Czech BKR

Malagasy

Mark

16

1A když pominula sobota, Maria Magdaléna a Maria Jakubova a Salome nakoupily vonných věcí, aby přijdouce, pomazaly Ježíše.
1Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy.
2A velmi ráno vyšedše první den po sobotě, přišly k hrobu, an již slunce vzešlo.
2Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.
3I pravily vespolek: Kdo nám odvalí kámen ode dveří hrobových?
3Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika?
4(A vzhlédše, uzřely odvalený kámen.) Byl zajisté veliký velmi.
4Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.
5A všedše do hrobu, uzřely mládence, an sedí na pravici, oděného rouchem bílým. I ulekly se.
5Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.
6Kterýžto řekl jim: Nebojte se. Ježíše hledáte Nazaretského ukřižovaného. Vstalť jest, neníť ho tuto; aj, místo, kdež jej byli položili.
6Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
7Ale jděte, povězte učedlníkům jeho i Petrovi, žeť vás předejde do Galilee. Tam jej uzříte, jakož jest pověděl vám.
7Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
8A ony vyšedše rychle, utekly od hrobu; nebo přišel na ně strach a hrůza. A aniž komu co řekly, nebo se bály.
8Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin'olona izy, satria natahotra.
9Vstav pak Ježíš z mrtvých ráno v neděli, ukázal se nejprv Mariji Magdaléně, z nížto byl vyvrhl sedm ďáblů.
9[Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy]
10Ona pak šedši, zvěstovala těm, kteříž s ním bývali, lkajícím a plačícím.
10[Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany]
11A oni slyšavše, že by živ byl a vidín od ní, nevěřili.
11[Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany]
12Potom pak dvěma z nich jdoucím ukázal se v jiné způsobě, když šli přes pole.
12[Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha]
13A ti šedše, pověděli jiným. Ani těm nevěřili.
13[Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa]
14Nejposléze sedícím spolu jedenácti ukázal se, a trestal nedověru jejich a tvrdost srdce, že těm, kteříž jej viděli vzkříšeného, nevěřili.
14[Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy]
15A řekl jim: Jdouce po všem světě, kažte evangelium všemu stvoření.
15[Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra]
16Kdož uvěří a pokřtí se, spasen bude; kdož pak neuvěří, budeť zatracen.
16[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]
17Znamení pak ti, kteříž uvěří, tato míti budou: Ve jménu mém ďábly budou vymítati, jazyky novými mluviti.
17[Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]
18Hady bráti; a jestliže by co jedovatého pili, neuškodíť jim; na nemocné ruce vzkládati budou, a dobře se míti budou.
18[handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny]
19Když pak jim odmluvil Pán, vzhůru vzat jest do nebe, a sedí na pravici Boží.
19[Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra][Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]
20A oni šedše, kázali všudy, a Pán jim pomáhal, a slov jejich potvrzoval činěním divů.
20[Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]