Czech BKR

Malagasy

Numbers

4

1I mluvil Hospodin k Mojžíšovi a k Aronovi, řka:
1[Ny raharahan'ny Levita, sy ny isany isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2Sečti summu synů Kahat z prostředku synů Léví po čeledech jejich a po domích otců jejich,
2Alao isa ny taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3Od třidcítiletých a výše až do padesátiletých, kteříž by způsobní jsouce k boji, mohli práci vésti při stánku úmluvy.
3hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
4Tato pak bude práce synů Kahat při stánku úmluvy svatyně svatých:
4Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:
5Když by se měla vojska hnouti s místa, přijde Aron s syny svými a sejmou oponu zastření, a přikryjí ní truhlu svědectví.
5Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;
6A na to dají přikrytí z koží jezevčích, a přistrou svrchu rouchem z samého postavce modrého, a provlekou sochory její.
6ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
7Na stůl pak chlebů předložení prostrou roucho z postavce modrého, a dají na něj misy a kadidlnice a koflíky a přikryvadla k přikrývání; a chléb ustavičně na něm bude.
7Ary hamelatra lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8A prostrou na to roucho z červce dvakrát barveného, a přikryjí to přistřením z koží jezevčích, a provlekou sochory jeho.
8Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9Vezmou také roucho z postavce modrého, a přikryjí svícen světla a lampy jeho, i utěradla jeho, i nádoby k oharkům jeho, a všecky nádoby k oleji jeho, jichž při něm užívají.
9Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10A obvinou jej se všechněmi nádobami jeho přikrytím z koží jezevčích, a vloží na sochory.
10ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
11Na oltář pak zlatý prostrou roucho z postavce modrého, a přikryjí jej přikrytím z koží jezevčích, a provlekou sochory.
11Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12Vezmou i všecky nádoby k službě, jimiž přisluhovali v svatyni, a zavinouce do roucha z postavce modrého, přikryjí je přikrytím z koží jezevčích, a vloží na sochory.
12dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
13Vyprázdní i popel z oltáře, a prostrou na něj roucho šarlatové.
13Dia hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
14A vloží svrchu všecko nádobí jeho, jímž přisluhují na něm, nádoby k uhlí, vidličky, pometla, kotlíky a všecko nádobí oltáře, a přistrouce jej přikrytím z koží jezevčích, uvlekou sochory jeho.
14Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
15A když to vykoná Aron s syny svými, a přikryje svatyni i všecka nádobí její, a již by se měla hýbati vojska, tedy přijdou synové Kahat, aby nesli; ale nedotknou se svatyně, aby nezemřeli. Ta jest práce synů Kahat při stánku úmluvy.
15Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.
16Eleazar pak, syn Arona kněze, pečovati bude o olej k svícení a kadění vonnými věcmi a obět ustavičnou i o olej pomazání, svěřený sobě maje všecken příbytek a všecky věci, kteréž v něm jsou, svatyni a nádoby její.
16Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
17A mluvil Hospodin k Mojžíšovi a Aronovi, řka:
17Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
18Hleďtež, abyste nevyhladili pokolení čeledi Kahat z prostředku Levítů.
18Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
19Ale toto učiníte jim, aby zachováni byli a nezemřeli, když by přistupovali k svatyni svatých: Aron a synové jeho přijdouce, zřídí je, jednoho každého ku práci a břemenu jeho.
19fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
20A onino nepřicházejte hleděti na věci svaté, když zavinovány bývají, aby nezemřeli.
20fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
21Mluvil opět Hospodin k Mojžíšovi, řka:
21Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
22Sečti také syny Gersonovy po domích otců jich a po čeledech jejich.
22Alao isa koa ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23Od třidcítiletých a výše až do padesátiletých sečteš je, kteříž by způsobní jsouce k boji, mohli konati službu při stánku úmluvy.
23ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
24Tato pak bude práce čeledí Gersonových v službě a nošení:
24Izao no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25Nositi budou kortýny příbytku a stánek úmluvy s přikrytím jeho, a přikrytí z koží jezevčích, kteréž svrchu na něm jest, a zastření dveří stánku úmluvy,
25ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26A očkovaté koltry síně, a zastření brány síně, kteráž jest při stanu a při oltáři vůkol, a provazy její, a všecky nádoby přisluhování jejich, a čehožkoli užívají při službě své.
26ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.
27Vedlé rozkazu Aronova a synů jeho konati budou všecky služby své synové Gersonovi při všech pracech svých, a při všech službách svých, a svěříte jim k ostříhání všecka břemena jejich.
27Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
28Ta jest práce čeledí synů Gersonových v stánku úmluvy, a Itamar, syn Arona kněze, stráž nad nimi držeti bude.
28Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
29Syny také Merari po čeledech jejich a domích otců jejich sečteš.
29Ny amin'ny taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30Od třidcítiletých a výše až do padesátiletých sečteš všecky, kteříž by způsobní jsouce k boji, mohli konati službu při stánku úmluvy.
30ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
31Tato pak bude povinnost práce jejich, nad všecku službu jejich při stánku úmluvy: Dsky příbytku a svlaky jeho, i sloupy s podstavky jeho nositi,
31Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
32Sloupy také vůkol síně s podstavky jejich, kolíky a provazy jejich, se všechněmi potřebami, i se vším přisluhováním jejich. A ze jména vyčtete nádoby svěřené jim k ostříhání.
32sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
33Ta bude práce čeledí synů Merari při všech službách jejich při stánku úmluvy, pod spravou Itamara, syna Arona kněze.
33Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34I sečtl Mojžíš s Aronem a s knížaty lidu syny Kahat po čeledech jejich, a po domích otců jejich,
34Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
35Od třidcítiletých a výše až do padesátiletých, kteříž by způsobní jsouce k boji, mohli konati službu při stánku úmluvy.
35hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36A bylo jich sečtených po čeledech jejich dva tisíce, sedm set, padesáte.
36Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37Ti jsou sečteni z čeledi Kahat, všickni služebníci při stánku úmluvy, kteréž sčetl Mojžíš s Aronem podlé rozkazu Hospodinova skrze Mojžíše.
37Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
38Sečtených také synů Gersonových po čeledech jejich, a po domích otců jejich,
38Ary izay nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39Od třidcítiletých a výše až do padesátiletých, kteříž by způsobní jsouce k boji, mohli konati službu při stánku úmluvy,
39hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana
40Sečtených jich po čeledech jejich, po domích otců jejich, dva tisíce, šest set, třidceti.
40izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41Ti jsou sečteni z čeledí synů Gersonových, všickni přisluhující v stánku úmluvy, kteréž sečtli Mojžíš s Aronem k rozkazu Hospodinovu.
41Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah.
42Sečtených pak z čeledí synů Merari po čeledech jejich, po domích otců jejich,
42Ary izay nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43Od třidcítiletých a výše až do padesátiletých, kteříž by způsobní jsouce k boji, mohli konati službu při stánku úmluvy,
43hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44Načteno jich po čeledech jejich tři tisíce a dvě stě.
44izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45Ti jsou sečteni z čeledí synů Merari, kteréž sčetl Mojžíš s Aronem podlé rozkazu Hospodinova skrze Mojžíše.
45ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
46Všech sečtených, kteréž sčetl Mojžíš s Aronem a s knížaty Izraelskými z Levítů po čeledech jejich a po domích otců jejich,
46Ny tontalin'ny taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
47Od těch, kteříž byli ve třidcíti letech a výše, až do padesátiletých, kteřížkoli přináležejí k vykonávání služby přisluhování a práce břemena při stánku úmluvy,
47hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
48Sečtených těch bylo osm tisíců, pět set a osmdesáte.
48izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
49Vedlé rozkazu Hospodinova sečtl je Mojžíš, jednoho každého vedlé přisluhování jeho, a vedlé břemene jeho. Sečteni pak jsou ti, kteréž rozkázal čísti Hospodin Mojžíšovi.
49Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.