Czech BKR

Malagasy

Numbers

14

1Tehdy pozdvihše se všecko množství, křičeli, a plakal lid v tu noc.
1[Ny nandavan'ny Zanak'Isiraely tsy hiakatra ho eny amin'ny tany Kanana] Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
2A reptali proti Mojžíšovi i proti Aronovi všickni synové Izraelští, a řeklo k nim všecko množství: Ó bychom byli zemřeli v zemi Egyptské, aneb na této poušti, ó bychom byli zemřeli!
2Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin'ity efitra ity!
3A proč Hospodin vede nás do země té, abychom padli od meče, ženy naše i dítky naše aby byly v loupež? Není-liž nám lépe navrátiti se zase do Egypta?
3Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
4I řekli jeden druhému: Ustanovme sobě vůdci, a navraťme se do Egypta.
4Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
5Tedy padli Mojžíš a Aron na tváři své přede vším množstvím shromáždění synů Izraelských.
5Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
6Jozue pak, syn Nun, a Kálef, syn Jefonův, z těch, kteříž byli shlédli zemi, roztrhli roucha svá,
6Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
7A mluvili ke všemu množství synů Izraelských, řkouce: Země, kterouž jsme prošli a vyšetřili, jest země velmi velice dobrá.
7ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
8Bude-li Hospodin laskav na nás, uvedeť nás do země té, a dá ji nám, a to zemi takovou, kteráž oplývá mlékem a strdí.
8Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
9Toliko nepozdvihujte se proti Hospodinu, ani se bojte lidu země té, nebo jako chléb náš jsou. Odešlatě od nich ochrana jejich, ale s námi jest Hospodin; nebojtež se jich.
9Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
10Tedy mluvilo všecko množství, aby je kamením uházeli, ale sláva Hospodinova ukázala se nad stánkem úmluvy všechněm synům Izraelským.
10Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
11I řekl Hospodin Mojžíšovi: I dokavadž popouzeti mne bude lid ten? A dokud nebudou mi věřiti pro tak mnohá znamení, kteráž jsem činil u prostřed nich?
11Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
12Raním jej morem a rozženu jej, tebe pak učiním v národ veliký a silnější, nežli jest tento.
12Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
13I řekl Mojžíš Hospodinu: Ale uslyšíť to Egyptští, z jejichž prostředku vyvedl jsi lid tento v síle své,
13Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
14A řeknou s obyvateli země té: (nebo slyšeli, že jsi ty, ó Hospodine, byl u prostřed lidu tohoto, a že jsi okem v oko spatřován byl, ó Hospodine, a oblak tvůj stál nad nimi, a v sloupě oblakovém předcházel jsi je ve dne, a v sloupě ohnivém v noci),
14ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
15Když tedy zmoříš lid ten, všecky až do jednoho, mluviti budou národové, kteříž slyšeli pověst o tobě, říkajíce:
15Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
16Proto že nemohl Hospodin uvésti lidu toho do země, kterouž jim s přísahou zaslíbil, zmordoval je na poušti.
16Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
17Nyní tedy, prosím, nechať jest zvelebena moc Páně, jakož jsi mluvil, řka:
17Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
18Hospodin dlouhočekající a hojný v milosrdenství, odpouštějící nepravost a přestoupení, kterýž však z vinného nečiní nevinného, ale navštěvuje nepravost otců na synech do třetího i čtvrtého pokolení.
18Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
19Odpusť, prosím, nepravost lidu tohoto podlé velikého milosrdenství svého, tak jako jsi odpouštěl lidu tomuto, jakž vyšel z Egypta až dosavad.
19Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
20I řekl Hospodin: Odpustil jsem vedlé slova tvého.
20Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
21A však živ jsem já, a sláva má naplňuje všecku zemi,
21Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
22Že všickni ti, kteříž viděli slávu mou a znamení má, kteráž jsem činil v Egyptě a na poušti této, a kteříž pokoušeli mne již desetkrát, aniž uposlechli hlasu mého,
22ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
23Neuzří země té, kterouž jsem s přísahou zaslíbil otcům jejich, aniž jí kdo z těch, kteříž mne popouzeli, uhlédá.
23dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
24Ale služebníka svého Kálefa, (nebo v něm byl jiný duch, a cele následoval mne), uvedu jej do země, do kteréž chodil, a símě jeho dědičně obdrží ji.
24Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
25Ale poněvadž Amalechitský a Kananejský bydlí v tom údolí, obraťte se zase zítra, a beřte se na poušť cestou k moři Rudému.
25Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
26Mluvil také Hospodin k Mojžíšovi a Aronovi, řka:
26Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
27Až dokud snášeti budu množství toto zlé, kteréž repce proti mně? Až dokud reptání synů Izraelských, kteříž repcí proti mně, slyšeti budu?
27Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.
28Rci jim: Živ jsem já, praví Hospodin, žeť vám učiním tak, jakž jste mluvili v uši mé:
28Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
29Na poušti této padnou mrtvá těla vaše, a všickni, kteříž jste sečteni, podlé všeho počtu vašeho od majících let dvadceti a výše, kteříž jste reptali proti mně,
29Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
30Nevejdete, pravím, vy do země, o kteréž, zdvihna ruku svou, přisáhl jsem, že vás osadím v ní, jediné Kálef, syn Jefonův, a Jozue, syn Nun.
30dia tsy ho tonga mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.
31Ale dítky vaše malé, o nichž jste řekli, že v loupež budou, ty uvedu, aby užívali země té, kterouž jste vy pohrdli.
31Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
32Těla pak vaše mrtvá padnou na poušti této.
32Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;
33A synové vaši budou tuláci na poušti této čtyřidceti let, a ponesou pokutu smilství vašeho, až do konce vyhynou těla vaše na poušti.
33ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
34Podlé počtu dnů, v nichž jste procházeli zemi tu, totiž čtyřidceti dnů, jeden každý den za rok počítaje, ponesete nepravosti své čtyřidceti let, a poznáte pomstu svého odtržení se ode mne.
34Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
35Já Hospodin mluvil jsem, že to učiním všemu tomuto množství zlému, kteréž se zrotilo proti mně; na poušti této do konce zhynou, a tu zemrou.
35Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
36Muži pak ti, kteréž poslal byl Mojžíš k shlédnutí země té, a kteříž, navrátivše se, uvedli v reptání proti němu všecko množství to, haněním ošklivíce zemi,
36Ary ny lehilahy izay nirahin'1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,
37Ti, řku, muži, kteříž haněli zemi, ranou těžkou zemřeli před Hospodinem.
37dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.
38Jozue pak, syn Nun, a Kálef, syn Jefonův, živi zůstali z mužů těch, kteříž chodili k vyšetření země.
38Fa Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.
39Tedy mluvil Mojžíš slova ta ke všechněm synům Izraelským; i plakal lid velmi.
39Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.
40A vstavše ráno, vstoupili na vrch hory, a řekli: Aj, my hotovi jsme, abychom šli k místu, o němž mluvil Hospodin; nebo jsme zhřešili.
40Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.
41Jimž řekl Mojžíš: Proč jest to, že vy přestupujete přikázaní Hospodinovo? ješto vám to na dobré nevyjde.
41Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
42Nevstupujte, nebo Hospodin není u prostřed vás, abyste nebyli poraženi od nepřátel vašich.
42Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
43Amalechitský zajisté a Kananejský jest tu před vámi, a padnete od meče, proto že jste se odvrátili od následování Hospodina, aniž také Hospodin bude s vámi.
43fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
44Oni pak předce usilovali vstoupiti na vrch hory, ale truhla smlouvy Hospodinovy a Mojžíš nevycházeli z stanů.
44Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
45Tedy sstoupili Amalechitský a Kananejský, kteříž bydlili na těch horách, a porazili je, a potírali je až do Horma.
45Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.