Czech BKR

Malagasy

Judges

18

1V těch dnech nebylo krále v Izraeli, a toho času pokolení Dan hledalo sobě dědičného místa k bydlení, nebo se mu ještě nebylo dostalo dílu u prostřed synů Izraelských až do dne toho.
1[Ny nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha tany hitoerany] Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy.
2Tedy poslali synové Dan z čeledi své pět mužů z končin svých, mužů silných z Zaraha a Estaol, aby spatřili zemi a pilně prohlédli ji, a řekli jim: Jděte, shlédněte zemi. Kteřížto když přišli na horu Efraim až do domu Míchova, přenocovali tam.
2Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.
3Když pak byli blízko domu Míchova, poznali hlas toho mládence Levíty, a uchýlivše se tam, řekli jemu: Kdo tě sem přivedl? Co ty zde děláš? A co ty zde máš?
3Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
4Odpověděl jim: Toto mi a toto učinil Mícha, a ze mzdy najal mne, abych byl jeho knězem.
4Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
5I řekli jemu: Poraď se, prosíme, s Bohem, abychom věděli, zdaří-li se nám cesta naše, kterouž jdeme.
5Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin'ny lalana alehanay izahay, na tsia.
6Odpověděl jim kněz: Jděte v pokoji, Hospodinť spravuje cestu vaši, po níž jdete.
6Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao lalana alehanareo izao.
7Tedy odešlo pět mužů těch, a přišli do Lais, a viděli lid, kterýž tam byl, bezpečně bydlící, vedlé obyčeje Sidonských v zahálce a bezpečnosti, a že nebylo, co by je kormoutiti mělo v té zemi, ani kdo by dědičně ujíti chtěl království. K tomu i od Sidonských vzdáleni byli, aniž spříznění jaké s kým měli.
7Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso]
8Když se pak navrátili k bratřím svým do Zaraha a Estaol, řekli jim bratří jejich: Což vy?
8Dia nandeha ho any amin'ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?
9I odpověděli: Vstaňte a táhněme na ně, nebo shlédli jsme tu zemi, a aj, velmi dobrá jest; a vy mlčíte? Nelenujtež se táhnouti, a vjíti k opanování té země.
9Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
10(Když přijdete, vejdete k lidu bezpečnému, a do země prostranné;) nebo dal ji Bůh v ruku vaši, místo, v němž není žádného nedostatku jakýchkoli věcí, kteréž na zemi býti mohou.
10Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany malalaka; fa efa natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin'ny tany.
11Tedy vyšlo z čeledi Dan odtud, totiž z Zaraha a Estaol, šest set mužů oděných v odění válečné.
11Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany.
12A vytáhše, položili se u Kariatjeharim Judova; pročež nazvali to místo Mahane Dan až do dnešního dne, a jest za Kariatjeharim.
12Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).
13A odtud táhnouce na horu Efraim, přišli až k domu Míchovu.
13Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.
14I mluvilo těch pět mužů, kteříž chodili k shlédnutí země Lais, a řekli bratřím svým: Víte-liž, že v domích těchto jest efod a terafim, a rytina a slitina? Protož nyní vězte, co máte činiti.
14Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.
15A uchýlivše se tam, vešli do domu mládence Levíty v domě Míchově, a pozdravili ho pokojně.
15Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy.
16Ale šest set mužů oděných v zbroj svou válečnou, kteříž byli z pokolení Dan, stáli přede dveřmi.
16Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady.
17A šedše pět mužů, kteříž chodili k shlédnutí země, vešli tam a vzali rytinu a efod a terafim a slitinu; kněz pak stál u vrat brány s šesti sty muži oděnými v zbroji.
17Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.
18A ti, kteříž vešli do domu Míchova, vzali rytinu, efod a terafim, a slitinu. I řekl jim kněz: Což to děláte?
18Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
19Kteříž odpověděli: Mlč, vlož ruku svou na ústa svá a poď s námi, a budeš nám za otce a za kněze. Což jest lépe tobě, knězem-li býti v domě jednoho člověka, či býti knězem pokolení a čeledi v Izraeli?
19Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?
20I zradovalo se srdce kněze, a vzav efod a terafim a rytinu, šel u prostřed lidu toho.
20Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy.
21A obrátivše se odešli, a pustili napřed děti a dobytek, a což měli dražšího.
21Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany.
22Když pak opodál byli od domu Míchova, tedy muži, kteříž bydlili v domích blízkých domu Míchova, shromáždili se a honili syny Dan.
22Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana.
23I volali za syny Dan. Kteříž ohlédše se, řekli Míchovi: Cožtě, že jsi jich tolik shromáždil?
23Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?
24Odpověděl: Bohy mé, kteréž jsem udělal, vzali jste, i kněze, a odcházíte. Což pak již budu míti? A ještě se ptáte: Coť jest?
24Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
25Jemuž odpověděli synové Dan: Hlediž, ať více neslyšíme hlasu tvého za sebou, sic jináč oboří se na vás muži hněviví, a ztratíš duši svou i duše domu svého.
25Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
26I brali se muži Dan cestou svou. A vida Mícha, že by silnější byli nežli on, obrátiv se, šel do domu svého.
26Dia nandeha tamin'ny nalehany ny taranak'i Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
27Oni pak vzavše, což byl udělal Mícha, i kněze, kteréhož měl, přitáhli do Lais k lidu zahálivému a bezpečnému; i pobili je ostrostí meče, a město vypálili ohněm.
27Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.
28A nebylo žádného, kdo by jim spomohl; nebo daleko byl Sidon, aniž měli spříznění s kterými lidmi. Město pak bylo v údolí, kteréž jest v Betrohob. A vystavěvše zase město, bydlili v něm.
28Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
29A nazvali jméno města toho Dan, od jména otce svého, kterýž narozen byl Izraelovi, ješto prvé jméno města toho bylo Lais.
29Ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana rainy, izay naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny tanàna taloha.
30Postavili pak sobě synové Dan tu rytinu, a Jonatan syn Gersonův, syna Mojžíšova, on i synové jeho byli kněžími v pokolení Dan, až do dne zajetí obyvatelů země.
30Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.[Na: Manase]Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.
31Vystavili tedy sobě tu rytinu, kterouž udělal Mícha, a byla tam po všecky dny,v nichž dům Boží byl v Sílo.
31Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.