1Dobrořeč duše má Hospodinu. Hospodine Bože můj, velmi jsi veliký, velebnost a krásu jsi oblékl.
1[Fiderana an'Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao] Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
2Přioděls se světlem jako rouchem, roztáhls nebesa jako kortýnu.
2Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
3Kterýž sklenul na vodách paláce své, kterýž užívá hustých oblaků místo vozů, a vznáší se na peří větrovém.
3Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,
4Kterýž činí posly své duchy, služebníky své oheň plápolající.
4Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra Ary ny mpanompony ho lelafo]
5Založil zemi na sloupích jejich, tak že se nepohne na věky věků.
5Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
6Propastí jako rouchem byl jsi ji přioděl, i nad horami stály vody.
6Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
7K žehrání tvému rozběhly se, před hřmotem hromu tvého pospíšily,
7Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy
8(Vystoupily hory, snížilo se údolí), na místo, kteréž jsi jim založil.
8Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
9Meze jsi položil, aby jich nepřestupovaly, ani se navracovaly k přikrývání země.
9Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10Kterýž vypouštíš potoky přes údolé, aby tekli mezi horami,
10Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
11A nápoj dávali všechněm živočichům polním. Tuť uhašují oslové divocí žízeň svou.
11Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
12Při nich hnízdí se ptactvo nebeské, a z prostřed ratolestí hlas svůj vydává.
12Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13Kterýž svlažuješ hory z výsostí svých, aby ovocem činů tvých sytila se země.
13Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
14Dáváš, aby rostla tráva dobytku, a bylina ku potřebě člověku, abys tak vyvodil chléb z země,
14Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.
15A víno, jenž obveseluje srdce člověka. Činí, aby se stkvěla tvář od oleje, ano i pokrmem zdržuje život lidský.
15Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.
16Nasyceno bývá i dříví Hospodinovo, cedrové Libánští, kteréž štípil.
16Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;
17Na nichž se ptáci hnízdí, i čáp příbytek svůj má na jedlí.
17Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.
18Hory vysoké jsou kamsíků, skály útočiště králíků.
18Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
19Učinil měsíc k jistým časům, a slunce zná západ svůj.
19Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
20Uvodíš tmu, a bývá noc, v níž vybíhají všickni živočichové lesní:
20Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
21Lvíčata řvoucí po loupeži, aby hledali od Boha silného pokrmu svého.
21Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
22Když slunce vychází, zase shromažďují se, a v doupatech svých se ukládají.
22Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
23Člověk vychází ku práci své, a k dílu svému až do večera.
23Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.
24Jak mnozí a velicí jsou skutkové tvoji, Hospodine! Všeckys je moudře učinil, plná jest země bohatství tvého.
24Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany. [Na: ny harenao]
25V moři pak velikém a přeširokém, tamť jsou hmyzové nesčíslní, a živočichové malí i velicí.
25Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
26Tuť bárky přecházejí i velryb, kteréhož jsi stvořil, aby v něm hrál.
26Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.[Na: holaolaovinao]
27Všecko to na tě očekává, abys jim dával pokrm časem svým.
27Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
28Když jim dáváš, sbírají; když otvíráš ruku svou, nasyceni bývají dobrými věcmi.
28Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
29Když skrýváš tvář svou, rmoutí se; když odjímáš ducha jejich, hynou, a v prach svůj se navracejí.
29Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
30Vysíláš ducha svého, a zase stvořeni bývají, a obnovuješ tvář země.
30Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.
31Budiž sláva Hospodinova na věky, rozveselujž se Hospodin v skutcích svých.
31Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
32On když pohledí na zemi, anať se třese; když se dotkne hor, anť se kouří.
32Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
33Zpívati budu Hospodinu, dokudž jsem živ; žalmy Bohu svému zpívati budu, pokudž mne stává.
33Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
34Libé bude přemyšlování mé o něm, jáť rozveselím se v Hospodinu.
34Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
35Ó by hříšníci vyhynuli z země, a bezbožných aby již nebylo. Dobrořeč duše má Hospodinu. Halelujah.
35Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.