Czech BKR

Malagasy

Leviticus

20

1Mluvil pak Hospodin k Mojžíšovi, řka:
1[Ny amin'ny fampijaliana hatao amin'izay mandika ireo lalàna ireo] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Synům také Izraelským díš: Kdo by koli z synů Izraelských a z příchozích, kteříž by byli pohostinu v Izraeli, dal z semene svého modle Moloch, smrtí umře. Lid země té kamením jej uhází.
2Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
3Nebo já postavím tvář svou proti takovému, a vyhladím ho z prostředku lidu jeho, proto že z semene svého dal modle Moloch, a tak zprznil svatyni mou, a poškvrnil jména svatosti mé.
3Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an'i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.
4Jestliže by pak lid země té všelijak přehlídal to na člověku tom, kterýž by dal z semene svého modle Moloch, a nezahubil by ho:
4Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an'i Moloka ny zanany,
5Tedy já postavím tvář svou proti muži tomu a proti čeledi jeho, a vyhladím ho i všecky, kteříž smilníce, odcházeli po něm, aby smilnili, následujíce Molocha, z prostředku lidu jeho.
5dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.
6Duše, kteráž by se obrátila k hadačům a věšťcům, aby smilnila, postupujíc po nich: postavím tvář svou proti duši té, a vyhladím ji z prostředku lidu jejího.
6Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin'ny fireneny izy.
7A protož posvěťte se a buďte svatí, nebo já jsem Hospodin Bůh váš.
7Dia manamasina ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8A ostříhejte ustanovení mých, a čiňte je: Já jsem Hospodin posvětitel váš.
8Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo.
9Kdož by koli zlořečil otci svému neb matce své, smrtí umře. Otci svému a matce své zlořečil, krev jeho bude na něm.
9Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
10Muž, pak, kterýž by se cizoložství dopustil s ženou něčí, že zcizoložil s ženou bližního svého, smrtí umře cizoložník ten i cizoložnice.
10Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
11A kdož by koli obcoval s ženou otce svého, hanbu otce svého odkryl. Smrtí umrou oba dva, krev jejich bude na ně.
11Ary ny olona izay mandry amin'ny vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
12Kdož by pak obcoval s nevěstou svou, smrtí umrou oba dva. Mrzkosti se dopustili, krev jejich bude na ně.
12Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
13A kdož by se scházel s pohlavím mužským jako s ženou, ohavnost učinili oba dva. Smrtí umrou, krev jejich bude na ně.
13Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
14A kdož by vzal ženu a matku její nešlechetnost jest. Ohněm spálí i jej i je, aby nebylo nešlechetností u prostřed vás.
14Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
15Kdož by pak obcoval s hovadem, smrtí umře, a hovado zabijete.
15Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
16Tolikéž žena, kteráž by přistoupila k některému hovadu, aby obcovala s ním, zabiješ ji i to hovado. Smrtí umrou, krev jejich bude na ně.
16Ary raha misy vehivavy manatona handry amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
17Kdož by koli vezma sestru svou, dceru otce svého, aneb dceru matky své, viděl by hanbu její, a ona také viděla by hanbu jeho, mrzkost jest. Protož vyhlazeni budou před očima synů lidu svého; nebo hanbu sestry své odkryl, nepravost svou ponese.
17Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
18A kdož by koli spal s ženou v její nemoci a obnažil by hanbu její, a tok její by odkryl, i ona ukázala by krvotok svůj: vyhlazeni budou oba z prostředku lidu svého.
18Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa.
19Hanby sestry matky své a sestry otce svého neodkryješ. Nebo kdož by to učinil, krevní přítelkyni svou by obnažil; protož nepravost svou ponesou.
19Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
20Kdož by pak spal s ženou strýce svého, hanbu strýce svého odkryl. Ponesou hřích svůj, bez dětí zemrou.
20Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
21Tolikéž kdož by vzal manželku bratra svého, mrzkost jest. Hanbu bratra svého obnažil, protož bez dětí budou.
21Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
22Ostříhejtež tedy všech ustanovení mých a všech soudů mých, a čiňte je, aby nevyvrátila vás země, do níž já uvozuji vás, abyste v ní bydlili.
22Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
23Aniž choďte v ustanoveních národu toho, kterýž já vyvrhu od tváři vaší; nebo všecky ty věci činili, a měl jsem je v ošklivosti.
23Ary aza manaraka ny fanaon'ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
24Vám jsem pak řekl: Vládnouti budete zemí jejich, a já dám ji vám, abyste ji dědičně obdrželi, zemi tekoucí mlékem a strdí. Já jsem Hospodin Bůh váš, kterýž jsem vás oddělil od jiných národů.
24Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin'ny firenena samy hafa.
25Protož vy mějte rozdíl mezi hovadem čistým a nečistým, a mezi ptákem čistým a nečistým, a nepoškvrňujte duší svých hovady a ptactvem, a tím vším, což se plazí po zemi, kteréž jsem já vám oddělil, abyste je měli za nečisté.
25Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
26Ale budete mi svatí; nebo svatý jsem já Hospodin, a oddělil jsem vás od jiných národů, abyste byli moji.
26Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
27Muž pak neb žena, kteříž by měli ducha čarodějného a věštího, smrtí umrou. Kamením uházejí je, krev jejich bude na ně.
27Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.