Czech BKR

Malagasy

Numbers

26

1I stalo se po té ráně, že mluvil Hospodin k Mojžíšovi a Eleazarovi, synu Arona kněze, řka:
1[Ny nandaminana ny Isiraely fanindroany, teo Arbota-moaba] Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona:
2Sečtěte všecko množství synů Izraelských, od dvadcítiletých a výše po domích otců jejich, všecky, kteříž by mohli jíti k boji v Izraeli.
2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo halefa hanafika.
3Tedy mluvil Mojžíš a Eleazar kněz k nim na polích Moábských, při Jordánu proti Jerichu, řka:
3Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
4Sečtěte lid od dvadceti let majících a výše, jakž rozkázal Hospodin Mojžíšovi a synům Izraelským, kteříž byli vyšli z země Egyptské.
4Ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
5Ruben prvorozený byl Izraelův. Synové Rubenovi: Enoch, z něhož pošla čeled Enochitská; Fallu, z něhož čeled Fallutská;
5Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita;
6Ezron, z něhož čeled Ezronitská; Charmi, z něhož čeled Charmitská.
6avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
7Ty jsou čeledi Rubenovy. A bylo jich sečtených čtyřidceti tři tisíce, sedm set a třidceti.
7Ireo no fokon'ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
8A syn Fallův Eliab.
8Ary ny zanak'i Palo dia Eliaba.
9Synové pak Eliabovi: Nemuel, a Dátan, a Abiron. To jsou ti, Dátan a Abiron, přední z shromáždění, kteříž se vadili s Mojžíšem a s Aronem v spiknutí Chóre, když odporni byli Hospodinu.
9Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,
10Pročež otevřela země ústa svá, a požřela je i Chóre, tehdáž když zemřela ta rota, a oheň spálil těch dvě stě a padesáte mužů, kteříž byli za příklad jiným.
10ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
11Synové pak Chóre nezemřeli.
11Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty.
12Synové Simeonovi po čeledech svých: Namuel, z něhož čeled Namuelitská; Jamin, z něhož čeled Jaminská; Jachin, z něhož čeled Jachinská;
12Ny taranak'i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita; avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny Jakinita;
13Sohar, z něhož čeled Soharská; Saul, z něhož čeled Saulitská.
13avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.
14Ty jsou čeledi Simeonovy, jichž bylo dvamecítma tisíců a dvě stě.
14Ireo no fokon'ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
15Synové Gád po čeledech svých: Sefon, z něhož čeled Sefonitská; Aggi, z něhož čeled Aggitská; Suni, z něhož čeled Sunitská;
15Ny taranak'i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;
16Ozni, z něhož čeled Oznitská; Heri, z něhož čeled Heritská;
16avy tamin'i Ozny ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita;
17Arodi, z něhož čeled Aroditská; Areli, z něhož čeled Arelitská.
17avy tamin'i Aroda ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.
18Ty jsou čeledi synů Gád, podlé toho, jakž sečteni jsou, čtyřidceti tisíců a pět set.
18Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
19Synové Judovi: Her a Onan; ale zemřeli Her i Onan v zemi Kanánské.
19Ny zanak'i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany.
20Byli pak synové Judovi po čeledech svých: Séla, z něhož čeled Sélanitská; Fáres, z něhož čeled Fáresská; Zára, z něhož čeled Záretská.
20Ary ny taranak'i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
21Byli pak synové Fáresovi: Ezron, z něhož čeled Ezronitská; Hamul, z něhož čeled Hamulská.
21Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.
22Ty jsou čeledi Judovy, podlé toho, jakž sečteni jsou, sedmdesáte šest tisíců a pět set.
22Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
23Synové Izacharovi po čeledech svých: Tola, z něhož čeled Tolatská; Fua, z něhož čeled Fuatská;
23Ny taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;
24Jasub, z něhož čeled Jasubská; Simron, z něhož čeled Simronská.
24avy tamin'i Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita,
25Ty jsou čeledi Izacharovy, podlé toho, jakž sečteni jsou, šedesáte čtyři tisíce a tři sta.
25Ireo no fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
26Synové Zabulonovi po čeledech svých: Sared, z něhož čeled Saredská; Elon, z něhož čeled Elonská; Jahelel, z něhož čeled Jahelelská.
26Ny taranak'i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita; avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny Jahalelita.
27Ty jsou čeledi Zabulonovy, podlé toho jakž sečteni jsou, šedesáte tisíc a pět set.
27Ireo no fokon'ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.
28Synové Jozefovi po čeledech svých: Manasses a Efraim.
28Ny zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
29Synové Manassesovi: Machir, z něhož čeled Machirská. A Machir zplodil Galáda, z něhož čeled Galádská.
29Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.
30Ti jsou synové Galád: Jezer, z něhož čeled Jezerská; Helek, z něhož čeled Helekitská;
30Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita;
31Asriel, z něhož čeled Asrielská; Sechem, z něhož čeled Sechemská;
31ary avy tamin'i Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;
32Semida, z něhož čeled Semidatská; Hefer, z něhož čeled Heferská.
32ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.
33A Salfad, syn Heferův, neměl synů, než toliko dcery, jichž jsou tato jména: Mahla, Noa, Hegla, Melcha a Tersa.
33Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
34Ty jsou čeledi Manassesovy, a načteno jich padesáte dva tisíce a sedm set.
34Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
35Ale synové Efraimovi po čeledech svých: Sutala, z něhož čeled Sutalitská; Becher, z něhož čeled Becherská; Tehen, z něhož čeled Tehenská.
35Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.
36A ti jsou synové Sutalovi: Heran, z něhož čeled Heranská.
36Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.
37Ty jsou čeledi synů Efraimových, podlé toho, jakž sečteni jsou, třidceti dva tisíce a pět set. Ti jsou synové Jozefovi po čeledech svých.
37Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.
38Synové pak Beniaminovi po čeledech svých: Béla, z něhož čeled Bélitská; Asbel, z něhož čeled Asbelská; Ahiram, z něhož čeled Ahiramská;
38Ny taranak'i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita;
39Sufam, z něhož čeled Sufamská; Hufam, z něhož čeled Hufamská.
39avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.
40Byli pak synové Béla: Ared a Náman; z Ared čeled Aredská, z Náman čeled Námanská.
40Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita.
41Ti jsou synové Beniaminovi po čeledech svých, podlé toho, jakž sečteni jsou, čtyřidceti pět tisíců a šest set.
41Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
42Tito pak synové Danovi po čeledech svých: Suham, z něhož čeled Suhamská. Ta jest rodina Danova po čeledech svých.
42Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana, araka ny fokony.
43Všech čeledí Suhamských, jakž sečteni jsou, šedesáte čtyři tisíce a čtyři sta.
43Ny fokon'ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
44Synové Asser po čeledech svých: Jemna, z něhož čeled Jemnitská; Jesui, z něhož čeled Jesuitská;
44Ny taranak'i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita;
45Beria, z něhož čeled Berietská. Synové Beriovi: Heber, z něhož čeled Heberská; Melchiel, z něhož čeled Melchielská.
45avy tamin'ny zanak'i Bena dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i Malkiela ny fokon'ny Malkielita.
46Jméno pak dcery Asser bylo Serach.
46Ary ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera.
47Ty jsou čeledi synů Asser, tak jakž sečteni jsou, padesáte tři tisíce a čtyři sta.
47Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
48Synové Neftalímovi po čeledech svých: Jasiel, z něhož čeled Jasielská; Guni, z něhož čeled Gunitská;
48Ny taranak'i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita; avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita;
49Jezer, z něhož čeled Jezerská; Sallem, z něhož čeled Sallemská.
49avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.
50Ta jest rodina Neftalímova po čeledech svých, tak jakž sečteni jsou, čtyřidceti pět tisíců a čtyři sta.
50Ireo no fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
51Ten jest počet synů Izraelských, šestkrát sto tisíců a jeden tisíc, sedm set a třidceti.
51Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
52Mluvil pak Hospodin k Mojžíšovi, řka:
52Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
53Těmto rozdělena bude země k dědictví podlé počtu jmen.
53Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
54Většímu počtu větší dědictví dáš, a menšímu menší; jednomu každému vedlé počtu sečtených jeho dáno bude dědictví jeho.
54Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
55A však losem ať jest rozdělena země; vedlé jmen pokolení otců svých dědictví vezmou.
55Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.
56Losem děleno bude dědictví její, buď jich mnoho neb málo.
56Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
57Tito pak jsou sečteni z Levítů po čeledech svých: Gerson, z něhož čeled Gersonitská; Kahat, z něhož čeled Kahatská; Merari, z něhož čeled Meraritská.
57Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita.
58Ty jsou čeledi Léví: Čeled Lebnitská, čeled Hebronitská, čeled Moholitská, čeled Musitská, čeled Choritská. Kahat pak zplodil Amrama.
58Izao no fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.
59A jméno manželky Amramovy Jochebed, dcera Léví, kteráž se mu narodila v Egyptě; ona pak porodila Amramovi Arona a Mojžíše, a Marii sestru jejich.
59Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.
60Aronovi pak zrozeni jsou: Nádab a Abiu, Eleazar a Itamar.
60Ary ny naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
61Ale Nádab a Abiu zemřeli, když obětovali oheň cizí před Hospodinem.
61Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.
62I bylo jich načteno třimecítma tisíců, všech pohlaví mužského zstáří měsíce jednoho a výše; nebo nebyli počteni mezi syny Izraelskými, proto že jim nebylo dáno dědictví mezi syny Izraelskými.
62Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.
63Tito sečteni jsou od Mojžíše a Eleazara kněze; oni sečtli syny Izraelské na polích Moábských při Jordánu, naproti Jerichu.
63Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
64Mezi těmito pak nebyl žádný z oněch sečtených od Mojžíše a Arona kněze, když počítali syny Izraelské na poušti Sinai;
64Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.
65(Nebo řekl byl Hospodin o nich: Smrtí zemrou na poušti;) a žádný z nich nepozůstal, jediné Kálef, syn Jefonův, a Jozue, syn Nun.
65Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.