Czech BKR

Malagasy

Proverbs

12

1Kdo miluje cvičení, miluje umění; kdož pak nenávidí domlouvání, nemoudrý jest.
1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
2Dobrý nalézá lásku u Hospodina, ale muže nešlechetného potupí Bůh.
2Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3Nebývá trvánlivý člověk v bezbožnosti, kořen pak spravedlivých nepohne se.
3Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
4Žena statečná jest koruna muže svého, ale jako hnis v kostech jeho ta, kteráž k hanbě přivodí.
4Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.
5Myšlení spravedlivých jsou pravá, rady pak bezbožných lstivé.
5Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
6Slova bezbožných úklady činí krvi, ústa pak spravedlivých vytrhují je.
6Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
7Vyvráceni bývají bezbožní tak, aby jich nebylo, ale dům spravedlivých ostojí.
7Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.[Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy]
8Podlé toho, jakž rozumný jest, chválen bývá muž, převráceného pak srdce bude v pohrdání.
8Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9Lepší jest nevzácný, kterýž má služebníka, nežli ten, kterýž sobě slavně počíná, a nemá chleba.
9Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10Pečuje spravedlivý o život hovádka svého, srdce pak bezbožných ukrutné jest.
10Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
11Kdo dělá zemi svou, nasycen bývá chlebem; ale kdož následuje zahalečů, blázen jest.
11Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.[Na: ny zava-poana]
12Žádostiv jest bezbožný obrany proti zlému, ale kořen spravedlivých způsobuje ji.
12Ny mpanota maniry ny hazan'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona. [Na: ny fandriky][Na: Fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka]
13Do přestoupení rtů zapletá se zlostník, ale spravedlivý vychází z ssoužení.
13Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
14Z ovoce úst každý nasycen bude dobrým, a odplatu za skutky člověka dá jemu Bůh.
14Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.
15Cesta blázna přímá se zdá jemu, ale kdo poslouchá rady, moudrý jest.
15Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
16Hněv blázna v tentýž den poznán bývá, ale opatrný hanbu skrývá.
16Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.
17Kdož mluví pravdu, ohlašuje spravedlnost, svědek pak falešný lest.
17Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18Někdo vynáší řeči podobné meči probodujícímu, ale jazyk moudrých jest lékařství.
18Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.
19Rtové pravdomluvní utvrzeni budou na věky, ale na kratičko jazyk lživý.
19Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
20V srdci těch, kteříž zlé obmýšlejí, bývá lest, v těch pak, kteříž radí ku pokoji, veselí.
20Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
21Nepotká spravedlivého žádná těžkost, bezbožní pak naplněni budou zlým.
21Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy]
22Ohavností jsou Hospodinu rtové lživí, ale ti, jenž činí pravdu, líbí se jemu.
22Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23Člověk opatrný tají umění, ale srdce bláznů vyvolává bláznovství.
23Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.[Heb. manafina fahalalana]
24Ruka pracovitých panovati bude, lstivá pak musí dávati plat.
24Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
25Starost v srdci člověka snižuje ji, ale věc dobrá obveseluje ji.
25Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26Vzácnější jest nad bližního svého spravedlivý, cesta pak bezbožných svodí je.
26Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27Nebude péci fortelný, což ulovil, ale člověk bedlivý statku drahého nabude.
27Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay nohazainy]Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
28Na stezce spravedlnosti jest život, a cesta stezky její nesmrtelná jest.
28Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.