Czech BKR

Malagasy

Romans

15

1Povinniť jsme pak my silní mdloby nemocných snášeti, a ne sami sobě se líbiti.
1Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
2Ale jeden každý z nás bližnímu se lib k dobrému pro vzdělání.
2Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
3Nebo i Kristus ne sám se sobě líbil, ale jakož psáno jest: Hanění hanějících tebe připadla jsou na mne.
3Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
4Nebo kteréžkoli věci napsány jsou, k našemu naučení napsány jsou, abychom skrze trpělivost a potěšení Písem naději měli.
4Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
5Bůh pak dárce trpělivosti a potěšení dejž vám jednomyslným býti vespolek podle Jezukrista,
5Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,
6Abyste jednomyslně jedněmi ústy oslavovali Boha a Otce Pána našeho Jezukrista.
6mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.
7Protož přijímejte se vespolek, jakož i Kristus přijal nás v slávu Boží.
7Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. [ Na: (antsika)]
8Neboť pravím vám, že Kristus Ježíš byl služebníkem obřízky pro Boží pravost, aby potvrzeni byli slibové otcům učinění,
8Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana,
9A aby pohané z milosrdenství slavili Boha, jakož psáno jest: Protož vyznávati tebe budu mezi pohany, a jménu tvému plésati budu.
9mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
10A opět dí: Veselte se pohané s lidem jeho.
10Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).
11A opět: Chvalte Hospodina všickni národové, a velebtež ho všickni lidé.
11Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).
12A opět Izaiáš dí: Budeť kořen Jesse, a ten, jenž povstane, panovati nad pohany; v němť pohané doufati budou.
12Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).
13Bůh pak naděje naplňujž vás všelikou radostí a pokojem u víře, tak abyste se rozhojnili v naději skrze moc Ducha svatého.
13Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
14Vím zajisté, bratří moji, i já také o vás, že i vy jste plní dobroty, naplněni jsouce všelikou známostí, takže se i napomínati můžete vespolek.
14Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
15Ale však proto psal jsem vám, bratří, poněkud směle, jako ku paměti přivodě vám, podle milosti, kteráž jest mi dána od Boha,
15Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,
16K tomu, abych byl služebníkem Ježíše Krista mezi pohany, slouže evangelium Božímu, aby byla obět pohanů vzácná, posvěcena jsuci skrze Ducha svatého.
16mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
17Mám se tedy čím chlubiti v Kristu Ježíši, v Božích věcech.
17Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.
18Neboť bych se neodvážil mluviti toho, čehož by skrze mne neučinil Kristus, k tomu, aby ku poslušenství přivedeni byli pohané slovem i skutkem,
18Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
19V moci divů a zázraků, v síle Ducha Božího, takže jsem od Jeruzaléma vůkol až k Ilyrické zemi naplnil evangelium Kristovým,
19dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [ Na: (Fanahin'Andriamanitra)]
20A to tak žádostiv jsa kázati evangelium, kdež ani jmenován nebyl Kristus, abych na cizí základ nestavěl,
20Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
21Ale jakož psáno jest: Kterýmž není zvěstováno o něm, uzří, a ti, jenž neslýchali, srozumějí.
21fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
22A tímť jest mi mnohokrát překaženo přijíti k vám.
22Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
23Nyní pak nemaje již více místa v těchto krajinách a žádost maje přijíti k vám od mnoha let,
23Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,
24Kdyžkoli půjdu do Hišpanie, přijdu k vám. Mámť zajisté naději, že tudy jda, uzřím vás, a že vy mne provodíte tam, avšak až bych prve u vás poněkud pobyl.
24raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
25Nyní pak beru se do Jeruzaléma, službu čině svatým.
25Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
26Nebo za dobré se vidělo Macedonským a Achaiským, aby sbírku nějakou učinili na chudé svaté, kteříž jsou v Jeruzalémě.
26Fa efa sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema.
27Takť sobě to oblíbili, a také povinni jsou jim to. Nebo poněvadž duchovních věcí jejich byli účastni pohané, povinniť jsou jim také sloužiti tělesnými.
27Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.
28A protož když to vykonám a jim odvedu užitek ten, půjduť skrze vás do Hišpanie.
28Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
29A vímť, že přijda k vám, v hojnosti požehnání evangelium Kristova přijdu.
29Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
30Prosímť pak vás, bratří, skrze Pána našeho Jezukrista a skrze lásku Ducha svatého, abyste spolu se mnou modlili se za mne Bohu snažně,
30Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,
31Abych vysvobozen byl od protivníků, kteříž jsou v Judstvu a aby služba tato má příjemná byla svatým v Jeruzalémě,
31mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
32Abych k vám bohdá s radostí přišel, a s vámi poodpočinul.
32mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
33Bůh pak pokoje budiž se všemi vámi. Amen.
33Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.