Czech BKR

Malagasy

Numbers

29

1Měsíce pak sedmého v první den jeho shromáždění svaté míti budete, žádného díla robotného nebudete dělati; to jest den troubení vašeho.
1Ary amin'ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
2A obětovati budete zápal u vůni příjemnou Hospodinu, volka mladého jednoho, skopce jednoho, beránků ročních bez poškvrny sedm;
2Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
3A obět suchou při nich z mouky bělné olejem zadělané, tři desetiny na každého volka, a dvě desetiny na každého skopce;
3ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
4A desetina jedna na každého beránka z sedmi beránků;
4ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
5A kozla jednoho v obět za hřích k očištění vás.
5ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
6Mimo zápalnou obět novoměsíčnou s obětí její suchou, a mimo obět zápalnou ustavičnou s obětí její suchou, a s obětmi jejich mokrými vedlé pořádku jejich, u vůni příjemnou, v obět ohnivou Hospodinu.
6ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7V desátý pak den téhož měsíce sedmého shromáždění svaté míti budete, a ponižovati budete životů svých; žádného díla nebudete dělati.
7Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
8A obětovati budete obět zápalnou Hospodinu u vůni příjemnou, volka mladého jednoho, skopce jednoho, beránků ročních sedm, a ti ať jsou bez poškvrny;
8Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
9A obět suchou jejich z mouky bělné olejem zadělané, tři desetiny na každého volka, a dvě desetiny na každého skopce;
9ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
10A desetina jedna na každého beránka z těch sedmi beránků;
10ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)
11Kozla jednoho v obět za hřích, mimo obět za hřích k očištění, a mimo zápal ustavičný s obětí suchou jeho, a s obětmi mokrými jejich.
11ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
12V patnáctý také den měsíce sedmého shromáždění svaté míti budete; žádného díla robotného nebudete dělati, ale slaviti budete svátek Hospodinu za sedm dní.
12Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.
13A obětovati budete zápal v obět ohnivou u vůni spokojující Hospodina, volků mladých třinácte, skopce dva, beránků ročních čtrnácte, a ti ať jsou bez poškvrny;
13Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
14Též obět suchou jejich z mouky bělné olejem zadělané, tři desetiny na každého volka z třinácti volků, dvě desetiny na každého skopce z těch dvou skopců,
14ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
15A jednu desetinu na každého beránka z těch čtrnácti beránků;
15ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)
16A kozla jednoho v obět za hřích, mimo zápal ustavičný s obětí jeho suchou i mokrou.
16ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
17Potom dne druhého volků mladých dvanácte, skopce dva, beránků ročních bez poškvrny čtrnácte,
17Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
18S obětí suchou při nich, a s obětmi mokrými jejich při každém volku, skopci i beránku vedlé počtu jejich, jakž jest obyčej;
18ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
19A kozla jednoho v obět za hřích, mimo zápal ustavičný s obětí suchou jeho a s obětmi mokrými jeho.
19ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
20Dne pak třetího volků jedenácte, skopce dva, a beránků ročních bez poškvrny čtrnácte,
20Ary amin'ny andro fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
21S obětí suchou a s obětmi mokrými jejich při každém volku, skopci i beránku, vedlé počtu jejich, jakž jest obyčej;
21ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
22A kozla v obět za hřích jednoho, mimo obět zápalnou ustavičnou s obětí její suchou i mokrou.
22ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
23Dne pak čtvrtého volků deset, skopce dva, beránků ročních bez poškvrny čtrnácte,
23Ary amin'ny andro fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
24S obětí suchou i s obětmi mokrými jejich při každém volku, skopci a beránku, vedlé počtu jejich, jakž jest obyčej;
24ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
25A kozla jednoho v obět za hřích, mimo obět zápalnou ustavičnou s obětí její suchou i mokrou.
25ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
26Dne také pátého volků devět, skopce dva, beránků ročních bez poškvrny čtrnácte,
26Ary amin'ny andro fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
27S obětí suchou i s obětmi mokrými jejich při každém volku, skopci i beránku, vedlé počtu jejich, jakž jest obyčej;
27ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
28A kozla jednoho v obět za hřích, mimo obět zápalnou ustavičnou s obětí její suchou i mokrou.
28ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
29A dne šestého volků osm, skopce dva, beránků ročních bez poškvrny čtrnácte,
29Ary amin'ny andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
30S obětí suchou a s obětmi mokrými jejich při každém volku, skopci i beránku, vedlé počtu jejich, jakž jest obyčej;
30ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
31A kozla jednoho v obět za hřích, mimo obět zápalnou ustavičnou s obětí její suchou i s obětmi mokrými.
31ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
32Tolikéž dne sedmého volků sedm, skopce dva, beránků ročních bez poškvrny čtrnácte,
32Ary amin'ny andro fahafito koa dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
33S obětí suchou i s obětmi mokrými jejich na volky, skopce i beránky, vedlé počtu jejich, jakž jest obyčej;
33ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
34A kozla jednoho v obět za hřích, mimo obět zápalnou ustavičnou s obětí její suchou i mokrou.
34ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
35Dne pak osmého slavnost míti budete; žádného díla robotného nebudete dělati.
35Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
36A obětovati budete obět zápalnou, v obět ohnivou vůně spokojující Hospodina, volka jednoho, skopce jednoho, a beránků ročních sedm bez poškvrny,
36Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
37S obětí suchou i s obětmi mokrými jejich při volku, skopci i beráncích, vedlé počtu jejich, jakž jest obyčej;
37ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
38A kozla jednoho v obět za hřích, mimo obět zápalnou ustavičnou s obětí její suchou i mokrou.
38ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
39Ty věci vykonávati budete Hospodinu při slavnostech vašich, kromě toho, což byste z slibu aneb z dobré vůle své obětovali, buď zápalné, aneb suché, aneb mokré, aneb pokojné oběti vaše.
39Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.