Czech BKR

Malagasy

Revelation

3

1Andělu pak církve Sardinské piš: Toto praví ten, jenž má sedm duchů Božích a sedm hvězd: Vím skutky tvé: máš jméno, že jsi živ, ale jsi mrtvý.
1[Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [ Gr. eklesia]
2Budiž bedlivý, a potvrdiž toho, což mělo umříti. Neboť jsem nenalezl skutků tvých plných před Bohem.
2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [ Gr. Miareta tory] [ Na: (tsy hitako)]
3Pomniž tedy, co jsi přijal a slyšel, a ostříhej toho, a čiň pokání. Pakli bdíti nebudeš, přijduť na tě jako zloděj, a nezvíš, v kterou hodinu na tě přijdu.
3Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [ Gr. hiari-tory]
4Ale máš některé osoby i v Sardis, kteréž neposkvrnily roucha svého, protož budouť se procházeti se mnou v bílém rouše; nebo jsou hodni.
4Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [ Gr. anaranana]
5Kdo zvítězí, tenť bude odín rouchem bílým; a nevymažiť jména jeho z knih života, ale vyznámť jméno jeho před obličejem Otce svého i před anděly jeho.
5Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
6Kdo má uši, slyš, co Duch praví církvím.
6Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
7Andělu pak Filadelfitské církve piš: Totoť praví ten svatý a pravý, jenž má klíč Davidův, kterýžto otvírá, a žádný nezavírá, a zavírá, žádný pak neotvírá:
7[Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [ Gr. eklesia]
8Vím skutky tvé. Aj, postavil jsem před tebou dveře otevřené, a žádnýť jich nemůže zavříti. Nebo máš ač nevelikou moc, a ostříhal jsi slova mého, a nezapřels jména mého.
8Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [ Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]
9Aj, dávámť některé z sběři satanovy, kteříž se praví býti Židé, a nejsou, ale klamají. Aj, pravím, způsobím to, žeť přijdou a budou se klaněti před nohama tvýma, a poznajíť, že jsem já tě miloval.
9Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10Nebo jsi ostříhal slova trpělivosti mé, i jáť tebe ostříhati budu od hodiny pokušení, kteréž přijíti má na všecken svět, aby zkušeni byli obyvatelé země.
10Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11Aj, přijduť brzy. Držiž se toho, co máš, aby žádný nevzal koruny tvé.
11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
12Kdo zvítězí, učiním jej sloupem v chrámě Boha svého, a nevyjdeť již více ven; a napíšiť na něm jméno Boha svého a jméno města Boha mého, nového Jeruzaléma sstupujícího s nebe od Boha mého, i jméno své nové.
12Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
13Kdo má uši, slyš, co Duch praví církvím.
13Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
14Andělu pak církve Laodicenské piš: Toto praví Amen, svědek ten věrný a pravý, počátek stvoření Božího:
14[Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [ Gr. eklesia]
15Vímť skutky tvé, že ani jsi studený, ani horký. Ó bys chutně studený byl anebo horký.
15Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.
16A tak, že jsi vlažný, a ani studený, ani horký, vyvrhu tě z úst svých.
16Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao;
17Nebo pravíš: Bohatý jsem, a zbohatl jsem, a žádného nepotřebuji, a nevíš, že jsi bídný, mizerný, a chudý, a slepý, i nahý.
17fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
18Radím tobě, abys sobě koupil ode mne zlata ohněm zprubovaného, abys byl bohatý, a v roucho bílé abys oblečen byl, a neokazovala se hanba nahoty tvé. A očí svých pomaž kollyrium, abys viděl.
18dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
19Já kteréžkoli miluji, kárám a tresci; rozhorliž se tedy, a čiň pokání.
19Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [ Gr. Raha Izaho, dia izay]
20Aj, stojímť u dveří, a tluku. Jestližeť by kdo uslyšel hlas můj a otevřel dveře, vejduť k němu, a budu s ním večeřeti, a on se mnou.
20Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
21Kdož zvítězí, dám jemu seděti s sebou na trůnu svém, jako i já zvítězil jsem, a sedím s Otcem svým na trůnu jeho.
21Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
22Kdo má uši, slyš, co Duch praví církvím.
22Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]