Czech BKR

Malagasy

Ruth

1

1Stalo se pak za času soudců, že byl hlad v zemi. I odšel člověk z Betléma Judova, a bydlil pohostinu v krajině Moábské s manželkou svou a se dvěma syny svými.
1[Ny nanjo an'i Naomy, sy ny niarahan'i Rota taminy, rehefa niverina ho any Betlehema izy] Ary tamin'ny andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;
2Jméno pak muže toho Elimelech, a jméno ženy jeho Noémi, jméno také dvou synů jeho Mahalon a Chelion, Efratejští z Betléma Judova; a přišedše do krajiny Moábské, bydlili tam.
2Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin'ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
3Umřel pak Elimelech, muž Noémi; i pozůstala ona s oběma syny svými.
3Ary maty Elimeleka, vadin'i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
4Kteříž pojali sobě ženy Moábské; jméno jedné bylo Orfa a jméno druhé Rut. I bydlili tam téměř deset let.
4Ary naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
5Umřeli také oni oba dva, Mahalon i Chelion, a zůstala žena ta po dvou synech svých a manželu svém.
5Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
6Tedy vstavši ona s nevěstami svými, navracela se z krajiny Moábské; nebo slyšela v krajině Moábské, že Hospodin navštívil lid svůj, dav jemu chléb.
6Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
7Vyšedši tedy z místa, na němž bydlila, a obě nevěsty její s ní, daly se na cestu, aby se navrátily do země Judské.
7Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.
8Řekla pak Noémi oběma nevěstám svým: Jděte, navraťte se jedna každá do domu matky své. Učiniž Hospodin s vámi milosrdenství, jakož jste i vy činili s mrtvými syny mými i se mnou.
8Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa.
9Dejž vám Hospodin, abyste nalezly odpočinutí, jedna každá v domě muže svého. I políbila jich, ony pak pozdvihše hlasu svého, plakaly.
9Homen'i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.
10A řekly jí: Obrátíme se raději s tebou k lidu tvému.
10Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao.
11I řekla Noémi: Navraťte se, dcerky mé. Proč chcete jíti se mnou? Zdaliž ještě budu míti syny, aby byli vaši muži?
11Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
12Navraťte se, dcerky mé, a odejděte, neboť jsem již stará k vdání; nýbrž bych i řekla, že mám naději, bych i noci této se vdala a syny zrodila,
12Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
13Zdaž byste na ně čekaly, až by dorostli? Zdaliž tou příčinou meškati se budete, abyste se neměly vdáti? Ne tak, mé dcerky, nebo mé trápení větší jest nežli vaše, proto že ruka Hospodinova jest proti mně.
13moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan'i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.
14Ony pak pozdvihše hlasu, opět plakaly. A Orfa políbivši svegruši svou, odešla, Rut pak přídržela se jí.
14Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
15Kteréžto řekla Noémi: Aj, přítelkyně tvá navrátila se k lidu svému a k bohům svým, navratiž se také za ní.
15Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
16Ale Rut řekla: Nenuť mne, abych tě opustiti a od tebe odjíti měla. Nebo kamž se koli obrátíš, půjdu, a kdekoli bydliti budeš, i já bydliti budu; lid tvůj lid můj, a Bůh tvůj Bůh můj.
16Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
17Kdekoli umřeš, umru, a tu pochována budu. Toto mi učiň Hospodin, a toto přidej, že toliko smrt rozdělí mne s tebou.
17izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
18Tedy viduci, že se na tom ustavila, aby šla s ní, přestala k ní mluviti.
18Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
19I šly obě dvě spolu, až přišly k Betlému. I stalo se, že když přišly do Betléma, roznesla se pověst o nich po všem městě, a pravili: To-li jest ta Noémi?
19Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
20Jimž ona řekla: Nenazývejte mne Noémi, říkejte mi Mara; nebo hořkostí velikou naplnil mne Všemohoucí.
20Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha amiko. [Naomy = Mahafinaritra][Mara = Mangidy]
21Vyšla jsem plná, teď pak prázdnou mne zase Hospodin přivedl. Pročež tedy nazýváte mne Noémi, poněvadž mne Hospodin ssoužil, a Všemohoucí mne znuzil?
21Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.
22A navrátila se Noémi s Rut Moábskou, nevěstou svou; navrátila se pak z krajiny Moábské. I přišly do Betléma, když počínali žíti ječmene.
22Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.