Czech BKR

Malagasy

Numbers

18

1A protož řekl Hospodin Aronovi: Ty a synové tvoji i dům otce tvého s tebou ponesete nepravost svatyně; ty také i synové tvoji s tebou ponesete nepravost kněžství svého.
1[Ny amin'ny raharahan'ny Levita sy ny mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
2Bratří také své, pokolení Léví, čeled otce svého připoj k sobě, ať jsou při tobě a posluhují tobě; ty pak a synové tvoji s tebou před stánkem svědectví sloužiti budete.
2Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.
3A pilně ostříhati budou rozkázaní tvého, bedlivi jsouce při všem stánku; a však ať k nádobám svatyně a k oltáři nepřistupují, aby nezemřeli i oni i vy.
3Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
4A přídržeti se budou tebe, pilně ostříhajíce stánku úmluvy při všech službách jeho; a cizí žádný nepřistupuj k vám.
4Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
5Protož pilně ostříhejte svatyně i služby oltáře, ať nepřichází více zůřivá prchlivost na syny Izraelské,
5Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony.
6Poněvadž jsem já vybral bratří vaše Levíty z synů Izraelských vám, za dar dané Hospodinu, aby konali službu při stánku úmluvy.
6Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
7Ty pak a synové tvoji s tebou ostříhati budete kněžství svého při všech věcech přináležejících k oltáři, a kteréž jsou za oponou, a sloužiti budete. Úřad kněžství vašeho darem jsem vám dal, protož, přistoupil-li by kdo cizí, umře.
7Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin'ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin'ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
8Mluvil také Hospodin k Aronovi: Aj, já dal jsem tobě k ostříhání oběti své, kteréž se vzhůru pozdvihují; všecko také, což se posvěcuje od synů Izraelských, tobě jsem dal pro pomazání i synům tvým ustanovením věčným.
8Ary Jehovah niteny tamin'i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
9Toto bude tvé z věcí posvěcených, kteréž nepřicházejí na oheň: Všeliká obět jejich, buď suchá obět jejich, neb obět za hřích jejich, aneb obět za provinění jejich, kteréž mi dávati budou, svatosvaté tobě bude to i synům tvým.
9Izao no ho anao amin'ny zavatra masina indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany.
10V svatyni budeš je jísti, každý pohlaví mužského bude je jísti; svaté bude tobě.
10Toy ny fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany.
11Tvá tedy bude obět darů jejich, kteráž vzhůru pozdvižena bývá; každou také obět synů Izraelských, kteráž sem i tam obracína bývá, tobě jsem dal a synům tvým, i dcerám tvým s tebou ustanovením věčným. Každý, kdož jest čistý v domě tvém, bude je jísti.
11Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
12Všecko, což předního jest z oleje, a což nejlepšího jest vína a obilé, prvotiny těch věcí, kteréž dají Hospodinu, dal jsem tobě.
12Izay rehetra tsara indrindra amin'ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao.
13Prvotiny všech věcí, kteréž rostly v zemi jejich, ty přinesou Hospodinu, a tvé budou. Každý, kdož jest čistý v domě tvém, jísti je bude.
13Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.
14Všecko oddané Bohu v Izraeli tvé bude.
14Ny zavatra rehetra voatokana amin'ny Isiraely dia ho anao.
15Cožkoli otvírá život všelikého těla, kteréž obětováno bývá Hospodinu, tak z lidí jako z hovad, tvé bude; prvorozené však z lidí, vyplaceno bude, prvorozené také z nečistých hovad vyplatiti kážeš.
15Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.
16Výplata pak jeho, když mu již jeden měsíc bude, vedlé ceny tvé bude pěti loty stříbra podlé lotu svatyně; dvadceti peněz váží lot.
16Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).
17Ale prvorozeného z volů, neb z ovcí, neb z koz, nedáš vyplatiti; nebo posvěceny jsou. Krev jejich vykropíš na oltář, a tuk jejich zapálíš, aby byl obětí ohnivou vůně spokojující Hospodina.
17Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny ràny dia hatopinao amin'ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
18Maso pak jejich tvé bude; jako hrudí z oběti sem i tam obracení, a jako plece pravé tvé bude.
18Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
19Každou obět vzhůru pozdvižení z věcí posvěcených, kteréž přinášejí synové Izraelští Hospodinu, dal jsem tobě, a synům tvým, i dcerám tvým s tebou ustanovením věčným, smlouvou trvánlivou a věčnou před Hospodinem, tobě i semeni tvému s tebou.
19Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.
20Mluvil také Hospodin k Aronovi: V zemi jejich, dědictví ani dílu svého mezi nimi nebudeš míti; já jsem díl tvůj, a dědictví tvé u prostřed synů Izraelských.
20Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny Zanak'Isiraely.
21Synům pak Léví, aj, dal jsem všecky desátky v Izraeli za dědictví, za službu jejich, kterouž vykonávají, sloužíce při stánku úmluvy.
21Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana.
22A synové Izraelští nechať nepřistupují k stánku úmluvy, aby nenesli hříchu a nezemřeli.
22Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.
23Ale sami Levítové konati budou službu při stánku úmluvy, a sami ponesou nepravost svou. Ustanovení věčné v pronárodech vašich to bude, aby dědictví nemívali mezi syny Izraelskými.
23Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
24Nebo desátky synů Izraelských, kteréž přinášeti budou Hospodinu v obět vzhůru pozdvižení, dal jsem Levítům za dědictví; protož jsem o nich řekl: U prostřed synů Izraelských nebudou míti dědictví.
24Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
25I mluvil Hospodin k Mojžíšovi, řka:
25Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
26Mluv k Levítům a rci jim: Když vezmete desátky od synů Izraelských, kteréž jsem vám dal od nich za dědictví vaše, tedy přinesete z nich obět vzhůru pozdvižení Hospodinu, desátky z desátků.
26Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.
27A počtena vám bude ta obět vaše jako obilí z humna, a jako víno od presu.
27Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana.
28Tak vy také přinesete obět vzhůru pozdvižení Hospodinu ze všech desátků svých, kteréž vezmete od synů Izraelských, a dáte z nich obět Hospodinovu Aronovi knězi.
28Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona.
29Ze všech darů svých přinesete každou obět vzhůru pozdvižení Hospodinu, díl posvěcený všeho, což nejlepšího jest.
29Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.
30Díš jim také: Když obětovati budete z toho, což nejlepšího jest, počteno bude Levítům jako úrody z humna, a jako úrody od presu.
30Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana izany.
31Jísti pak budete ty desátky na všelikém místě vy i čeled vaše; nebo mzda vaše jest za službu vaši při stánku úmluvy.
31Dia mahazo mihinana izany eo amin'ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin'ny trano-lay fihaonana.Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.
32A neponesete pro to hříchu, když obětovati budete to, což nejlepšího jest; a tak nepoškvrníte věcí posvěcených od synů Izraelských, a nezemřete.
32Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.