1I odpovídaje Ježíš, mluvil jim opět v podobenstvích, řka:
1Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
2Podobno jest království nebeské člověku králi, kterýž učinil svadbu synu svému.
2Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.
3I poslal služebníky své, aby povolali pozvaných na svadbu; a oni nechtěli přijíti.
3Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
4Opět poslal jiné služebníky, řka: Povězte pozvaným: Aj, oběd můj připravil jsem, volové moji a krmný dobytek zbit jest, a všecko hotovo. Pojďtež na svadbu.
4Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.
5Ale oni nedbavše na to, odešli, jiný do vsi své a jiný po kupectví svém.
5Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.
6Jiní pak zjímavše služebníky jeho a posměch jim učinivše, zmordovali.
6Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
7A uslyšav to král, rozhněval se; a poslav vojska svá, zhubil vražedníky ty a město jejich zapálil.
7Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
8Tedy řekl služebníkům svým: Svadba zajisté hotova jest, ale ti, kteříž pozváni byli, nebyli hodni.
8Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
9Protož jděte na rozcestí, a kteréžkoli naleznete, zovtež na svadbu.
9Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.
10I vyšedše služebníci ti na cesty, shromáždili všecky, kteréžkoli nalezli, zlé i dobré. A naplněna jest svadba hodovníky.
10Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
11Tedy všed král, aby pohleděl na hodovníky, uzřel tam člověka neoděného rouchem svadebním.
11Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
12I řekl jemu: Příteli, kteraks ty sem všel, nemaje roucha svadebního? A on oněměl.
12Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
13Tedy řekl král služebníkům: Svížíce ruce jeho i nohy, vezměte ho, a uvrztež jej do temností zevnitřních. Tamť bude pláč a škřipení zubů.
13Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
14Nebo mnoho jest povolaných, ale málo vyvolených.
14Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
15Tedy odšedše farizeové, radili se, jak by polapili jej v řeči.
15Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.
16I poslali k němu učedlníky své s herodiány, řkouce: Mistře, víme, že pravdomluvný jsi a cestě Boží v pravdě učíš a nedbáš na žádného; nebo nepatříš na osobu lidskou.
16Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.
17Protož pověz nám, co se tobě zdá: Sluší-li daň dáti císaři, čili nic?
17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
18Znaje pak Ježíš zlost jejich, řekl: Co mne pokoušíte, pokrytci?
18Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
19Ukažte mi peníz daně. A oni podali mu peníze.
19Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
20I řekl jim: Čí jest tento obraz a svrchu napsání?
20Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?
21Řekli mu: Císařův. Tedy dí jim: Dejtež, co jest císařova, císaři, a co jest Božího, Bohu.
21Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
22To uslyšavše, divili se, a opustivše jej, odešli.
22Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
23V ten den přišli k němu saduceové, kteříž praví, že není z mrtvých vstání. I otázali se ho,
23Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:
24Řkouce: Mistře, Mojžíš pověděl: Umřel-li by kdo, nemaje dětí, aby bratr jeho právem švagrovství pojal ženu jeho a vzbudil símě bratru svému.
24Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
25I bylo u nás sedm bratrů. První pojav ženu, umřel, a nemaje semene, zůstavil ženu svou bratru svému.
25Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;
26Takž podobně i druhý, i třetí, až do sedmého.
26ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.
27Nejposléze pak po všech umřela i žena.
27Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
28Protož při vzkříšení kterého z těch sedmi bude žena? Nebo všickni ji měli.
28Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
29I odpověděv Ježíš, řekl jim: Bloudíte, neznajíce Písem ani moci Boží.
29Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.
30Však při vzkříšení ani se nebudou ženiti ani vdávati, ale budou jako andělé Boží v nebi.
30Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.[Na: (anjelin'Andriamanitra)]
31O vzkříšení pak mrtvých zdaliž jste nečtli, co jest vám povědíno od Boha, kterýž takto dí:
31Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:
32Já jsem Bůh Abrahamův a Bůh Izákův a Bůh Jákobův; a Bůhť není Bůh mrtvých, ale živých.
32Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.
33A slyševše to zástupové, divili se učení jeho.
33Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.
34Farizeové pak uslyšavše, že by k mlčení přivedl saducejské, sešli se v jedno.
34Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
35I otázal se ho jeden z nich zákoník nějaký, pokoušeje ho, a řka:
35Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
36Mistře, které jest přikázání veliké v Zákoně?
36Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?
37I řekl mu Ježíš: Milovati budeš Pána Boha svého z celého srdce svého a ze vší duše své a ze vší mysli své.
37Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).
38To jest přední a veliké přikázání.
38Izany no didy lehibe sady voalohany.
39Druhé pak jest podobné tomu: Milovati budeš bližního svého jako sebe samého.
39Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
40Na těch dvou přikázáních všecken Zákon záleží i Proroci.
40Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
41A když se sešli farizeové, otázal se jich Ježíš,
41Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
42Řka: Co se vám zdá o Kristu? Čí jest syn? Řkou jemu: Davidův.
42Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.
43Dí jim: Kterakž pak David v Duchu nazývá ho Pánem, řka:
43Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
44Řekl Pán Pánu mému: Seď na pravici mé, dokavadž nepodložím nepřátel tvých, aby byli za podnože noh tvých?
44Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?
45Poněvadž tedy David Pánem ho nazývá, i kterakž syn jeho jest?
45Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
46A nižádný nemohl jemu odpovědíti slova, aniž se odvážil kdo více od toho dne jeho se nač tázati.
46Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.