Czech BKR

Malagasy

Revelation

15

1Potom viděl jsem jiný zázrak na nebi veliký a předivný: Sedm andělů majících sedm ran posledních, v nichž má dokonán býti hněv Boží.
1[Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
2A viděl jsem jako moře sklené, smíšené s ohněm, a ty, kteříž zvítězili nad šelmou a obrazem jejím a nad charakterem jejím i nad počtem jména jejího, ani stojí nad tím mořem skleným, majíce harfy Boží,
2Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [ Na: tao amin]
3A zpívají píseň Mojžíše, služebníka Božího, a píseň Beránkovu, řkouce: Velicí a předivní jsou skutkové tvoji, Pane Bože všemohoucí, spravedlivé a pravé jsou cesty tvé, ó Králi všech svatých.
3Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
4Kdož by se nebál tebe, Pane, a nezveleboval jména tvého? Nebo ty sám svatý jsi. Všickni zajisté národové přijdou a klaněti se budou před obličejem tvým; nebo soudové tvoji zjeveni jsou.
4Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
5Potom pak viděl jsem, a aj, otevřín jest chrám stánku svědectví na nebi.
5Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra; [ Na: tao amin'] [ Dia ny Didy Folo]
6I vyšlo sedm těch andělů z chrámu, majících sedm ran, oblečeni jsouce rouchem lněným, čistým a bělostkvoucím, a přepásáni na prsech pasy zlatými.
6ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [ Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka)]
7A jedno ze čtyř zvířat dalo sedmi andělům sedm koflíků zlatých, plných hněvu Boha živého na věky věků.
7Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
8I naplněn jest chrám dýmem, pocházejícím od slávy Boží a od moci jeho, a žádný nemohl vjíti do chrámu, dokudž se nevykonalo sedm ran těch sedmi andělů.
8Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.