Czech BKR

Malagasy

Luke

18

1Pověděl jim také i podobenství, kterak by potřebí bylo vždycky se modliti a neoblevovati,
1Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
2Řka: Byl jeden soudce v městě jednom, kterýž se Boha nebál a člověka nestyděl.
2dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
3Byla pak vdova jedna v témž městě. I přišla k němu, řkuci: Pomsti mne nad protivníkem mým.
3Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
4A on nechtěl za dlouhý čas. Ale potom řekl sám v sobě: Ač se Boha nebojím, a člověka nestydím,
4Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
5Však že mi pokoje nedá tato vdova, pomstím jí, aby naposledy přijduci, neuhaněla mne.
5mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
6I dí Pán: Slyšte, co praví soudce nepravý.
6Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
7A což by pak Bůh nepomstil volených svých, volajících k němu dnem i nocí, ačkoli i prodlévá jim?
7Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?
8Pravímť vám, žeť jich brzo pomstí. Ale když přijde Syn člověka, zdaliž nalezne víru na zemi?
8Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?
9I řekl také k některým, kteříž v sebe doufali, že by spravedliví byli, jiných sobě za nic nevážíce, podobenství toto:
9Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
10Dva muži vstupovali do chrámu, aby se modlili, jeden farizeus a druhý publikán.
10Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
11Farizeus stoje soukromí, takto se modlil: Bože, děkuji tobě, že nejsem jako jiní lidé, dráči, nespravedliví, cizoložníci, aneb jako i tento publikán.
11Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12Postím se dvakrát do téhodne, desátky dávám ze všech věcí, kterýmiž vládnu.
12Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
13Publikán pak zdaleka stoje, nechtěl ani očí k nebi pozdvihnouti, ale bil se v prsy své, řka: Bože, buď milostiv mně hříšnému.
13Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
14Pravímť vám: Odšel tento, ospravedlněn jsa, do domu svého, a ne onen. Nebo každý, kdož se povyšuje, bude ponížen; a kdož se ponižuje, bude povýšen.
14Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
15Přinášeli také k němu i nemluvňátka, aby se jich dotýkal. To viděvše učedlníci, přimlouvali jim.
15Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
16Ale Ježíš svolav je, řekl: Nechte dítek, ať jdou ke mně, a nebraňte jim, nebo takovýchť jest království Boží.
16Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
17Amen pravím vám: Kdož by koli nepřijal království Božího jako dítě, nevejdeť do něho.
17Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
18I otázalo se ho jedno kníže, řka: Mistře dobrý, co čině, život věčný obdržím?
18Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
19I řekl jemu Ježíš: Co mne nazýváš dobrým? Žádný není dobrý, než sám toliko Bůh.
19Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
20Však umíš přikázání: Nezcizoložíš, nezabiješ, nepokradeš, nepromluvíš křivého svědectví, cti otce svého i matku svou.
20Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-16).
21On pak řekl: Toho všeho ostříhal jsem od své mladosti.
21Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22Slyšav to Ježíš, řekl mu: Ještěť se jednoho nedostává. Všecko, což máš, prodej, a rozdej chudým, a budeš míti poklad v nebi, a pojď, následuj mne.
22Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
23On pak uslyšav to, zarmoutil se; byl zajisté bohatý velmi.
23Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
24A viděv jej Ježíš zarmouceného, řekl: Aj, jak nesnadně ti, kdož statky mají, do království Božího vejdou!
24Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
25Snáze jest zajisté velbloudu skrze jehelnou dírku projíti, nežli bohatému vjíti do království Božího.
25Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
26Tedy řekli ti, kteříž to slyšeli: I kdož může spasen býti?
26Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
27A on dí jim: Což jest nemožného u lidí, možné jest u Boha.
27Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
28I řekl Petr: Aj, my opustili jsme všecko, a šli jsme za tebou.
28Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
29On pak řekl jim: Amen pravím vám, že není žádného, kterýž by opustil dům, neb rodiče, neb bratří, neb manželku, nebo dítky, pro království Boží,
29Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,
30Aby nevzal v tomto času mnohem více, v budoucím pak věku míti bude život věčný.
30izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
31Tedy pojav Ježíš dvanácte, řekl jim: Aj, vstupujeme do Jeruzaléma, a naplníť se všecko to, což psáno jest skrze Proroky o Synu člověka.
31Ary Jesosy naka ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin'ny Zanak'olona.
32Nebo vydán bude pohanům, a bude posmíván, a zlehčen i uplván.
32Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33A ubičujíce, zamordují jej, ale on třetího dne z mrtvých vstane.
33ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
34Oni pak tomu nic nerozuměli, a bylo slovo to skryto před nimi, aniž věděli, co se pravilo.
34Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
35I stalo se, když se přibližoval k Jericho, slepý jeden seděl podle cesty, žebře.
35Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36A slyšev zástup pomíjející, otázal se, co by to bylo?
36Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37I oznámili jemu, že Ježíš Nazaretský tudy jde.
37Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38I zvolal, řka: Ježíši, synu Davidův, smiluj se nade mnou!
38Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39A ti, kteříž napřed šli, přimlouvali mu, aby mlčal. Ale on mnohem více volal: Synu Davidův, smiluj se nade mnou!
39Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40Tedy zastaviv se Ježíš, rozkázal ho k sobě přivésti. A když se přibližoval, otázal se ho,
40Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
41Řka: Co chceš, ať tobě učiním? On pak dí: Pane, ať vidím.
41ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
42A Ježíš řekl jemu: Prohlédni. Víra tvá tě uzdravila.
42Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.
43A ihned prohlédl, a šel za ním, velebě Boha. A všecken lid viděv to, vzdal chválu Bohu.
43Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.