1I vyšli všickni synové Izraelští, a shromáždilo se všecko množství jednomyslně od Dan až do Bersabé, i země Galád, k Hospodinu do Masfa.
1Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.
2Kdežto postavili se přední všeho lidu, všecka pokolení Izraelská v shromáždění lidu Božího, čtyřikrát sto tisíc lidu pěšího válečného.
2Ary ny loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
3(Uslyšeli pak synové Beniamin, že by sešli se synové Izraelští v Masfa.) I řekli synové Izraelští: Povězte, kterak se stala nešlechetnost ta?
3Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
4I odpověděv muž Levíta, manžel ženy zamordované, řekl: Do Gabaa kteréž jest Beniaminovo, přišel jsem s ženinou svou, abych tam přenocoval.
4Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an'ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
5Tedy povstavše proti mně muži Gabaa, obklíčili mne v domě v noci, myslíce mne zamordovati, ženinu pak mou trápili, tak že umřela.
5Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
6Pročež vzav ženinu svou, rozsekal jsem ji na kusy, a rozeslal jsem ji do všech krajin dědictví Izraelského; nebo nešlechetnosti a mrzkosti se dopustili v Izraeli.
6Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin'ny Isiraely ireo.[Heb. fahadalana]
7Aj, všickni vy synové Izraelští jste; považte toho mezi sebou, a raďte se o to.
7Koa indreto ianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
8A povstav všecken lid jednomyslně, řekli: Nenavrátí se žádný z nás do příbytku svého, aniž odejde kdo do domu svého.
8Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
9Ale nyní toto učiníme Gabaa, losujíce proti němu.
9Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
10Vezmeme deset mužů ze sta po všech pokoleních Izraelských, a sto z tisíce, a tisíc z desíti tisíců, aby dodávali potravy lidu, kterýž by přitáhna do Gabaa Beniaminova, pomstil všech nešlechetností jeho, kterýchž se dopustilo v Izraeli.
10Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.
11I sebrali se všickni muži Izraelští na to město, snesše se za jednoho člověka.
11Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
12Poslala pak pokolení Izraelská muže do všech čeledí synů Beniamin, řkouce: Jaký to zlý skutek stal se mezi vámi?
12Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
13Nyní tedy vydejte ty muže bezbožné, kteříž jsou v Gabaa, ať je zbijeme a odejmeme zlé z Izraele. Ale nechtěli Beniaminští slyšeti hlasu bratří svých, synů Izraelských.
13Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
14Nýbrž shromáždili se synové Beniamin z měst svých do Gabaa, aby vytáhli k boji proti synům Izraelským.
14Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.
15Toho dne načteno jest synů Beniamin z měst jejich dvadceti šest tisíc mužů bojovných, kromě obyvatelů Gabaa, jichž načteno bylo šest set mužů vybraných.
15Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
16Mezi kterýmžto vším lidem bylo sedm set mužů vybraných, neužívajících pravé ruky své, z nichž každý z praku kamením házeli k vlasu, a nechybovali se.
16Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
17Mužů pak Izraelských načteno jest kromě Beniaminských čtyřikrát sto tisíc mužů bojovných; všickni tito byli muži udatní.
17Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
18Vstavše pak, brali se do domu Boha silného, a tázali se Boha, a řekli synové Izraelští: Kdo z nás půjde napřed k boji proti synům Beniamin? I řekl Hospodin: Juda půjde napřed.
18Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
19A tak ráno vstavše synové Izraelští, položili se proti Gabaa.
19Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.
20I táhli muži Izraelští k boji proti synům Beniamin, a sšikovali se muži Izraelští k bitvě proti Gabaa.
20Ary nivoaka ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an'i Gibea.
21Vyšedše pak synové Beniamin z Gabaa, porazili z Izraele toho dne dvamecítma tisíc mužů na zem.
21Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany.
22A posilnivše se muži lidu Izraelského, spořádali se zase k boji na místě, na kterémž se prvního dne zřídili.
22Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.
23Prvé pak šli synové Izraelští, a plakali před Hospodinem až do večera. I tázali se Hospodina těmi slovy: Půjdeme-li ještě k boji proti synům Beniamina bratra našeho? Odpověděl Hospodin: Jděte proti nim.
23Ary niakatra ny Zanak'Isiraely ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro, dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)
24Tedy potýkali se synové Izraelští s syny Beniamin druhého dne.
24Ary ny Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny andro faharoa hiady amin'ny taranak'i Benjamina.
25A vyšedše synové Beniamin z Gabaa na ně druhého dne, porazili z synů Izraelských opět osmnácte tisíc mužů na zem, vše mužů bojovných.
25Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
26Protož vstoupili všickni synové Izraelští a všecken lid, a přišli do domu Boha silného. I plakali, usadivše se tam před Hospodinem, a postili se toho dne až do večera; obětovali též oběti zápalné a pokojné před Hospodinem.
26Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.
27I tázali se synové Izraelští Hospodina, (nebo tu byla truhla smlouvy Boží v těch dnech,
27Dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,
28A Fínes syn Eleazara, syna Aronova, stál před ní v ten čas), řkouce: Půjdeme-li ještě k boji proti synům Beniamina bratra našeho, čili tak necháme? Odpověděl Hospodin: Jděte, nebo zítra dám je v ruku vaši.
28ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
29Tedy Izraelští zdělali zálohy proti Gabaa všudy vůkol.
29Ary nasian'ny Isiraely otrika manodidina an'i Gibea.
30I šli synové Izraelští proti synům Beniamin dne třetího, a sšikovali se proti Gabaa, jako prvé jednou i podruhé.
30Dia niakatra ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka nilahatra tandrifin'i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
31Vyšedše pak synové Beniamin proti lidu, odtrhli se od města, a počali bíti a mordovati lidu, jako prvé jednou i druhé po stezkách, (z nichž jedna šla k Bethel a druhá do Gabaa), i po poli, a okolo třidcíti mužů z Izraele.
31Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
32A řekli synové Beniamin: Padají před námi jako i prvé. Synové pak Izraelští řekli byli: Utíkejme, abychom je odtrhli od města až k stezkám.
32Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.
33A v tom všickni synové Izraelští vstavše z místa svého, sšikovali se v Baltamar; zálohy také Izraelovy vyskočily z místa svého z trávníků Gabaa.
33Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.
34Tedy vyšlo proti Gabaa deset tisíc mužů vybraných ze všeho Izraele, a bitva se rozmáhala; oni pak nevěděli o tom, že je potkati mělo zlé.
34Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
35I porazil Hospodin Beniamina před Izraelem, a zbili synové Izraelští z Beniaminských dne toho pětmecítma tisíc a sto mužů, vše bojovných.
35Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
36A vidouce synové Beniamin, že by poraženi byli, (nebo muži Izraelští ustupovali z místa Beniaminským, ubezpečivše se na zálohy, kteréž zdělali proti Gabaa.
36Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.
37Zálohy pak pospíšily a obořily se na Gabaa, a rozvláčně troubivše zálohy, zbily všecko město ostrostí meče.
37Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.
38Měli pak muži Izraelští s zálohami jistý čas uložený, aby když by oni zapálili město,
38Ary ny famantarana nifaneken'ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan'afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
39Obrátili se synové Izraelští k boji. Beniaminští pak počali bíti a mordovati, a zbili z synů Izraelských okolo třidcíti mužů; nebo řekli: Jistě že padají před námi jako v první bitvě.
39Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
40Oheň pak počal vzhůru jíti z města, a sloup dymový. A ohlédše se Beniaminští zpět, uzřeli, an vstupuje oheň města k nebi.)
40fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
41A že muži Izraelští obrátili se, i zděšeni jsou muži Beniamin, nebo viděli, že zahynutí jim nastává.
41Ary raha niverina ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
42I utíkali před muži Izraelskými cestou ku poušti, a bojovníci postihali je, a kteří z měst vyšli, mordovali je mezi sebou.
42Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo.
43A tak obklíčili Beniaminské, a honili i porazili je, od Manuha až naproti Gabaa k východu slunce.
43Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin'i Gibea atsinanany.[Na: teo Menoha]
44Tedy padlo Beniaminských osmnácte tisíc mužů; všickni ti byli muži silní.
44Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
45Těch pak, kteříž obrátivše se, utíkali na poušť k skále Remmon, zpaběrovali po cestách pět tisíc mužů; potom honili je až k Gidom, a zbili z nich dva tisíce mužů.
45Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
46A tak bylo všech, kteříž padli v ten den z Beniaminských, pětmecítma tisíc mužů bojovných, vše mužů silných.
46Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
47I obrátilo se na poušť a uteklo k skále Remmon šest set mužů, kteříž zůstali v skále Remmon za čtyři měsíce.
47Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
48Potom muži Izraelští navrátili se k synům Beniamin, a zbili je ostrostí meče, tak lidi v městech jako hovada, i všecko, což nalezeno bylo; také i všecka města, kteráž ještě pozůstávala, ohněm vypálili.
48Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.