1To když uslyšel Kananejský král v Arad, kterýž bydlil na poledne, že by táhl Izrael tou cestou, kterouž byli špehéři šli, bojoval s ním, a zajal jich množství.
1[Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjakan'i Arada] Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.
2Tedy Izrael učinil slib Hospodinu, řka: Jestliže dáš lid tento v ruce mé, do gruntu zkazím města jejich.
2Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
3I uslyšel Hospodin hlas Izraele a dal mu Kananejské, kterýžto do gruntu zkazil je i města jejich, a nazval jméno toho místa Horma.
3Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Horma.
4Potom hnuli se s hory Hor cestou k moři Rudému, aby obešli zemi Idumejskou; i ustával lid velice na cestě.
4[Ny Menarana Varahina] Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.
5A mluvil lid proti Bohu a proti Mojžíšovi: Proč jste vyvedli nás z Egypta, abychom zemřeli na poušti? Nebo ani chleba ani vody není, a duše naše chléb tento ničemný sobě již zošklivila.
5Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
6Protož dopustil Hospodin na lid hady ohnivé, kteříž jej štípali, tak že množství lidu zemřelo z Izraele.
6Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
7Tedy přišel lid k Mojžíšovi a řekli: Zhřešili jsme nebo jsme mluvili proti Hospodinu a proti tobě; modl se Hospodinu, ať odejme od nás ty hady. I modlil se Mojžíš za lid.
7Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.
8I řekl Hospodin Mojžíšovi: Udělej sobě hada podobného těm ohnivým, a vyzdvihni jej na sochu; a každý ušťknutý, když pohledí na něj, živ bude.
8Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
9I udělal Mojžíš hada měděného, a vyzdvihl jej na sochu; a stalo se, když ušťkl had někoho, a on vzhlédl na hada měděného, že zůstal živ.
9Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
10Tedy hnuli se odtud synové Izraelští, a položili se v Obot.
10[Ny nandehanan'ny Isiraely nanodidina ny tany Edoma sy Moaba, ary ny nandreseny an'i Sihona sy Oga] Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
11Potom pak hnuvše se z Obot, položili se při pahrbcích hor Abarim na poušti, kteráž jest naproti zemi Moábské k východu slunce.
11Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
12Odtud brali se, a položili se v údolí Záred.
12Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda.
13Opět hnuvše se odtud, položili se u brodu potoka Arnon, kterýž jest na poušti, a vychází z končin Amorejských. Nebo Arnon jest pomezí Moábské mezi Moábskými a Amorejskými.
13Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.
14Protož praví se v knize bojů Hospodinových, že proti Vahebovi u vichřici bojoval, a proti potokům Arnon.
14Koa izany no ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
15Nebo tok těch potoků, kterýž se nachyluje ku položení Ar, ten jde vedlé pomezí Moábského.
15Ary ny tany kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba.
16A odtud táhli do Beer; a to jest to Beer, o němž byl řekl Hospodin k Mojžíšovi: Shromažď lid, a dám jim vodu.
16Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
17Tedy zpíval lid Izraelský písničku tuto: Vystupiž studnice, prozpěvujte o ní;
17Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
18Studnice, kterouž kopala knížata, kterouž vykopali přední z lidu s vydavatelem zákona holemi svými. Z pouště pak brali se do Matana,
18Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalàna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
19A z Matana do Nahaliel, z Nahaliel do Bamot,
19Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
20A z Bamot do údolí, kteréž jest na poli Moábském, až k vrchu hory, kteráž leží na proti poušti.
20ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra.
21Tedy poslal lid Izraelský posly k Seonovi králi Amorejskému, řka:
21Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:
22Nechť jdeme skrze zemi tvou. Neuchýlíme se ani do pole, ani do vinic, ani z studnic vody píti nebudeme, ale cestou královskou půjdeme, dokavadž nepřejdeme pomezí tvého.
22Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny lalan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
23I nedopustil Seon jíti lidu Izraelskému skrze krajinu svou, nýbrž sebrav Seon všecken lid svůj, vytáhl proti lidu Izraelskému na poušť, a přitáh do Jasa, bojoval proti Izraelovi.
23Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.
24I porazil jej lid Izraelský mečem, a vzal v dědictví zemi jeho, od Arnon až do Jabok, a až do země synů Ammon; nebo pevné bylo pomezí Ammonitských.
24Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.
25Tedy vzal Izrael všecka ta města, a přebýval ve všech městech Amorejských, v Ezebon a ve všech městečkách jeho.
25Dia nalain'ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
26Nebo Ezebon bylo město Seona krále Amorejského, kterýž když bojoval proti králi Moábskému prvnímu, vzal mu všecku zemi jeho z rukou jeho až do Arnon.
26Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27Protož říkávali v přísloví: Poďte do Ezebon, aby vystaveno bylo a vzděláno město Seonovo.
27Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan'i Sihona;
28Nebo oheň vyšel z Ezebon, a plamen z města Seon, i spálil Ar Moábských a obyvatele výsosti Arnon.
28Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba sy ny tompon'ny havoan'i Arnona.
29Běda tobě Moáb, zahynuls lide Chámos; dal syny své v utíkání, a dcery své v zajetí králi Amorejskému Seonovi.
29Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
30A království jejich zahynulo od Ezebon až do Dibon, a vyhladili jsme je až do Nofe, kteréž jest až k Medaba.
30Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba.
31A tak bydlil Izrael v zemi Amorejské.
31Dia nitoetra tao amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely.
32Potom poslal Mojžíš, aby shlédli Jazer, kteréž vzali i s městečky jeho; a tak vyhnal Amorejské, kteříž tam bydlili.
32Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
33Obrátivše se pak, táhli cestou k Bázan. I vytáhl Og, král Bázan, proti nim, on i všecken lid jeho, aby bojoval v Edrei.
33Ary niverina ny olona ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
34Tedy řekl Hospodin Mojžíšovi: Neboj se ho; nebo v ruce tvé dal jsem jej, i všecken lid jeho, i zemi jeho, a učiníš jemu tak, jakož jsi učinil Seonovi, králi Amorejskému, kterýž bydlil v Ezebon.
34Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
35I porazili jej i syny jeho, i všecken lid jeho, tak že žádný živý po něm nezůstal, a uvázali se dědičně v zemi jeho.
35Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.