1Muži pak Efraim řekli jemu: Co jsi nám to učinil, že jsi nepovolal nás, když jsi táhl k boji proti Madianským? A tuze se na něj domlouvali.
1Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
2Jimž odpověděl: Zdaž jsem co takového provedl, jako vy? Zdaliž není lepší paběrování Efraimovo, než vinobraní Abiezerovo?
2Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
3V ruce vaše dal Bůh knížata Madianská Goréba a Zéba, a co jsem já mohl takového učiniti, jako vy? I spokojil se duch jejich k němu, když mluvil ta slova.
3Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
4Když pak přišel Gedeon k Jordánu, přešel jej, a tři sta mužů, kteříž byli s ním, ustalí, honíce nepřátely.
4Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
5Protož řekl mužům Sochot: Dejte, prosím, po pecníku chleba lidu, kterýž za mnou jde, nebo ustali, a já honím Zebaha a Salmuna, krále ty Madianské.
5Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
6I řekl jemu jeden z knížat Sochot: Což již moc Zebahova a Salmunova jest v ruce tvé, abychom dali vojsku tvému chleba?
6Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
7Jimž řekl Gedeon: Z té příčiny, když dá Hospodin Zebaha a Salmuna v ruku mou, tehdy zmrskám těla vaše trním a bodláčím z pouště té.
7Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.[Heb. nofonareo]
8I táhl odtud do Fanuel, a podobně mluvil k nim, ale obyvatelé Fanuel odpověděli jemu tolikéž, jako muži Sochot.
8Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany.
9I řekl obyvatelům Fanuel: Když se navrátím v pokoji, zbořím věži tuto.
9Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
10Zebah pak a Salmun byli v Karkara spolu s vojsky svými, takměř patnácte tisíců, všickni, což jich bylo pozůstalo ze všeho vojska národů východních, zbitých pak bylo sto a dvadceti tisíc mužů bojovníků.
10Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
11I táhna Gedeon cestou bydlících v staních od východní strany Nobe a Jegbaa, udeřil na to vojsko, kteréžto vojsko sobě počínalo bezpečně.
11Ary Gideona niakatra tamin'ny lalan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
12Když pak utíkali Zebah a Salmun, honil je, a jal oba dva ty krále Madianské, Zebaha a Salmuna, a všecko vojsko jejich předěsil.
12Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
13I navracel se Gedeon syn Joasův z bitvy před východem slunce.
13Dia niverina avy tamin'ny ady Gideona, zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa;
14I jav mládence z obyvatelů Sochotských, vyptával se ho; kterýž sepsal mu knížata Sochot a starší jeho, sedmdesáte sedm mužů.
14ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
15Přišed pak k obyvatelům Sochot, řekl: Aj, Zebah a Salmun, pro něž jste mi utrhali, řkouce: Zdali moc Zebaha a Salmuna jest v ruce tvé, abychom dali ustalým mužům tvým chleba?
15Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
16Protož vzav starší města a trní s bodláčím z pouště té, dal na nich příklad jiným mužům Sochot.
16Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
17I věži Fanuel rozbořil, a pobil muže města.
17Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
18Potom řekl Zebahovi a Salmunovi: Jací to byli muži, kteréž jste pobili na hoře Tábor? Odpověděli oni: Takoví jako ty, jeden každý na pohledění byl jako syn královský.
18Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.
19I dí: Bratří moji, synové matky mé byli. Živť jest Hospodin, byste byli živili je, nepobil bych vás.
19Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
20Tedy řekl k Jeter prvorozenému svému: Vstaň, pobí je. Ale mládenček nevytáhl meče svého, proto že se bál, nebo byl ještě mládenček.
20Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
21I řekl Zebah a Salmun: Vstaň ty a oboř se na nás, nebo jaký jest muž, taková i síla jeho. Vstav tedy Gedeon, zabil Zebaha a Salmuna, a vzal halže, kteréž byly na hrdlech velbloudů jejich.
21Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.
22Potom řekli muži Izraelští Gedeonovi: Panuj nad námi i ty i syn tvůj, také syn syna tvého, nebo vysvobodil jsi nás z ruky Madianských.
22Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.
23I odpověděl jim Gedeon: Nebuduť já panovati nad vámi, aniž panovati bude nad vámi syn můj, Hospodin panovati bude nad vámi.
23Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
24Řekl jim také Gedeon: Žádost tuto vzložím toliko na vás, abyste mi dali jeden každý náušnici z loupeží svých; (nebo náušnice zlaté měli, proto že Izmaelitští byli.)
24Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
25I odpověděli: Rádi dáme. A prostřevše roucho, metali na ně každý náušnici z loupeží svých.
25Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.
26Byla pak váha náušnic zlatých, kteréž vyžádal, tisíc a sedm set lotů zlata, kromě halží a zlatých jableček, i roucha šarlatového, kteréž na sobě měli králové Madianští, a kromě halží, kteréž byly na hrdlech velbloudů jejich.
26Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.
27I udělal z toho Gedeon efod, a složil jej v městě svém Ofra. I smilnil tam všecken Izrael, chodě za ním, a byl Gedeonovi i domu jeho osídlem.
27Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.
28Madianští pak sníženi jsou před syny Izraelskými, aniž potom pozdvihli hlavy své; a tak byla v pokoji země za čtyřidceti let ve dnech Gedeonových.
28Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.
29A odšed Jerobál syn Joasův, přebýval v domě svém.
29Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
30Měl pak Gedeon sedmdesáte synů, kteříž pošli z bedr jeho; nebo měl žen mnoho.
30Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
31Ženina také jeho, kterouž měl v Sichem, i ta porodila jemu syna, a dala mu jméno Abimelech.
31Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
32A když umřel Gedeon syn Joasův v starosti dobré, pochován jest v hrobě Joasa otce svého v Ofra Abiezeritského.
32Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy.
33Stalo se pak po smrti Gedeonově, že se odvrátili synové Izraelští a smilnili, jdouce za modlami, a vzali sobě Bále Berit za boha.
33Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny.
34A nerozpomenuli se synové Izraelští na Hospodina Boha svého, kterýž je vytrhl z ruky všech nepřátel jejich vůkol.
34Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina,sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.
35A neučinili milosrdenství s domem Jerobále Gedeona, jako on všecko dobré činil Izraelovi.
35sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.