodila mu synů, a když dorostli synové manželky té, vyhnali Jefte. Nebo řekli jemu: Nebudeš děditi v domě otce našeho, nebo jsi postranní ženy syn.
2Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
3Protož utekl Jefte od tváři bratří svých, a bydlil v zemi Tob; a sběhli se k Jefte lidé povaleči, a vycházeli s ním.
3Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.
4Stalo se pak po těch dnech, že bojovali Ammonitští proti Izraelským.
4Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
5A když počali bojovati Ammonitští proti nim, odešli starší Galádští, aby zase přivedli Jefte z země Tob.
5Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.
6I řekli k Jefte: Poď a buď vůdce náš, abychom bojovali proti Ammonitským.
6Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.
7Odpověděl Jefte starším Galádským: Zdaliž jste vy mne neměli v nenávisti, a nevyhnali jste mne z domu otce mého? Pročež tedy nyní přišli jste ke mně, když ssouženi jste?
7Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
8I řekli starší Galádští k Jefte: Proto jsme se nyní navrátili k tobě, abys šel s námi a bojoval proti Ammonitským, a byl nám všechněm obyvatelům Galádským za vůdce.
8Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
9Tedy odpověděl Jefte starším Galádským: Poněvadž mne zase uvodíte, abych bojoval proti Ammonitským, když by mi je dal Hospodin v moc, budu-li vám za vůdce?
9Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
10I řekli starší Galádští k Jefte: Hospodin bude svědkem mezi námi, jestliže neučiníme vedlé slova tvého.
10Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
11A tak šel Jefte s staršími Galádskými, a představil jej sobě lid za vůdci a kníže, a mluvil Jefte všecka slova svá před Hospodinem v Masfa.
11Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.
12Potom poslal Jefte posly k králi Ammonitskému s tímto poručením: Co máš ke mně, že jsi vytáhl na mne, abys bojoval proti zemi mé?
12Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?
13I odpověděl král Ammonitský poslům Jefte: Že vzal Izrael zemi mou, když vyšel z Egypta, od Arnon až k Jaboku a až k Jordánu; protož nyní vrať mi ji pokojně.
13Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.
14Opět pak poslal Jefte posly k králi Ammonitskému,
14Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona
15A řekl jemu: Takto praví Jefte: Nevzalť Izrael země Moábské, ani země synů Ammonových.
15ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.
16Ale když vyšli z Egypta, šel Izrael přes poušť až k moři Rudému, a přišel do Kádes.
16Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
17Odkudž poslal Izrael posly k králi Edomskému, řka: Prosím, nechť projdu skrze zemi tvou. A nechtěl ho slyšeti král Edomský. Poslal také k králi Moábskému, a nechtěl povoliti. A tak zůstal Izrael v Kádes.
17Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
18Potom když šel přes poušť, obcházel zemi Edomskou a zemi Moábskou, a přišed od východu slunce zemi Moábské, položil se před Arnon, a nevešli na pomezí Moábské; nebo Arnon jest meze Moábských.
18Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
19Protož poslal Izrael posly k Seonovi králi Amorejskému, to jest, k králi Ezebon, a řekl jemu Izrael: Prosím, nechť projdu skrze zemi tvou až k místu svému.
19Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny fonenanay.
20Ale Seon nedověřoval Izraelovi, aby přejíti měl pomezí jeho. Protož shromáždil Seon všecken lid svůj, a položili se v Jasa, a bojoval proti Izraelovi.
20Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.
21I dal Hospodin Bůh Izraelský Seona i všecken lid jeho v ruku Izraelských, a porazili je. I opanoval dědičně Izrael všecku zemi Amorejského, té země obyvatele.
21Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany.
22A tak opanovali všecko pomezí Amorejského od Arnon až k Jaboku a od pouště až k Jordánu.
22Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.
23Když tedy Hospodin Bůh Izraelský vyhladil Amorejského od tváři lidu svého Izraelského, proč ty chceš panovati nad ním?
23Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
24Zdaliž tím, což tobě dal Chámos bůh tvůj k vládařství, vládnouti nemáš? Takž, kterékoli vyhladil Hospodin Bůh náš od tváři naší, jejich dědictvím my vládneme.
24Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
25K tomu pak, zdali jsi ty čím lepší Baláka syna Seforova, krále Moábského? Zdali se kdy vadil s Izraelem? Zdali kdy bojoval proti nim?
25Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
26Ješto již bydlí Izrael v Ezebon a ve vsech jeho, i v Aroer, a ve vsech jeho, i ve všech městech, kteráž jsou při pomezí Arnon, za tři sta let. Proč jste jí neodjali v tak dlouhém času?
26Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?
27Protož ne já provinil jsem proti tobě, ale ty mně zle činíš, bojuje proti mně. Nechť soudí Hospodin soudce dnes mezi syny Izraelskými a mezi syny Ammonovými.
27Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
28Král pak Ammonitský neuposlechl slov Jefte, kteráž vzkázal jemu.
28Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
29V tom nadšen byl Jefte duchem Hospodinovým, i táhl skrze Galád a Manasse, prošel i Masfa v Galád, a z Masfy v Galád táhl proti Ammonitským.
29Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.
30(Učinil pak Jefte slib Hospodinu, a řekl: Jestliže jistotně dáš mi Ammonitské v ruku mou:
30Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona,
31I stane se, že což by koli vyšlo ze dveří domu mého mně vstříc, když se vrátím v pokoji od Ammonitských, bude Hospodinovo, abych to obětoval v obět zápalnou.)
31dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
32Přitáhl tedy Jefte na Ammonitské, aby bojoval proti nim, a dal je Hospodin v ruku jeho.
32Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.
33I pobil je od Aroer, až kudy se jde do Mennit, dvadceti měst, a až do Abel vinic porážkou velikou velmi; a sníženi jsou Ammonitští před syny Izraelskými.
33Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
34Když se pak navracoval Jefte do Masfa k domu svému, aj, dcera jeho vyšla jemu vstříc s bubny a s houfem plésajících; kterouž měl toliko jedinou, aniž měl kterého syna aneb jiné dcery.
34Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
35Stalo se pak, že když uzřel ji, roztrhl roucha svá a řekl: Ach, dcero má, velices mne ponížila; nebo jsi z těch, jenž mne kormoutí, poněvadž jsem tak řekl Hospodinu, aniž budu moci odvolati toho.
35Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
36Jemuž ona odpověděla: Můj otče, jestliže jsi tak řekl Hospodinu, učiň mi podlé toho, jakžs mluvil; kdyžť jen dal Hospodin pomstu nad nepřátely tvými, Ammonitskými.
36Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
37Řekla také otci svému: Nechť toliko toto obdržím: Odpusť mne na dva měsíce, ať jdu a vejdu na hory a opláči panenství svého, já i družičky mé.
37Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
38Kterýž řekl: Jdi. I propustil ji na dva měsíce. Odešla tedy ona i družičky její, a plakala panenství svého na horách.
38Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
39A při dokonání dvou měsíců navrátila se k otci svému, a vykonal při ní slib svůj, kterýž byl učinil. Ona pak nepoznala muže. I byl ten obyčej v Izraeli,
39Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraelyny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]
40Že každého roku scházívaly se dcery Izraelské, aby plakaly nad dcerou Jefte Galádského za čtyři dni v roce.
40ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]