Czech BKR

Malagasy

Mark

9

1I pravil jim: Amen pravím vám, žeť jsou někteří z stojících tuto, kteříž neokusí smrti, až i uzří království Boží přicházející v moci.
1Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.
2A po šesti dnech pojal Ježíš Petra a Jakuba a Jana, i uvedl je na horu vysokou soukromí samy, a proměnil se před nimi.
2Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
3A učiněno jest roucho jeho stkvoucí a bílé velmi jako sníh, ješto tak bílého žádný bělič na zemi učiniti nemůže.
3ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
4I uzřeli Eliáše s Mojžíšem, ani s Ježíšem mluví.
4Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.
5A odpověděv Petr, řekl k Ježíšovi: Mistře, dobréť jest nám tuto býti. Protož udělejme tři stánky, tobě jeden, Mojžíšovi jeden a Eliášovi jeden.
5Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
6Nebo nevěděl, co mluví; byli zajisté přestrašeni.
6Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
7I stal se oblak zastěňující je, a přišel hlas z oblaku, řkoucí: Tentoť jest ten Syn můj milý, jeho poslouchejte.
7Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
8A hned obezřevše se, žádného víc neviděli než samého Ježíše s sebou.
8Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
9A když sstupovali s hory, přikázal jim, aby toho žádnému nevypravovali, co viděli, než až Syn člověka z mrtvých vstane.
9Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10I zachovali tu věc u sebe, tížíce mezi sebou, co by to bylo z mrtvých vstáti?
10Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.
11I otázali se ho, řkouce: Což pak zákoníci praví, že Eliáš musí přijíti prve?
11Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.[Na: Nahoana no lazain']
12On pak odpověděv, řekl jim: Eliáš přijda nejprve, napraví všecky věci, a jakož psáno jest o Synu člověka, že má mnoho trpěti a za nic položen býti.
12Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
13Ale pravím vám, že Eliáš již přišel, a učinili mu, což jsou chtěli, jakož psáno jest o něm.
13Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
14Tedy přišed k učedlníkům, uzřel zástup veliký okolo nich a zákoníky, an se hádají s nimi.
14Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
15A hned všecken zástup uzřev jej, ulekli se; a sběhše se, přivítali ho.
15Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
16I otázal se zákoníků: Co se hádáte spolu?
16Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto?
17A odpovídaje jeden z zástupu, řekl: Mistře, přivedl jsem syna svého k tobě, kterýž má ducha němého.
17Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
18Ten kdyžkoli jej pochopí, lomcuje jím, a on se sliní, a škřipí zubami, a svadne. I řekl jsem učedlníkům tvým, aby jej vyvrhli, a nemohli.
18ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
19A on odpovídaje jemu, řekl: Ó národe nevěrný! Ale dokudž s vámi budu? A dokudž vás trpěti budu? Přiveďte jej ke mně.
19Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.
20I přivedli ho k němu. A jakž jej uzřel, hned jím duch lomcoval; a padna na zemi, válel se a slinil.
20Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
21I otázal se otce jeho: Dávno-li se jemu to stalo? A on řekl: Hned od dětinství.
21Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
22A často jím metal i na oheň i do vody, aby jej zahubil. Ale můžeš-li co, spomoz nám, slituje se nad námi.
22Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
23A Ježíš řekl jemu: Můžeš-li tomu věřiti; všeckoť jest možné věřícímu.
23Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.
24A ihned zvolav otec mládence toho s slzami, řekl: Věřím, Pane, spomoz nedověře mé.
24Ary niaraka tamin'izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso].
25Uzřev pak Ježíš, že se zástup sbíhá, přimluvil duchu tomu nečistému, řka jemu: Hluchý a němý duše, já tobě přikazuji, vyjdi z něho, a nevcházej více do něho.
25Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
26Tedy křiče a velmi jím lomcuje, vyšel z něho. I učiněn jest člověk ten jako mrtvý, takže mnozí pravili, že umřel.
26Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.
27Ale Ježíš ujav jej za ruku, pozdvihl ho, a on vstal.
27Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
28A když všel do domu, učedlníci jeho otázali ho soukromí: Pročež jsme my ho nemohli vyvrci?
28Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay tsy nahavoaka azy.[Na:Nahoana izahay no]
29I řekl jim: Toto pokolení nijakž nemůž vyhnáno býti, jediné modlitbou a postem.
29Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana ihany.[Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].
30A jdouce odtud, šli skrze Galilei, a nechtěl, aby kdo o tom věděl.
30Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
31Nebo učil učedlníky své a pravil jim: Že Syn člověka dán bude v ruce lidské, a zamordujíť jej, ale zamordován jsa, třetí den z mrtvých vstane.
31Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
32Oni pak nesrozuměli tomu povědění, a ostýchali se ho otázati.
32Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
33I přišel do Kafarnaum, a v domě byv, otázal se jich: Co jste na cestě mezi sebou rozjímali?
33Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
34A oni mlčeli. Nebo hádali se byli na cestě mezi sebou, kdo by z nich byl větší.
34Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra.
35A posadiv se, zavolal dvanácti, a dí jim: Chce-li kdo první býti, budeť všech nejposlednější a všech služebník.
35Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
36A vzav pacholátko, postavil je uprostřed nich, a vzav je na lokty své, řekl jim:
36Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
37Kdož by koli jedno z takových dítek přijal ve jménu mém, mneť přijímá; a kdož by mne koli přijal, ne mneť přijímá, ale toho, kterýž mne poslal.
37Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
38I odpověděl mu Jan, řka: Mistře, viděli jsme tam jednoho, an ve jménu tvém ďábly vymítá, kterýž nechodí s námi; i bránili jsme mu, protože s námi nechodí.
38Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
39Ježíš pak řekl: Nebraňtež mu. Nebť není žádného, kterýž by divy činil ve jménu mém, ať by mohl snadně zle mluviti o mně.
39Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
40Nebo kdož není proti nám, s námiť jest.
40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41Kdož by koli zajisté dal vám píti číši vody ve jménu mém, protože jste Kristovi, amen pravím vám, neztratíť nikoli odplaty své.
41Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
42A kdožť by koli pohoršil jednoho z těchto maličkých, věřících ve mne, mnohem by lépe mu bylo, aby byl zavěšen na hrdlo jeho žernov mlýnský a vržen byl do moře.
42Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
43A horšila-li by tě ruka tvá, utni ji. Lépeť jest tobě bezrukému vjíti do života, raději nežli obě ruce majícímu jíti do pekla, v oheň neuhasitelný,
43Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [ Gr. Gehena]
44Kdež červ jejich neumírá a oheň nehasne.
44[ Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
45A pakli noha tvá horšila by tě, utniž ji. Lépeť jest tobě kulhavému vjíti do života, nežli obě noze majícímu uvrženu býti do pekla, v oheň neuhasitelný,
45Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo.
46Kdežto červ jejich neumírá a oheň nehasne.
46[Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
47Pakli by tě oko tvé horšilo, vylup je. Lépeť jest tobě jednookému vjíti do království Božího, nežli obě oči majícímu uvrženu býti do ohně pekelného,
47Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo;
48Kdežto červ jejich neumírá a oheň nehasne.
48any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
49Nebo každý člověk ohněm bude solen, a všeliká obět solí bude osolena.
49Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra.[Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina]Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.
50Dobráť jest sůl. Pakli sůl bude neslaná, čím ji osolíte? Mějte sůl v sobě sami, a pokoj mějte mezi sebou.
50Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.