1Běda mně, že jsem jako paběrek úrod letních, jako paběrkové po vinobraní. Není žádného hroznu k jídlu, prvotiny z ovoce žádá duše má.
1[Ny faharatsian'ny Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran'Andriamanitra fo aminy] Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,
2Zahynul pobožný z země této, a upřímého mezi lidmi není žádného; všickni napořád o vylití krve úklady činí, jeden každý bratra svého loví sítí.
2Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.
3Co zlého oběma rukama páchají, to aby za dobré počteno bylo. Kníže žádá, a soudce z úplatku soudí, a kdož veliký jest, ten mluví převrácenost duše své, a v hromadu ji pletou.
3Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
4Nejlepší z nich jest jako bodlák, nejupřímější převyšuje trní. Přicházíť den strážných tvých, navštívení tvé přichází; jižť nastane zpletení jejich.
4Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao.[Heb. izy]
5Nedověřujte se příteli, nedoufejte v vůdce; před tou, jenž leží v lůnu tvém, ostříhej dveří úst svých.
5Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.
6Nebo syn v lehkost uvodí otce, dcera povstává proti mateři své, nevěsta proti svegruši své, a nepřátelé jednoho každého jsou vlastní jeho.
6Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.
7Protož já na Hospodina vyhlédati budu, očekávati budu na Boha spasení svého, vyslyšíť mne Bůh můj.
7Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
8Neraduj se ze mne, nepřítelkyně má. Upadla-liť jsem, povstanu; sedím-liť v temnostech, svítí mi Hospodin.
8Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
9Zůřivost Hospodinovu ponesu, nebo jsem proti němu zhřešila, až se vždy zasadí o mou při, a mne zastane. Vyvedeť mne na světlo, budu viděti spravedlnost jeho.
9Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
10Uzříť to nepřítelkyně má, a přikryje ji hanba, ješto mi říká: Kdež jest Hospodin Bůh tvůj? Oči mé podívají se na ni; jižť bude rozšlapána jako bláto na ulicích.
10Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
11Toho dne, v němž vystaveny budou hradby tvé, toho dne daleko se rozejde výpověd.
11He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.32[Na: ho lavitra ny didy]
12Toho dne k tobě přicházeti budou i z Assyrské země až do pevností, a od pevností až k řece, a od moře k moři, a od hory k hoře.
12Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.[Heb. Mazora][Eofrata]
13A však země tato zpuštěna bude pro obyvatele své, pro ovoce činů jejich.
13Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
14Pasiž lid svůj berlou svou, stádce dědictví svého, kteréž přebývá osamělé v lese u prostřed polí, ať spasou Bázan a Galád jako za dnů starodávních,
14Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
15Jako za dnů v nichž jsi vyšel z země Egyptské. Ukáži jemu divné věci.
15Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
16Což vidouce národové, styděti se budou za všecku sílu svou; vloží ruku na ústa, a uši jejich ohlechnou.
16Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
17Lízati budou prach jako had, a jako hadové zemští s třesením polezou z děr svých; k Hospodinu Bohu našemu, předěšeni jsouce, poběhnou, a báti se tebe budou.
17Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
18Kdo jest Bůh silný podobný tobě, kterýž by snímal nepravost a promíjel přestoupení ostatkům dědictví svého, kterýž by nedržel na věky hněvu svého, proto že líbost má v slitování se?
18Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
19Navrátě se, slituje se nad námi, podmaní nepravosti naše; nýbrž uvržeš do hlubin mořských všecky hříchy naše.
19Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.
20Pravdomluvným se ukážeš Jákobovi, milosrdným Abrahamovi, jakož jsi přisáhl otcům našim ode dnů starodávních.
20Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.