Czech BKR

Malagasy

Numbers

12

1A mluvila Maria i Aron proti Mojžíšovi příčinou manželky Madianky, kterouž sobě vzal; nebo byl pojal manželku Madianku.
1[Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany] Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
2A řekli: Zdaliž jen toliko skrze Mojžíše mluvil Hospodin? Zdaž také nemluvil skrze nás? I slyšel to Hospodin.
2Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany.
3(Byl pak Mojžíš člověk nejtišší ze všech lidí, kteříž byli na tváři země).
3Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany.
4A ihned řekl Hospodin Mojžíšovi a Aronovi i Marii: Vyjděte vy tři k stánku úmluvy. I vyšli toliko oni tři.
4Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
5Tedy sstoupil Hospodin v sloupu oblakovém, a stál u dveří stánku. I zavolal Arona a Marie, a vyšli oba dva.
5Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
6Jimž řekl: Slyšte nyní slova má: Prorok když jest mezi vámi, já Hospodin u vidění ukáži se jemu, ve snách mluviti budu s ním.
6Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
7Ale není takový služebník můj Mojžíš, kterýž ve všem domě mém věrný jest.
7Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.
8Ústy k ústům mluvím s ním, ne u vidění, ani v zavinutí, a podobnost Hospodinovu spatřuje. Pročež jste tedy neostýchali se mluviti proti služebníku mému Mojžíšovi?
8Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
9I roznícena jest prchlivost Hospodinova na ně, a odšel.
9Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.
10Oblak také zdvihl se s stánku. A aj, Maria byla malomocná, bílá jako sníh. A pohleděl Aron na Marii, ana malomocná.
10Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.
11Tedy řekl Aron Mojžíšovi: Poslyš mne, pane můj, prosím, nevzkládej na nás té pokuty za hřích ten, jehož jsme se bláznivě dopustili, a jímž jsme zhřešili.
11Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
12Prosím, ať není tato jako mrtvý plod, kterýž když vychází z života matky své, polovici těla jeho zkaženého bývá.
12Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
13I volal Mojžíš k Hospodinu, řka: Ó Bože silný, prosím, uzdraviž ji.
13Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
14Odpověděl Hospodin Mojžíšovi: Kdyby otec její plinul jí na tvář, zdaž by se nemusila styděti za sedm dní? Protož ať jest vyobcována ven z stanů za sedm dní, a potom zase uvedena bude.
14Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
15Tedy vyloučena jest Maria ven z stanů za sedm dní; a lid nehnul se odtud, až zase uvedena jest Maria.
15Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
16Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.