Czech BKR

Malagasy

Leviticus

24

1Mluvil pak Hospodin k Mojžíšovi, řka:
1[Ny amin'ny fanamboarana ny jiro sy ny fanaovana ny mofo aseho] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Přikaž synům Izraelským, ať přinesou tobě oleje olivového, čistého, vytlačeného, k svícení, aby lampy ustavičně rozsvěcovány byly.
2Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
3Před oponou svědectví v stánku úmluvy zpořádá je Aron, aby hořely od večera až do jitra před Hospodinem vždycky. Toť bude ustanovení věčné v národech vašich.
3Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.
4Na svícen čistý rozstavovati bude lampy před Hospodinem vždycky.
4Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
5A vezma mouky bělné, upečeš z ní dvanácte koláčů; jeden každý koláč bude ze dvou desetin efi.
5Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray.
6A rozkladeš je dvěma řady, šest v řadu jednom, na stole čistém před Hospodinem.
6Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
7Dáš také na každý řad kadidla čistého, aby bylo za každý chléb ten kouření pamětné v obět ohnivou Hospodinu.
7Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
8Každého dne sobotního klásti budete je řadem před Hospodinem vždycky, berouce je od synů Izraelských smlouvou věčnou.
8Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
9I budou Aronovi a synům jeho, kteřížto jísti budou je na místě svatém; nebo nejsvětější věc jest jim z obětí ohnivých Hospodinových právem věčným.
9Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.
10Vyšel pak syn ženy Izraelské, kteréhož měla s mužem Egyptským, mezi syny Izraelskými, a vadili se v staních syn ženy té Izraelské s mužem Izraelským.
10[Ny amin'ny fampijaliana izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah mbamin'ny valin'ny famonoana] Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
11I zlořečil syn ženy té Izraelské a rouhal se jménu Božímu. Tedy přivedli ho k Mojžíšovi. (Jméno pak matky jeho bylo Salumit, dcera Dabri, z pokolení Dan.)
11Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy);
12A dali jej do vězení, až by jim bylo oznámeno, co s ním Bůh káže učiniti.
12ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah.
13Mluvil pak Hospodin k Mojžíšovi, řka:
13Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
14Vyveď toho ruhače ven z stanů, a nechať všickni ti, kteříž slyšeli, vloží ruce na hlavu jeho, a všecken lid ať ho ukamenuje.
14Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
15Mluvě pak k synům Izraelským, díš jim: Kdož by koli zlořečil Bohu svému, poneseť hřích svůj.
15Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka,
16Kdož by zlořečil jménu Hospodinovu, smrtí umře, a všecko shromáždění bez milosti ukamenuje jej. Tak cizí, jako doma zchovaný, když by zlořečil jménu Hospodinovu, smrtí umře.
16Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
17Zabil-li by kdo kterého člověka, smrtí umře.
17Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
18Jestliže by pak zabil hovado, navrátí jiné, hovado za hovado.
18Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby.
19Kdož by pak zohavil bližního svého, vedlé toho, jakž on učinil, tak se staň jemu:
19Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
20Zlámaní za zlámaní, oko za oko, zub za zub. Jakouž by ohavu učinil na těle člověka, taková zase učiněna bude jemu.
20tapaka solon'ny tapaka, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
21Kdož by zabil hovado, navrátí jiné, ale kdož by zabil člověka, umře.
21Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
22Jednostejné právo míti budete. Jakož příchozímu, tak domácímu stane se; nebo já jsem Hospodin Bůh váš.
22Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
23Tedy mluvil Mojžíš k synům Izraelským ty věci. I vyvedli toho ruhače ven za stany, a kamením ho zametali. Učinili, pravím, synové Izraelští vedlé toho, jakož přikázal Hospodin Mojžíšovi.
23Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.